Alarobia faha-24 mandavan-taona
- Ankasa 1 Kôrintiana 12,31 – 13,13 /Salamo 32/
- Tsy ankasa 1 Timôte 3, 14-16/Salamo 110
- Md Lioka 7, 31-35
Rehefa avy nilazalaza ny momba an’i Joany Batista i Jesoa dia manohy ny teniny amin’ny Evanjely androany: hoharina amin’iza ity taranaka ity? Taranaka tsy manaiky ny zava-misy ka manaraka izay hironan’ny fony mba tsy handraisana ny fahasoavan’Andriamanitra ka hibebahana. Sady tsy manaiky hifaly miaraka amin’i Jesoa no tsy te hanao asa fivalozana miaraka amin’i Joany. I Joany moa lazaina fa azon’ny demony, i Jesoa kosa aratsiana ho tendan-kanina sy mpisotro toaka.
Ity taranaka ity! Taranaka mpikomy sy mafy hatoka, maditra sy mpiodina, taranaka manana fo mivadibadika sy fanahy tsy miraikitra amin’Andriamanitra (Det 32, 5.20; sal 78, 8). Ny zaza moa rehefa milalao dia mahafinaritra azy ny mianatra izay hitany ataon’ny lehibe. Ianarany ny tsoka sodin’ny mpanambady, ianarany ny tomanin’ny mpandevina, saingy ianarany koa ny filam-baniny hifampigafiana mba tsy hanarahana izay ataon’ny hafa.
Mampahatsiro ahy mandrakariva ny fiatsaram-belatsihy ataon’ny maro isaky ny Karemy io. Mifady hanina ho an’ny mahantra hoe mandritra ny efapolo andro, dia atolotra any am-piangonana mba hanomezana sakafo ny fadiranovana, saingy ny laniana ny alatsinain’ny Paka mioham-pampana miolotra amin’izay nofadiana efapolo andro. Mazava loatra fa tsy fanazaran-tena tsy hirobaroba no natao fa fanetseman-keloka hitiavan-tena sy hisehosehoana ho mahavita zavatra indraindray. Dia hoy ianareo hoe mandritra ny karemy miaraka amin’i Joany Batista moa ny lundi de Pâques miaraka amin’i Jesoa! Izany tokoa ve?
Ny zanany ihany no hahalala ny fahendrena, hoy i Jesoa. Ny Fahendrena moa dia tsy inona fa ny fandaharan’Andriamanitra mahatalanjona entiny hanavotana ny olona rehetra, nomanin’i Joany tamin’ny lalam-pibebahana ary notanterahin’i Jesoa amin’ilay divay vaovao hanasany ny olona rehetra amin’ny hafaliana ka nohamarinin’izay manaiky hateraka indray amin’ny fiainam-baovao. Izay manaraka ny fampianaran’i Joany manko dia mizotra mankany amin’ny hafaliana omanin’i Jesoa ho an’ireo mananiky ho zanaka handova ny Fanjakana.
Hitombo ao amintsika anie ny hafaliana vokatry ny fiombonam-piainana miaraka amin’i Kristy fa tsy ho sanatria ny hafaliana vokatry ny filerana sy ny hamamoana. Ho an’i Jesoa manko ny hafaliana no anton’ny fety ka hanaovana fanasana fa tsy ny hanina no mahafaly.