Alarobia faha-dimy mandavantaona
- Tsy ankasa Jenezy 2, 4b-9.15-17/Salamo 103/
- Ankasa 1 Mpanjaka 10, 1-10/Salamo 36/
- Md Marka 7, 14-23
Tsy ny fitandremana ny lalana aty ivelany no hitsarana ny mampadio na tsia ny zavatra izay fa noho izy manampy ny olona hivoatra na tsia. Tsy misy sakafo maloto ka tokony hofadiana raha tsy mifanohitra amin’ny fahasalaman’ny olona. Nanahirana ny fifadiana sakafo fa nampikorontana hatramin’ny fiaraha-mivavaka sy fiaraha-manao lamesa teo amin’ny kristianina jody sy hafa firenena (Galata 2, 11ss).
Izay mivoaka avy amin’ny olona no mahaloto ny olona. Misy 12 no notanisain’i Jesoa ka ny 6 voalohany « au pluriel »: ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny vono olona, ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana; ny 6 hafa kosa « au singulier »: ny hosoka (risoriso), ny fijejojejoana (libertinage), ny fialonana, ny vava ratsy (blasphèmie), ny havonavona sy ny hadalana; izay zavatra rehetra izay no avy ao anatin’ny olona ka mampahaloto azy.
Niezaka nijery ny antony mahatonga ireo fahalotoana ireo hoe enina sy enina, dia hita ho misy fifandraisany, ka ny zavatra atao indray maka monja, mahazo vahana ao am-po dia tong afahotana miverimberina. Azo jerena ihany koa ny fivoaran’ireo fahotana ka mitondra amin’ny ratsiratsy kokoa raha tsy mibebaka: ny hosoka madinidinika ohatra no mahatonga hatrany amin’ny fakàna ny vadin’ny sasany; ny fijejojejoana sy ny tsy fahaizana mifehy tena no mampiròna any amin’ny fijangajangana; ny fialonana no mahatonga hamono olona; rehefa kamo na tsy mahavokatra ny nitsembohana dia miteny ratsy an’Andriamanitra ary tsy afaka ny hionona amin’izay an’ny tena ka miafara amin’ny fakàna ny zavatry ny hafa, mangalatra (somary noterena ihany); ny fiavonavonana no mahatonga ny tahotra ny hioharan’ny hafa ka aleo tazonina ho an’ny tena izay kely ananana ary izany no mampihidy ny fo tsy hizara (fahihirana); fahaverezan-tsaina ny fanimbana zavatr’olona noho ny hasomparana, na ny marimarina kokoa ny hadalana sy ny tsy fiheverana loatra (ἀφροσύνη aphrosune) no mampiroaroa saina (πονηρία pomeria) nadika moa hoe hasomparana, haratsiana, satria avy amin’io ny πονηρός (poneros), ilay ratsy angatahintsika mba hanafahan’Andriamanitra antsika amin’ny “Vavaka nampianarin’ny Tompo”.
Ny ratsy manakana antsika tsy hahita an’Andriamanitra manko dia izay manakana antsika tsy hadio fo, ka ny πονηρός (poneros), ny fiahakahan-kevitra, vokatry ny hadalana, na ny marimarina kokoa vokatry ny ἄφρων (aphron hamaivanan-doha sy tsy fiheritreretana) no loto tian’i Jesoa hesorina ao am-pontsika.
Ny fanesorana ireo rehetra ireo ao am-pontsika no mampadio antsika. Tsy ny fanasana tanana sy tongotra araka ny voalazan’ny Eksaody (Eks 30, 17-21) no atoron’i Jesoa ny mpianany fa ny fanesorana izay toetra mety mampalahelo sy nahadiso manoloana ny rahalahy: raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny otely ianao ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao dia avelao eo amin’ny otely aloha ny fanatitrao ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray (Mt 5, 23-24).
Tsy sanatria ny tsy fanarahan’ny rahalahy ny fombafomba litorjika no hanaovana izay mampalahelo azy mandritra ny Sorona. Aza misy anie izany. Handio ny fontsika amin’izay mety ho antom-pahalotoana anie izy Tompo ka hahatonga antsika ho Sorona velona ankasitrahiny.