Alarobia faha-26 mandavan-taona
- Ankasa Joba 9, 1-16/Salamo 87
- Tsy ankasa Nehemia 2, 1-8/Salamo 136
- Md Lioka 9, 57-62
“Hanaraka anao aho na aiza na aiza alehanao”. Izany no mampisy heviny ny fiainana, saingy tsy misorona i Jesoa milaza ny zavatra miandry izay te hanara-dia Azy.
Ny amboahaolo sy ny voro-manidina dia hazain’ny olona satria manimba ny fiompiana sy ny fambolena ka ny iray ambenana ny alina, ny iray amin’ny antoandro. Na ireny aza anefa dia mba manana lavaka sy akany mba hisitrihana sy hakàna aina lavitra ny mpihaza. Saingy ny zanak’olona, izay handany ny “ainy” mba hanaovana soa kosa, dia tsy manana izay hampandriany ny lohany, tsy hanana akory toerana hahafahana mba miala sasatra, hahazoana fiadanana, na andro na alina.
Tsy ny sitrapon’izay te hanaraka an’i Jesoa izany no atao. Fomban’ny Jody ny mifidy ny mpampianatra harahina. Ho an’i Jesoa kosa, Izy no mifidy, Izy no miantso mba hanaraka Azy, ary antsoiny mba hitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy Izy no manaraka antsika fa isika no manaraka Azy.
Tsy mpampianatra fotsiny manko i Jesoa fa ilay Tenin’ny Fiainana, tonga nofo, manaporofo amintsika ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny andavanandrom-piainana, ary Izy no tsy maintsy arahin’izay te ho tonga amin’ny hafenoan’ny hafaliana, ilay Tompo halaina tahaka raha te ho zanaka mpandova ny Fiainana mandrakizay. Izay te hanaraka azy dia tsy maintsy hianatra ny “fahantrana” iainany mba hahafahana mandova ny fiainana: sambatra ny mahatra fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Ho an’izay manapa-kevitra ho mpianany dia antsoin’i Jesoa amin’ny lalindalina kokoa. Tahaka ny zaza vao teraka, niala tao an-kibon’ny reny, niala tamin’izay mety nianteherana (lavaka, akany, ondana, fahafinaretana…) dia antsoiny mba hiala koa amin’ny ray, tsy hanatrika ny fandevenana akory, izany hoe antsoiny hiala amin’ny foto-pisainana sy ny fahazarana (fifandraisana, fombafomba, lova sns) mba ho teraka amin’ny fiainam-baovao, ho olona afaka hanatanteraka ny adidy miandry izay te ho mpianatra.
Na ny adidy amin’ny fandevenana aza, izay masina ho an’ny Jody na ho an’ny Malagasy, dia tsy afaka haka ny toerana voalohany. Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, hoy Izy (Mt 6, 33). Raha mbola misy laharam-pahamehana ataontsika eo alohan’ny fitoriana ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia efa tsy Jesoa intsony no arahintsika. (Dia hisy hanontany hoe ka misy manaraka Azy ve izany? Ny valiny dia tsotra: ezaka isan’andro ho anao io, ka na ho ela na ho haingana dia aza adinoina fa tsy ho eo intsony ireny zavatra heverintsika ho laharam-pahamehana ireny).
Izany no mahatonga ilay olona lazain’ny Evanjely fa nangataka hanalavitra (ἀπέρχομαι) an’i Jesoa mihitsy aza, mba hanao ny adidy amin’ny rainy. Dia hoterenao hiandry anao eo izany Jesoa sanatria? Satria raha te hanaraka Azy amin’izay alehany isika, raha vantany vao mijanona dia efa tsy hahita ny misy azy intsony, raha tsy hoe angaha miara-mijanona Aminy.
Ny olona fahatelo lazain’ny Evanjely dia sady manolo-tena ho mpianatra no mametraka ny fepetra hanarahany. Sahala amin’ny hoe ilay mpampianatra tsy maintsy hanaiky azy raha te hanana azy ho mpianatra. Ny loza dia indraindray feno fiantsaram-belatsihy ny fomba fangatahantsika. Fanerena an-kolaka mba hanaovana izay tiana atao, ka ilazana hoe “mba avelao aho” (ἐπιτρέπω epitrepo), omeo alalana aho mba…
Mety hoe hianatra an’i Elisea nanao veloma ny havany aloha vao nanaraka an’i Elia (1 Mpanjaka 19, 19ss), saingy mazava ny valin-tenin’i Jesoa: tsy misy hatak’andro ny firotsahana hiasa ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tsy hahafahana mitodika any ivoho (Jenezy 19, 26). Ny embona ny lasa na ny fampitahana amin’izay heverina ho tsara kokoa tamin’ny lasa, dia mazava loatra fa tahaka ny mpitana angadin’omby miherika, tsy afaka ny hanitsy ny asany amin’izay tokony ho izy, ka tsy ho sahaza (εὔθετος euthetos), tsy ho tsara toerana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Zavatra telo no takian’i Jesoa amin’ny Mpianany dia ny hanana fo tsy voafatopatotr’izay fananana mety hampiadana ka hampandriana ny loha; toy izany koa ny fahafoizana hatramin’ny lovan’ny raiamandreny aza, ka mazava loatra ny firaiketam-po amin’ny havana aman-tsakaiza; ary ny fahatelo dia ny fisitahana eny a na dia hatramin’ny tena sy izay lasany aza, na amin’ny tsara na amin’ny ratsy, ka hahafahana mibanjina ny eo aloha, dia i Kristy sy ny Evanjelin’ny Fanjakan’ny Lanitra. Izay mandà ny tenany, mandà ny maha-Izy azy ka hitondra ny hazofijaliany no afaka hanaraka Azy.