Alarobia II Karemy
“Andeha isika hitady tetika hamely an’i Jeremia, fa tsy ho faty ny lalàna ao amin’ny mpisorona, na ny hevitra ao amin’ny hendry, na ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny Mpaminany”. Araka ny hevitry ny olona tamin’izany andro izany dia ny mpisorona, ny olon-kendry sy ny mpaminany no afaka mahalala ny hevitr’Andriamanitra, ka mampita izany amin’ny vahoaka. Mbola vao manomboka ny Bokiny, dia ireo no voatsikera fa tsy mahavita ny andraikiny: “ny mpisorona tsy manontany akory hoe aiza ny Tompo, ny mpitan-dalàna, tsy mahalala, ny mpaminany maminany amin’ny anaran’i Baala” (Jer 2, 8).
Dia nivavaka i Jeremia fa ny nimasoany dia ny hangataka amin’Andriamanitra ny mba handringanana sy hamaizana ireo mifofo ny ainy (vakio ny Jeremia 18, 21ss). Ny litorjia anio kosa manentana antsika mba handresy izany toe-tsaina te hanjakazaka (satria miaraka amin’ilay mahery) sy hamaly faty izany, ka hianatra an’i Jesoa, hiatrika ny fahafatesany hiakatra ho any Jerosalema, hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.
Ny zavatra nokendren’ny fahavalon’i Jeremia dia nihatra tamin’i Jesoa. Mazava loatra ny hafatra ambaran’ny Tenin’Andriamanitra amin’izany: izay manao ny tsara dia tsy afaka ny hamita-tena ka hihevitra fa hanohana azy avokoa ny olon-drehetra, na hoe hiaro azy tsy hijaly na ho faty Andriamanitra. Dia ratsy ve no havaly ny soa? Eny, mety ho izany.
Fanirian’ny olona anefa ny hahazo voninahitra. Ny renin’ny zanak’i Zebede, na ny marimarina kokoa, tsy ny reniny -Salome- fa i Joany sy Jakoba mihitsy no nangataka (Mk 10, 35-40), saingy nolazain’i Matio hoe ny reniny mba tsy hanalana baraka azy roalahy izay tsy notononiny anarana akory, (mbola veloma manko i Joany tamin’ny nanoratany ny Evanjely,) dia nangataka mba ho eo an-kavia sy an-kavanan’i Jesoa any amin’ny fanjakany. Tsy mbola azon’izy ireo ny fampianaran’i Jesoa. Tahaka ny ankizy hanao kômonio voalohany sy kônfirmasiô ihany io. Vitsy no mihevitra ny handà tena, hitondra ny hazofijaliana ka hiaina ny maha-kristianina isan’andro. Ny fety, ny sakafo sy ny fanomezana no mahamay ny sasany. Na ny maha-pretra aza tsy afenina fa indraindray tolona vao mahafola-tena hanompo tokoa araka ny Evanjely, indrindra rehefa tsy mifanaraka amin’ny sitra-pon’ny tena sy ny kajikajy ny zava-misy. Jesoa etsy an-daniny milaza ny hahafatesany, izy roalahy kosa eo an-kilany mbola mieritreritra ny seza fiandrianana ihany. Tsy fantany izay nangatahiny.
Iza no te hipetraka eo an-kavia sy an-kavanan’i Jesoa? Iza no te hihantona eo anilany amin’ny andro hanandratana Azy? Fantatsika fa jiolahy roa no teo. Mbola hisotro ny kapoaka (izay sazy ho an’ny mpanota: jereo Jeremia 25, 15; Izaia 51, 17; Salamo 75, 9) ihany izy roalahy fa tsy mbola amin’ity indray mitoraka ity aloha (i Jakoba maty martiry manodidina ny 41-44 tamin’ny nitondran’i Eroda Agripà I, Asa 12.2). Ho an’izay nanamboarana azy ny toerana, hoy i Jesoa. Ampahatsiahiviny isika fa tsy ny faniriana ny ho lehibe no ratsy fa ny fiheverana ny atao hoe lehibe no mety ho diso. Mandrafitra ny lalàna fototra tiany hijoroan’ny Egliziny i Jesoa. Amporisihiny ho tonga “lohany” ny mpianany, saingy lehibe sy filoha hifaninana hifanompo.
Ny eo amin’ny Jentily manko, ny olona nahazo andraikitra hanompo ny vahoaka, mifehy azy fatratra, ary antsoina ho “mpanao soa”, sponsors (avy amin’ny teny latinina spondere, mampanantena am-pahibemaso) aza (jereo Lk 22,25). Ho an’izay te ho mpianatr’i Jesoa kosa, tsy ny fanjakazakana fa ny fanompoana no maha-lehibe, ka ny tanjona iombonana dia ny fanavotana ny olona rehetra, ary ny tambim-bidy hatolotra ho amin’izany (λύτρον lutron) dia ny tena manontolo. Tsy hamaly faty ny ratsy sanatria fa ho mpanavotra (גָּאַל, ga’al, jereo Joba 19, 25-27).
Ny mpanavotra, “go’el” amin’ny teny hebrio, dia entina hilazana ilay havana mandray an-tanana ny trosan’ny olona iray tsy voalohany intsony, ka ny fandoavana izany (na ny fanolorana ny tena ho antoka) no hamerenana aminy ny taniny sy ny fahafahany na hiarovany ny ainy. Izay te hanaraka an’i Jesoa araka izany dia tsy maintsy miditra amin’io toe-tsaim-panavotana io, ka ho tonga havan’ny olon-drehetra, indrindra ny mpanota, hanolotra hatramin’ny aina ho takalom-pahafahana ho azy ireo.
Ray o, tsimbino izahay fianakavianao izay tohananao amin’ny famindram-ponao mba hanao asa soa mandrakariva araka ny nampianarinao.