Alarobia I Karemy
- Jônasa 3,1-10
- Salamo 50
- Md Lioka 11,29-32
Mangataka famantarana ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity (Mt 12,39).
Atao inona moa famantarana? Inona no mahatonga an’i Jesoa hilaza izany teny mahery izany? Ny famantaran’i Jônasa no lazain’i Jesoa fa hany famantarana omen’Andriamanitra hanambarany ny fisiany sy ny fitiavany ary ny fahamarinan’ilay nirahiny hitory izany fitiavany izany.
Inona moa ny zava-misy tamin’ny andron’i Jônasa? Tokotokony ho any amin’ny faramparan’ny taonjato faha-efatra talohan’i Kristy tany ho any, mbola tsy levon’ny vavonin’i Israely ny sesitany tany Babilôna. Mazava loatra fa sarotra ho an’ny Jody ny hifandamina amin’ny vahoaka hafa, sady noheveriny fa ny tsy fifangaroana amin’ny foko hafa no hahatahirizany ny fahamasinana iantsoan’Andriamanitra azy ireo. Tao anatin’izany vanim-potoana izany no nisehoan’ny tantaran’i Jônasa (= Domoina, la colombe), izay nentin’ny mpanoratra mba hilazana ny toetran’i Israely, antsoin’Andriamanitra ho iraka hitondra ny famonjeny hatrany am-paravazantany. Nirahin’Andriamanitra ho any Niniva ary ity Jônasa. Tsy dia ny hamafin’ny fon’ny Ninivita loatra no tena nahatonga azy handà fa ny fialonana sy ny fiheverana fa ho an’i Israely irery ny famonjena, sady amin’izay indray amin’ny mponin’ny Renivohitr’i Asiria nambabo azy no hanirahana azy. Tsy mahaketraka ny fitiavan’Andriamanitra anefa ny hamafisan-dohan’i Jônasa, ka na dia natelin’ny trozona hateloana aza dia tonga tany Niniva ihany, tsy hoe hitory ny fitiavan’Andriamanitra fa hitory fandravana sy fandringanana. Mahagaga anefa fa i Israely tsy nihaino ny Tenin’Andriamanitra, ny Ninivita kosa indray nihaino ka nibebaka niala tamin’ny toetra ratsiny.
Toa an’i “Jônasa” ihany koa izay mikononkonona ao am-pony fa tokony haringana ny olon-dratsy. Zanak’Andriamanitra kosa izay manaiky ny hanolo-tena, hitady izay fomba rehetra mety hahavoavonjy ny mpanota, satria izany no sitrak’Andriamanitra. “Jônasa” no irahin’Andriamanitra ka tonga famantarana ho antsika. Taorian’ny nanendrikendrehan’ny sasany an’i Jesoa ho mandroaka ny demony amin’ny anaran’i Belzeboba (Beelzeboul) dia nolazain’i Jesoa fa izay tsy miara-mamory Aminy dia manahaka. Mazava loatra araka izany fa izay tsy faly amin’ny soa vitan’ny hafa, izay tsy faly amin’ny soa azon’ny hafa, indrindra raha olona heverina ho azon’ny demony sy “tsy mendrika hanaovan-tsoa” no hanaovany izany, dia mila mandray ny famantaran’i Jônasa ho lesona. Izay tsy mahay mijery ny lafitsaran’ny fiainana fa miziriziry amin’ny fitsikerana ny lafiratsiny dia tsy mamory fa manahaka.
Ny Apôstôly izay nitsoa-pahana, nilaza ho tsy nahalala an’i Jesoa akory aza, no nirahiny hitory ny teniny. Tsy maintsy hodiovin’ny misterin’ny Paka anefa aloha vao ho afaka hanatanteraka izany iraka izany.
Ny fijanonan’i Jesoa hateloana tao an-kibon’ny tany no “famantaran’ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika mandrakizay”. Izay manaiky ho mpianany dia aterak’io mistery io indray ho olom-baovao, ho afaka hitory ny Evanjely, tahaka an’i Jônasa nateraky ny hazandrano vaventy indray afaka hateloana. Tsy ny Jody ihany na ny Farisianina anefa no mety tsy hahay hanararaotra ny fahasoavan’Andriamanitra fa isika koa. Ny Mpanjakavavy avy any atsimo (1Mp 10,1-13) tonga nihaino ny fampianaran’i Salômôna, ny Ninivita nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa, saingy ireo mitady famantarana tamin’i Jesoa kosa nanidy ny fony mba tsy handray ny “fanambaran’Andriamanitra”.
Angatahontsika Andriamanitra mba hahaizantsika mihaino ny Teniny sy ho mafy orina ao amin’ny fitiavany. Mora manko ny hanaiky ho resin’ny fakam-panahy, hiroroa saina ka hitady andriamani-kafa hanorenana ny fitokisana, hitady lalan-kafa hiviliana mba tsy hitoriana ny Tenin’Andriamanitra. Ny taranaka mpijangajanga no mitady famantarana, fa ho antsika mino an’i Kristy dia ampy ho antoka ny Fanahy nanangana an’i Jesoa ho Velona ka nananganany antsika ho zanak’Andriamanitra miaraka Aminy.