Alarobia faha-29 mandavan-taona
- Ankasa Efezy 3, 2-12/Izaia 12
- Tsy ankasa Romana 6, 12-18/Salamo 123
- Md Lioka 12, 39-48
Mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.
Efa nolazaintsika omaly anefa fa ireo mihaino ny fampianaran’i Kristy dia mahalala fa ny fahafatesany no nandravany ny herin’ny maizina sy andreseny ny fahavalo farany horeseny dia ny fahafatesana, ary izay miombona amin’izany fandresena izany amin’ny alalan’ny finoana dia efa manandrana sahady ankehitriny izao ny hasambaran’ny lanitra.
Araka izany, ny mpianatra dia mahalala tsara ny “ora” ka tsy hanaiky hotamihan’ny mpangalatra, tsy hanaiky hofitahin’ny hafa amin’ny mbola mety ho fiandrasana Mesia hafa. Efa feno ny fotoana ary hafenoan’ny fahasoavana no ankalazainy isan’andro ao amin’ny Eokaristia, na dia mbola tsy feno fatra aza ny fomba sy ny toe-po enti-mankalaza izany. Tsy fiandrasana mpangalatra handroba izay ananana araka izany ka hampahatahotra ny fiandrasana an’i Kristy, fa fiandrasana ilay “hampipetraka ka hampihinana ny mpanompony”. Ny fahatongavany no hahalavorary ny fiombonana tanteraka Aminy na dia tsy fantatsika aza hoe rahoviana.
Lazain’ny Evanjely anio ihany koa ny hevitry ny hoe “voatendry hifehy ny mpanompo”: hanome ny anjara vary (σιτομέτρον, sitos=blé) ara-potoana. Izay mahatoky (πιστός pistos) sy hendry (φρόνιμος phronimos, prudent- attentif à ses intérêts) no fidìna ho mpitandri-pananana (οἰκονόμος oikonomos). Ary marik’izany fitokisana sy fahendrena izany ny fanomezana ny olom-peheziny izay ilaina. Mampalahelo raha toa ka noho ny tsy hafazoan’izay fehezina ny ilainy no mampirongatra azy hitady izay any amin’ny lalan-diso. Raha ankoatry ny anjara vary ampy ivelomana kosa indray anefa non tadiavin’ny olom-pehezina ka mampaniasia azy, dia anjaran’ny tompon’andraikitra ny mamerina azy amin’ny lala-mahitsy (Lk 15). Mila mandinika mandrakariva izay nomena fahefana hifehy sao tsy mahazo ny anjara variny ara-potoana ireo izay nankinina aminy, sao ny “vilia sy vilany maloto” no hibedesana azy, kanefa na dia vary iray sotro aza tsy niditra ny vavany.
Tsy ho an’ny mpianatra ihany anefa izany teny izany fa ho an’ny olombelona rehetra. Antsoin’Izy Tompo isika hahatsiaro fa “mpitandrim-pananana” (économe) ihany, mpiandry omby volavita ka tsy tompony fa mpamerin-doha. Ny fahatsiarovana fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra ka nomeny mba ho entina hanasoavana ny zanany rehetra no manakana antsika hampiasa ny fahefana hamaizana na hikapohana. Lalam-pahasambarana ny fahaizana mitantana araka ny hevitr’Andriamanitra satria izany no hahatonga antsika ho zanaka mpandova, ho mpitantana ny fananany rehetra (eny fa na dia ilay zaza mpandany koa aza, aoriana kely lazain’i Lioka fa hahazo indray ny peratra, hahafahany mitantana ny fananan’ny rainy).
Tsy misy tokony hampialona amin’izay soa vitan’ny hafa. Ny tokony handinihan-tena dia sao sanatria ny fanomezana noraisina avy amin’Izy Tompo tsy haintsika ny hampamokatra azy araka ny sitrapony, ka mety hiheverantsika fa Tompo lasa lavitra Izy ka mbola ela vao hiverina.
Hampitombo finoana sy hafaliana antsika anie ny mahita ny soa ataon’ny hafa, ka sady hampisaotra an’Andriamanitra no hampitombo koa ny fandraisana anjara amin’ny fanitarana ny fanjakany, amin’izay kely na be vita, araka ny fanomezam-pahasoavany.