Alarobia fahaenina fankalazana ny Paka
- Asa 17, 15.22-18,1
- Salamo 148
- Md Joany 16, 12-15
Rahefa avy nangataka ny fialan-tsinin’ny Mpitsara tao Filipy i Paoly, noho ny nikapohana sy nampigadrana azy tsy an-drariny, amin’ny maha-rômanina azy, dia nifanao veloma tamin’ireo mpiray finoana ary nihazo an’i Anfipôly sy Apôlônia ka tonga tany Tesalônika (tessalo, faux -nike). Fa noho ny fialonana sy ny fizarazarana nateraky ny fampianaran’i Paoly sy Silasy in-telo Sabata dia voatery nampitsoahan’ireo indray i Paoly sy Silasy ka nandeha tany Berea. Fa nakorontan’ny Tesalonisiana tao koa ireo, ka voatery naondrana an-tsambo nankany Atena i Paoly, ary nohafarany mba hamonjy azy faingana any i Timote sy Silasy. Eto no manomboka ny vakiteny voalohany anio.
Nony tonga tao Atena i Paoly dia nivarahontsana tamin’ny fahitana ny tanàna feno sampy, ka tany amin’ny sinagoga niady hevitra tamin’ny Jody, teny an-kianja kosa amin’ny mpivavaka amin’ny karazan-tsampy rehetra izao, sy ireo mpandalina filosofia, ny mpianatr’i Epicure sy ny stoïciens[1]. Ary satria ny fahafinaretan’ny tao Atena dia ny miady hevitra mikasika ny “vaovao farany”, dia nentin’izy ireo teo amin’ny Aeropaza i Paoly. Havoana kely misy ny toerana hivoriana sy hitsarara moa io, hahafahan’izy ireo mandanjalanja ny mety ho risika na ny vokatra ateraky ny Vaovao lazian’i Paoly momba an’i Jesoa.
Dia rafitra nandaha-teny i Paoly. Ilay andriamanitra tsy fantatra anarana voasoratra amin’ny otely izay no niaingany, hanazavana sy hitantarana ny hasoan’Andriamanitra sy ny voninahiny, satria “ao anatiny no ivelomantsika, sy ihetsiketsehantsika ary iainantsika”. Fa rehefa tonga amin’ny fitoriana an’i Jesoa nitsangan-ko velona, nohamarinin’Andriamanitra mba ho famonjena ny olombelona rehetra ireo tao Atena dia rava ny tsena: niomehy ny sasany; ny sasany nanao hoe: mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany… Olona vitsivitsy no nandray ny teny sy nisokatra tamin’ny finoana ny fitsanganan-ko velona.
Ankoatra ny mety ho tsy fahombiazan’i Paoly dia azontsika tsoahina amin’izany fa tsy ny saina be na ny mety ho fahaizana no hahafahana manakatra ny finoana. Asan’ny Fanahy io ka izay manaiky horeseny lahatra ihany no afaka miditra amin’izany finoana izany. Lazain’ny Evanjelin’i Joany (toko 16) fa roa ny asan’ny Fanahy: handresy lahatra izao tontolo izao (evanjely omaly Jo 16, 5-11,) ary hitari-dalana ny Mpianatra (anio). Tsy hiampanga (Satana) an’izao tontolo izao izy fa handresy lahatra (ἐλέγχω elenKo).
Asan’ny Fanahy koa ny hilaza amin’ny mpianatra ny zavatra tsy hoe tsy nolazain’i Jesoa azy ireo, satria “izay rehetra reny tamin’ny Ray dia efa nambarany ny mpianatra avokoa” (Jo 15, 15). Ny zavatra betsaka tiany holazaina dia tsy ho azon’ny mpianatra raha tsy hazavain’ny Lakroà. Izay tsy mahita ny Hazofijaliana ho fandresena dia tsy afaka ny hahazo ka hanaiky hovan’ny Tenin’i Jesoa sy ny Evanjeliny. Ny Fanahy fahamarinana no afaka mamaky bantsilana ny lainga mety hokobonin’i Satana ao am-pontsika ka hahatonga ny fiainana ho sadasada, tsy maty tsy velona, tsy mandroso tsy mihemotra. Tsy hanana zavatra holazaina hafa afa-tsy izay an’i Jesoa anefa Izy, tahaka an’i Jesoa tsy manana zavatra hafa holazaina afa-tsy izay henony tamin’ny Ray.
Ny Mpianatra araka izany dia tsy afaka hanana zavatra hafa holazaina ihany koa afa-tsy izay noraisiny tamin’ny Fanahy, dia izay rehetra reny tamin’i Jesoa ho fanomezam-boninahitra Azy, ary hanambara ny zavatra ho avy (καὶ τὰ ἐρχόμενα ἀναγγελεῖ ὑμῖν Jo 16, 13). Ny mety ho tonga ao anatin’ny saintsika dia hoe hampahalala antsika ny Fanahy hoe oviana isika no ho faty, oviana no hivaha ny olana, na zavatra tahatahaka izany.
Tsy izay no asan’ny Fanahy, tsy izay loatra ny “zavatra ho avy” toriany amintsika fa ny fahatanterahan’ny faminanian’Andriamanitra (fampanantenana) tao amin’i Jesoa, ka izay nihatra tamin’Izy Mpampianatra dia hihatra ihany koa amin’ny mpianany rehetra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra. Ny Fanahy no hahafahantsika mahita fa lalana mitondra amin’ny fahasambarana no nizoran’i Jesoa, ka hahitan’izay manara-dia Azy ny “zavatra ho avy”, izany hoe ny hiafarany, ka hananany hery hitozo hatramin’ny farany.
Izay tsy mandray ny Fanahy dia hanao “tondraka anio manan-jara” ihany, ka tsy hahay hitsinjo ny vodiandro ho merika. Izay tsy mihaino ny Fanahy dia mety hanjehy ny andro ho lava, ka tsy hiasa ho amin’ny hanina maharitra mandrakizay (Joany 6, 27). Ny Fanahy no mampianatra antsika hatoky ny lazain’ny Salamo hoe: “Izay mamafy amin-dranomaso no miverina kosa feno fihobiana, mitondra ny amboaram-bokatra” (Salamo 125, 5-6).
“Tompo o! Reharehanay ny hazofijaliana nahafatesanao, fa nahatonga anay ho zanak’Andriamanitra”, hoy isika mihira. Hanaiky hotarihin’ny Fanahy anie isika ka hanome voninahitra an’i Jesoa “nasandratra eo ambony hazofijaliana”, ary hifaly amin’ny fanaraha-dia azy hitondra ny hazofijaliantsika.
[1] C’est une des écoles philosophiques que Paul rencontra à Athènes, fondée par Zénon de Citium dans l’île de Chypre. Pour eux la vertu est une résignation à l’égard de la destinée, le sage se montre insensible aux coups du sort, et il faut acquérir courage et sobriété (note Bibleworks).