Alarobia fanosorana lavenona
Ny fonareo no rovidrovito!
- Joely 2,12-18
- Salamo 50
- 2 Kôrintiana 5,20-6,2
- Md Matio 6,1-6.16-18
Manomboka “fomba kristianina handresena ny ratsy” isika anio. Famaritana tsotra nefa manambara ny hevi-dalina fonosin’ny Karemy izay henontsika amin’ny vavaka fanombohana izany. Inona tokoa moa no antony hanaovana asa fiantrana, vavaka ary fifadian-kanina araka ny Evanjely atolotry ny Fiangonana ho fiainana anio (Mt 6,1-6.16-18)? Na dia miverina isan-taona aza ny karemy, dia hamafisin’ny Eglizy amintsika mandrakariva ny fihavaozam-panahy takin’ny maha kristianina antsika.
Isan-taona dia misarika ny saintsika ny Papa handinika manokana ny hevitry ny fifadian-kanina sy ny toe-po enti-manatanteraka izany ary manome hatratra heverina hanampy antsika amin’ny fiainana ity vanim-potoana sarobidy ity. Ny fahotana no mandrava ny fihavanantsika amin’Andriamanitra, amin’ny namana ary amin’ny zavaboaary ka ny fiverenantsika hamitrana izany fihavanana izany no lalana mitondra amin’ny Paka vaovao.
Tsy fitia te hijaly tsy akory, na haitraitra mba hahatsara bika na fitsitsiana hampametimety ny toe-karena no ataontsika, na sanatria fisehoana ho tsara fanahy sy ho mpanasoa ny hafa, fa ezaka handresy ny fahotana sy izay mety mitarika amin’ny ratsy. Voajanahary ho antsika ny fifadian-kanina, hoy i Md Basile, ka ny tsy fifehezan-tena hitandrina azy no mitondra amin’ny fahafatesana sy mahatonga ho andevon’ny ota (Jen 2,16-17).
Raha raisintsika izay lazain’i Joely Mpaminany dia ho afaka mandini-tena sy miroso marina tokoa amin’ny lalam-pahamasinana isika: miverina (שׁוּב shoubh) amin’ny Tompo amin’ny fo manontolo amin’ny fifadian-kanina (צוֹם – tsōm) sy amin-dranomaso (בְּכִי bekhì, bākhāh) amam-pitarainana (מִסְפֵּד miseppēd, sāphad), izany hoe hanitsy ny lalana ho amin’ny lalam-pahasambarana atorony, ka hifady izay rehetra tsy mifanaraka amin’izany, hitomany amin’ny voka-dratsin’ny fahotana izay nampietry antsika, ary hitaraina, hidradradradra satria malahelo ka misaona ny soa sy ny tsara nafoy vokatry ny fahotana. Tsy misy olona ho afaka amin’ny fahazaran-dratsy iray raha tsy tsapany ka mampitomany azy ny vokatra aterak’izany ho an’ny tenany sy ny hafa.
Ny tena fifadian-kanina moa dia fizorana ho amin’ny fiainana irin’i Kristy ho antsika (Jo 10,10), mba hahazoana valisoa avy amin’ilay Ray mahita ny ao amin’ny mangingina! (Mt 6). Ny fanekena no lalana ho amin’izany, hany ka ny “manao ny sitrapon’ny Ray” no zary sakafo ivelomana (Jo 4,34). Raha fintinintsika ireo “vokatry ny fifadian-kanina” ambaran’ny prefasin’ny Karemy amintsika dia mampahatsiaro antsika fa “fiomanana amin’ny Paka ny Karemy”, izany hoe “fizorana ho amin’ny hafaliana” (Prefasy Karemy I) ka “hanesotra ny faniriana diso tafahoatra mba tsy hiraiketana amin’ny zava-mandalo” (Prefasy Karemy II), “hampilefitra ny avonavona sy hampahazo hanina ny mahantra” (Prefasy Karemy III), “hanaketraka ny haratsiana ka hanondrotra ny fanahy ho mendrika ny valisoa mandrakizay” (Prefasy Karemy IV).
Hoy i Md Pierre Chrysologue : Ny fifadian-kanina no ain’ny fivavahana, ny famindram-po no fiainana ny fifadian-kanina, ka izay te hivavaka tsy maintsy hifady hanina, ary izay mifady hanina mila mamindra fo. Izay te hohenoim-bavaka dia hihaino ny fitarainana ataon’ny hafa aminy. Izay te hanokatra ny fon’Andriamanitra mba hidirany dia tsy ho afaka ny ho mafy fo velona amin’izay mba mitaraina aminy…
Alao hery àry. Tahaka an’i Md Paoly manentana ny Kôrintianina koa izahay (2Kôr 5,20–6,2) no miteny aminareo : ndeha hihavana amin’Andriamanitra ary hiezaka ho tonga fampihavanana (fahamarinana) amin’Andriamanitra, ka ny handrina ekena hosorana lavenona, fa ny fo kosa, torotoro sy manenina amin’ny fahotana vita, feno zotom-po “hanatontosa ny fomba masina amin’ny Karemy, ka hanavao ny fiainana hitovy endrika amin’i Kristy tafatsangan-ko velona” (Vavaka fanamasinana ny Lavenona).