ALAROBIA I FIAVIANA
- Izaia 25,6-10a
- Salamo 22
- Md Matio 15,29-37
Resaka fanasana, sakafo mafilotra sy tsy lany laniana no toa miverimberina amin’ny Vakiteny anio. Mampahatsiaro ny sakafom-piombonana atao rehefa fety araka ny fomban’Israely izany: voalaza ao amin’ny Eks 24,11 ohatra ny sorom-pihavanana faranana amin’ny fiaraha-misakafo amin’ireo mihavana; ny Dt 16, 3-15 indray dia milaza fa tokony hanao fety satria namokatra ny tany; 1 Sam 9,13 kosa dia mandidy ny olona tsy hihinana raha tsy voahosotra ny mpanjaka hanafaka an’Israely eo an-tanan’ny Filistinina; Neh 8,10-12: mifaly satria izao no andro ankalazana ny fandresen’Andriamanitra, ny Sabata izany. Tsy sakafo fe sakafo, toy ny mety ho foto-pisainan’ny fombam-pivavahana sasany, ka hafangaro amin’ny filiban’ity fiainana ity àry araka izany ny sakafo lazaina ato amin’ny Soratra Masina anio. Raha toy izany manko dia ho loza satria hifangaro ihany amin’ny zavatry ny tany ny “fisainana sy fiainana” ny lanitra.
Tsy ny sakafo araka izany no asian’ny Mpanoratra tsindrim-peo fa ny antony hisakafoanana, ny antony hanaovam-pety. Ny Kristianina dia tsy hoe mifety mba ho faly, fa faly dia mifety. Izay no mahatonga an’i Izaia manohy ny faminaniany fa horovitina eo amin’ilay tendrombohitra hanaovana ny fety ny voaly manarona ny olona rehetra. Miverina indray ny voambolana apôkaliptika eto: manala voaly, mampiseho ny maha-izy azy, ary rehefa mifanatri-tava amin’Andriamanitra isika (1Kôr 13,12) no ho lavorary ny fahalalantsika Azy, ka izany fahalalana izany no hahafeno fatra ny hafaliantsika, hisehoantsika araka ny tena toetrantsika: zanaka nohariany mitovy endrika Aminy. Ambaran’ny tapany faharoa amin’ny Vakiteny I araka izany ny antony hanaovana sakafo: satria tsy hisy fahafatesana intsony (amin’ny Eokaristia isika mankalaza ny fandresen’i Kristy ny fahafatesana), hofafàna ny ranomaso sy ny henatra satria tonga ny Tompo Mpamonjy, ny maha-eo ampovoantsika Azy no foto-pifaliana, amin’ny fiaviana moa dia mankalaza manokana an’ilay Emanoela isika: Andriamanitra miara-monina amin’ny vahoakany.
Ny Evanjely dia mitantara ny fahasitranan’izay rehetra nentina nanatona an’i Jesoa: ny moana izay tsy mba afa-nidera an’Andriamanitra na oviana na oviana, ny jamba tsy afa-mahita afa-tsy ny ratsy sy ny asan’ny maizina, ny mandringa (khôlos) malaina hamonjy ny namana, tsy afa-mizotra ny lala-mahitsy mitondra any amin’ny fiainana, ny kilemaina, (kyllos) izany hoe vokoka miforitra amin’ny tenany ihany ka tsy afa-mampiasa ny talenta nomen’Andriamanitra mba hanasoavana ny hafa ka hanomezany voninahitra ny Ray any an-danitra, ary ny azon’ny aretina hafa (izay rehetra manakana antsika tsy ho sambatra)… dia sitrana avokoa ireo.
Tsy afaka ny ho sitrana anefa, araka ny fiantombohan’ny Evanjely anio raha tsy miakatra eny an-tendrombohitra, manatona an’i Jesoa, izany hoe misintaka amin’ny zavatry ny tany ka misondrotra amin’ny faniriana sy fikatsahana ny zavatry ny lanitra. Ny Salamo dia miantso antsika mba hiandra any an-tendrombohitra, hahatsiaro fa avy amin’Andriamanitra ny vonjy, ny Evanjely kosa manainga antsika hanatona an’Andriamanitra mba hahafahantsika mahita ny zavatra rehetra araka ny fijerin’Andriamanitra.
Tsy azo adinoina araka izany fa tsy herintsika no hahafahana manatanteraka izany, ary izany no antony anaovantsika ny vavaka fangatahana anio mba hanomanan’Andriamanitra amin’ny heriny masina ny fontsika ka ho mendrika hiombona anjara amin’ny fiainana mandrakizay sy mba hahafahantsika miara-mihinana, hifaly handray anjara amin’ny Fanasany.
Tsy manasitrana fotsiny anefa Andriamanitra fa mamelona koa. Izy no manasa amin’ny fanasana, hoy Izaia, saingy isika no asainy hanome hanina ny mpivahiny mba ho tonga soa, tsy ho reraka an-dalana mandrapahatongan’izany andro hahafoana ny fahafatesana sy ny henatra rehetra izany. Mety ho afaka hisafidy ny tsy hihinana isika, saingy tsy afaka hisafidy ny tsy ho noana. Ny hanoanana dia mampahatsiaro antsika fa mila ny hafa isika, mila mampiditra zavatra ao anatintsika mba hamerina indray ny fiainana amin’ny laoniny. Omen’i Jesoa baiko ny mpianany mba hampitony ny hanoanan’ny vahoaka, fa ny tsirairay kosa dia asainy misafidy mandrakariva mba tsy ho sakafo poizina ho an’ny tena no hohanina fa izay mitondra soa sy mahavelona. Lazain’ny fomba fiteny tatsinanana aza hoe: ataovy toy ny fihinanana fanafody ny fihinanana ny sakafo mba tsy hahatonga ny fanafody ho foto-tsakafo: mampahatsiaro ny safidy sy ny fandanjalanjana tokony hananana amin’ny fisakafoana izany.
Koa ny mofo fito ananantsika (izany dia mety ho tandindon’ireo Diakra fito natokana hanompo ny fiangonana, hanome hanina ny mahantra, izay lazain’i Md Lioka ao amin’ny Asan’ny Apostoly), dia zary haravoana satria ampamokarin’ny Fanahy ao amin’ny hafenoan’ny fahasoavany. Sobika fito no nameno ny sombitsombiny sisa tsy lany nangonina; spyris moa no voambolana ampiasain’i Matio hilazana ny sobika, ka raha ampifandraisina amin’ny fototeniny hoe speiro izany dia midika hoe mamafy ny voa, dia mazava loatra fa ny fahavokisan’ny vahoakany amin’ny Teny sy ny Tenan’i Kristy no manjary voa afafy, hampamokatra ny fiainana ho voninahitr’Andriamanitra.
Ny Komonio raisintsika anie handio ny fontsika ho afaka amin’ny haratsiana ka hanomana antsika hankalaza ny androm-pifaliana santarintsika izao sy any amin’ny fiainana mandrakizay.