Alarobia faha-28 mandavan-taona
- Ankasa Galata 5, 18-25/Salamo 1
- Tsy ankasa Romana 2, 1-11/Salamo 61
- Md Lioka 11, 42-46
Loza ho anareo, mila loza ianareo… ireo ny dikan-tenintsika. Οὐαί (ouai) moa amin’ny grika dia maneho ny alahelo amin’ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy, ny alahelon’ilay nanao izay tratry ny aina saingy nolavin’ilay notiavina kosa. Na ny dikan-teny vaovao hoe “mila loza ianao” aza, dia tsy mahadika azy akory. Ny marimarina kokoa dia hoe, malahelo aho amin’ny manjò anao, vokatry ny safidinao, na “loza ho ahy noho ianao”, ary izany no noporofoin’i Jesoa maty teo ambony hazofijaliana noho ny fahotan’ny olona. Misy loza efatra lazain’i Jesoa fa mampalahelo satria fahavoazana ho an’ny farisiana.
Ny voalohany dia momba ny fanarahan-dalàna mikasika ny fandoavana ny am-pahafolon’izay vokarina mba hitsinjovana ny kamboty, ny mahantra sy ny Levita (Det 14, 22-23.28) ary mba hahatsiarovana fa avy amin’Andriamanitra mpamindra fo sy be fitiavana ny zava-drehetra (Det 26, 1-15). Mety hiseho ety ivelany ho mpanaraka izany lalàna izany ny “farisianina” saingy ao anatiny tsy misy fitiavana kely akory ho an’ny mahantra ary ny voninahitry ny tenany fa tsy ny an’Andriamanitra no imasoany. Tsy miraharaha izay rariny (κρίσις, krisis) sy ny fitiavana an’Andriamanitra, hoy ny Evanjely. Ho an’i Lioka moa dia ny famindram-po no fatran’ny fitiavana, (tsaroana fa ny asa fiantrana ἐλεημοσύνη eleêmosynê, dia avy amin’ny ἔλεος, eleos: famindram-po) ary ny famindram-po dia ny fitadiavana izay fomba tsara indrindra hanampiana ny hafa mba ho sambatra. Ny an’ny Farisiana dia izay hahasambatra azy no mahamay azy.
Ny loza faharoa dia ny fitiavan-tena mifanohitra amin’ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo. Ny toerana voalohany moa no hahafahana mitily sy manara-maso ny ataon’ny rehetra ao amin’ny sinagoga mba hahafahana mitsara azy sy hiheverana ny tena ho ambony kokoa noho ny hafa. Lazaiko matetika amin’ny ankizy hoe raha ao ambonin’ny hafa ianao ka tsy potsitra izy dia maivana noho izy ianao, raha potsitra kosa izy dia tsy mifaditra ovana ianao, izay maivana ihany no maniry hisidina ambony. Izany no mahatonga ny Evanjely hampianatra fa izay manompo no lehibe: ny Fitiavana dia mandefitra ny zavatra rehetra (πάντα ὑπομένει , Panta hypomenei): mivesatra ny zavatra rehetra, izany hoe manaiky ho ambanin’ny zavatra rehetra.), hoy Md Paoly (1 Kor 13, 7).
Ny loza fahatelo dia toy ny fasana tsy hita, hoy i Jesoa, ka itsahin’ny olona. Ny fanitsahana fasana manko dia mandoto, araka ny lalàn’i Moizy, kanefa ny fampianarana sy ny fomba fitondrana mivily amin’ny lalàn’Andriamanitra dia mety hananan’ny olona tsiny, ka hanakana azy ireo tsy hizotra ny lalàm-pahafahana sy fahasambarana atoron’Andriamanitra.
Ny loza faha-efatra dia ny fanararaotana ny fahefana ananana tsy hanaovan-tsoa fa hangejàna ny hafa mba hahafahana manameloka na manome tsiny azy. Izay tsy maivana ka tsy mora entina dia tsy mba jiogan’i Jesoa (Mt 11, 30). Tsy midika ho fiainana gaboraraka koa anefa izany fa kosa araka ny lazain’i Md Paoly hoe raha miezaka manao izay lazainy ny mpifehy dia hahita ny vesatry ny zavatra lazainy (Fil 3, 6) ka hahay hanampy ny hafa hitondra azy ireo ho amin’ny fahamasinana.
Ho haintsika anie ny hiala amin’izay mety ho farisianina ao amintsika ao, ka hahafahantsika mizotra amin’ny lalàn’ny fitiavana lavorary natoron’i Kristy.