Alarobia faha-33 mandavan-taona
- Ankasa Fanambarana 4, 1-11/Salamo 150
- Tsy ankasa 2 Makabeo 7, 1.20-31/Salamo 16
- Md Lioka 19, 11-28
Nahoana no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako?
Raha ny hahalala sy hitia an’Andriamanitra no fahasambarana dia mbola fahasambarana tsara lavitra noho izany ny tonga mpiray antoka Aminy, mandray anjara amin’ny fanorenana ny fanjakany. Ambaran’i Lioka fa nankininy tamin’ny mpanompony folo ny mina[1] folo mba hihasan’izy ireo (πραγματεύομαι pragmateuomai, mampamokatra) mandrapiveriny. Folo moa no ampiasain’i Lioka, tahaka ny boka folo, mba hilazana ny olombelona rehetra, nametrahan’Andriamanitra ny hareny sarobidy, ny Teny folo, ilay teny tonga nofo, nafafiny mba hamokatra ao amintsika tsirairay avy. Raha araka ny filazan’ny sasany dia dragma zato ny mina iray, ka denie 1000 izany, karama mandritra ny telo taona (nitorian’ny Mpampianatra teny angamba) no napetrak’ilay Mpanjaka ho antsika.
Ny telo amin’ireo mpanompo ireo ihany anefa no tanterin’ny Evanjely eto ny fomba famokarana: nahazo zanany folo, nahazo zanany dimy, nanafina ny mina tanaty lamba.
Ny fiandrasana ny fiverenany araka izany dia manjary fiandrasany ny fampamokarantsika ny fanomezana nomeny antsika. Santatr’izany i Zake, notantaraina tao amin’ny fiandohan’ny toko faha-19 ka nampimenomenona ny olona sasany amin’ny nilazan’i Jesoa fa “tonga tao amin’io trano io androany ny famonjena”. Efa eo anivontsika ny fanjakany, saingy tsy mbola lavorary na ny fahalalantsika azy na ny fandraisantsika azy. Tsy fitsoahana ny adidy miandry antsika amin’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro araka izany ny fiandrasana ny fahatongavan’ny hiverenany fa fiezahana hampifanaraka ny fiainana amin’ny fitiavana asehony sy apetrany eo am-pelantanantsika. Ny fitokisana amin’ny zavatry ny tany no hahafahantsika migoka ny hafenoan’ny hafaliana sy ny fahasambarana any amin’ny mandrakizay (Lk 16, 10).
Tsara ho marihina anefa fa ny dikan-teny hoe “nahazoana mina folo ny mina iray” dia tsy mifanaraka amin’ny lazain’i Lioka. ἡ μνᾶ σου προσειργάσατο δέκα μνᾶς. Ny minanao dia namokatra mina folo: προσεργάζομαι (prosergazomai) no ampiasain’ny evanjely eto, izany hoe mamokatra avy amin’ny tenany fa tsy nampamokarina (πραγματεύομαι, pragmateyomai). Ny fanomezana nomen’Andriamanitra antsika manko no mamokatra sy mampivelatra ny voatsinapy ho tonga hazo hialofan’ny voromanidina. Izy no mandavorary ao amintsika ny mikasa (faniriana) sy ny manao (fanatanterahana), hoy Md Paoly (Fil 2, 13).
Izay tsy vonona ny hizara ny fanomezana noraisiny dia tsy afaka ny hampamokatra ny mina. Mampatahotra ihany ny fiafaran’ity mpanompo ratsy (πονηρός poneros) ity.[2] Ny hevitra ananantsika momba an’Andriamanitra ihany no mibaiko antsika amin’ny fihetsika atao. Raha Andriamanitra Malala-tanana no tompointsika dia hamokatra ho an’ny hafa koa ny fanomezany. Raha Andriamanitra sarotiny sy toa tia tena no masaka ao an-tsaintsika dia ho kahihitra koa isika, satria matahotra ny hizara ny voninahitra sy ny hatsarana amin’ny hafa.
Izay heveriny ho fananany aza dia hesorina aminy, hoy Jesoa (Lk 8, 18). Ary ny fahavalo tsy mety hanjakany kosa dia nasainy nentina teo aminy ka hovonoina eo anatrehany. Teo amin’ny hazofijaliana no namonoany ny fahavalo farany, dia ny fahafatesana, hoy Md Paoly (1 Kor 15, 26), teo no nanapotehany ny soratanan’ny didy niampangana antsika (Kol 2, 14).
Hanampy antsika hampamokatra ny fanomezana napetraka eo am-pelantanantsika anie ny famakiana sy fandinihana ny Soratra Masina, fa indrindra ny fanekena an’i Jesoa hiantrano ao amintsika, satria avy ao, (tahaka ny tao an-tranon’i Zake) no andehanany mialoha hiakatra ho any Jerosalema. Izay nositraniny, izay nampahiratiny, dia antsoiny hanaraka Azy koa, ho any Jerosalema.
[1] Ny mina moa dia volafotsy 300 grama, hoy ny sasany 60 sikla (11,5grammes) hoy ny sasany, drakma (denie) 100 hoy ny sasany. Misy milaza fa mina zato ny talenta iray (6000 denie).
[2] Alaim-panahy haka fanahy an’Andriamanitra isika ka tsy hahatoky ny fitiavany, indrindra rehefa mitsòka ny rivotry ny ratsy (πονηρός, poneros, ratsy izay mampisaraka sy mampizara: Devoly, Satana) sy ny fakam-panahy (πειρασμός, peirasmos).