Alarobia fahasivy mandavan-taona
- Tsy ankasa: Tobia 3,1-11.24-25 / Salamo 24,2-4a.4b-5ab.6-7.8-9
- Ankasa: 2Timote 1,1-3.6-12/Salamo 122
- Md Marka 12,18-27
Amin’ny Evanjely nohenointsika androany dia milaza momba ireo Sadôseanina [mifanohitra amin’ny Farisianina, mitsipaka ny fitandremana ny Lalàna ankoatra izay voasoratra ao amin’ny Boky dimin’i Môizy izy ireo, nanana anjara manokana amin’ny Fikarakarana ny Tempoly ary niavaka amin’ny tsy finoany ny momba ny zavatry ny lanitra: fitsanganan-ko velona, fanahy, anjely, jereo Asa 26,6-8] (jereo koa Lk 20,27-40, Mt 22,23-33). Ny Sadôseanina na Tsadôseanina (dikanteny vaovao, satria hoe avy amin’ny Mpisorona Tsadôk) dia mandà ny fitsanganan’ny maty ho velona, ka nampiasa ny Lalàn’ny “lévirat”, [avy amin’ny teny latinina levir izay nandikana ny teny hebrio jabam (zaodahy…)] mba hiheverana nandresena lahatra an’i Jesoa hanaiky ny firehan-kevitr’izy ireo. Ny Lalànan’ny “lévirat” moa dia natao indrindra mba tsy hahafaty taranaka ny fianakaviana, mba hamelo-maso ny anaran-dray, hahafahana manantena fa avy ao no mety hipoiran’ny Mesia andrasana hanavotra an’i Israely. Ho an’ny Tsadôseanina dia porofo hanoherana ny tsy fisian’ny fiainana aorian’ny fahafatesana izany.
Io lalàna io (Lévirat, jereo Dt 25,5-10/ na Jen 38,8 momba an’i Tamar na Rt 4 izay nitatra ho an’ny olona ivelan’ny fianakaviana aza) no nentin’izy ireo hanaporofoana ny tsy fisian’ny fitsanganan-ko velona, na ny marimarina kokoa, ho entiny milaza fa raha sanatria misy aza izany, ho olana be ny fisiany. Amin’ny fanehoana izany anefa dia misy fampianarana vitsivitsy azontsika tsoahina amin’ny fitantaran’ny Evanjely.
Ny fanambadiana dia tsy fanatanterahana lalàna na sanatria fombafomba ataon’ny olona ka dia mba atao koa. Safidy malalaka mba hanohizana ao amin’ny taranaka ny fanehoam-pitiavana ifamatoran’ny mpivady ny fanambadiana. Ny fifankatiavana tena izy ifotoran’ny mariazy dia ny fanomezan-toky fa tsy afaka ny ho sambatra ivelan’ny fahasambaran’ilaynotiaviny izay tia marinaary izany fikatsahana ny fahasambaran’ny tiany izany sy ny fitiavana ireo sombin’ny aina vokatry ny fifankatiavana no mampisy heviny ny fianana ka handaniana azy. Lazain’ny Tononkira dia Tononkira aza fa ny fitiavana tonga amin’ny fahamatorany dia ny filazana amin’ilay malala mba hiazakazaka, handositra (בָּרַח – bāraḥ) hanahaka ny gazela (Ton 8,14), raha izay no fahasambarany.
Mazava loatra araka izany fa tsy afaka apetraka ho resaka “propriété”, ny hoe “an’iza ravehivavy”, ao amin’ny fitiavana marina. Tsy fananan’ny lahy tsy akory ny vehivavy.Ny fitantaran’i Matio aza moa, ho an’ireto Tsadôseanina ireto dia hoe “navelan’ny maty tamin’ny rahalahiny ravehivavy” (Mt 22,25). Ary raha resaka fananana toy izany, tahaka ny lazain’Andriamanitra amintsika tsirairay avy, dia mba hilazana hoe: “Aza matahotra, ahy ianao” (Iz 43,1), izany hoe: vonona ny ho faty ho amin’ny fahasambaranao aho. Tsy ny soa ho an’ny maty milaza ho tompony araka izay no tadiavina fa kosa ny soa ho an’ilay mananotena tavela.
Izay tsy mahalala ny Soratra Masina sy ny fahefana, ny Herin’Andriamanitra, dia tsy afaka ny tsy ho diso hevitra, satria ny fomba fisainana momba ny fiainan’ny nofo no hiheverana ny fiainan’ny lanitra, ka mazava loatra fa ny tombontsoan’ny nofo no tadiavina, ny voninahitra eo anatrehan’ny olombelona no katsahina fa tsy ilay aina hivelomana eo anatrehan’Andriamanitra mandrakizay, toa an-dry Abrahama sy Isaàka sy i Jakôba (Eks 3,1snm).
Any amin’ny fitsanganan’ny velona, araka izany, tsy mipetraka ny fanontaniana hoe ho an’iza ravehivavy, satria any amin’ny fanjakan’ny fitiavana dia samy mahatsapa fa zanaka tian’Andriamanitra isika, zanaky ny fitsanganan-ko velona, tsy hisy ho faty ho an’ny hafa intsony satria velona ao amin’Andriamanitra avokoa, ary ambony lavitra noho ny maha mpivady ny maha mpiray tampo, miara-mandova ny fanjakana.
Izany no ambaran’i Jesoa mazàva fa Andriamanitry ny Velona ny Andriamanitsika. Manamafy ny iraka (mission) nahatongavany ihany koa izany:Tonga aho mba hanananareo ny fiainana, ary hanananareo azy amin’ny hafenoana (jereo Jo 10,10). Ny hanokafany ny fasana sy hananganany ho velona no hisehoany ho Tompo sy Andriamanitra (Ez 37,13). Izany no hanehoany ny heriny (δύναμις – dynamis).
Hitombo ao amintsika anie ny fahalalàna ny Soratra Masina sy ny fahefan’Andriamanitra ka hanompoantsika Azy ho Andriamanitry ny fahavelomana, ary hitondrantsika tena hifanaraka amin’izany.