Alarobia faha-22 mandavan-taona
- Ankasa: 1 Kôrintianina 3,1-9 /Salamo 32/
- Tsy ankasa: Kôlôsianina 1,1-8/Salamo 51
- Md Lioka 4,38-44
Ny tapany voalohany amin’ny Evanjely dia mitantara ny fanasitranana ny rafozam-bavin’i Simôna. Avy nanasitrana ny azon’ny demony maloto tao amin’ny Trano fiangonana i Jesoa, mba hahatonga ny Fiangonana ho trano hiarahan’ny mpino midera ny voninahitr’Andriamanitra nahary azy ireo hitovy endrika aminy dia mihazo ny trano fonenana kosa indray. Any am-piangonana dia mety ho fiderana an-tendro-molotra fotsiny ihany raha sanatria tsy manaitra antsika intsony ka hanova ny fiainantsika ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra. Ao an-trano kosa indray, ny tazo mahery no mety hanakana, hangeja (συνέχω – synechô) tsy hahafahana manompo. Izay miaraka amin’i Jesoa no mitalaho, mivavaka mba ho an’izay tsy afaka akory niangona, tsy afa-manatona Azy mba hositraniny.
Niondrika teo amin’ny marary i Jesoa ka nandidy (ἐπιτιμάω – epitimaô) ny tazo, tahaka ny nandidiany ny demony (and. 35), hilazana ny herin’ny Tenin’Andriamanitra, ilay Teny nahariana izao tontolo izao, manan-kery hamerina amin’ny laoniny indray ny zavaboary nosimbain’ny ratsy; ho an’i Marka (Mk 1,31) sy Matio (Mt 8,15) dia nandray (na nikasika) ny tanany i Jesoa mba hampitsangana ny marary ka nandaozan’ny tazo azy. Ho an’i Lioka, ny tazo no niala ary nitsangana niaraka tamin’izay ravehivavy ka nanompo. I Jesoa niondrika (ἐφίστημι – ephistèmi), ilay marary kosa “nitsangan-ko velona” (ἀνίστημι – anistèmi, ἐγείρω – egeirô ao amin’i Matio sy Marka), ary ny famantarana izany dia ny fanompoana (διάκονος – diakonos), hanehoan’ny olona ny fitovizany endrika amin’Andriamanitra (Lk 22,27), ny fahazotoan-kanompo izay mariky ny fitsanganan-ko velona.
Ny marary rehetra nentina teo amin’i Jesoa “nony maty ny masoandro” no nametrahany tanana ka nositraniny, izany hoe “nokarakarainy” am-panajana (θεραπεύω – therapeuô). Ny fiombonana Aminy ilay “nitondra ny rofintsika” (Mt 8,17/ Iz 53,4) no zary hery ho an’ireo marary. Ny demony koa nivoaka avy tamin’ny olona maro ka norahonany tsy hiteny satria nahalala Azy. Tsy ny marary fa ny demony no treromin’i Jesoa. Mampalahelo rehefa ny olona efa aondriky ny fahamenarany amin’ny ratsy vitany no mbola ambaniana amin’ny teny tsy voahevitra. Tsy ny fisehoana tsikelikely (secret messianique) toy ny an’i Marka no heverina fa nilazan’i Lioka ny tsy namelana ny demony hiteny fa mba hanokanany ny fiekem-pinoana ho an’izay tarihin’ny Fanahy, matoky fa ao ankoatry ny herin’ny olona (masoandro maty) dia eo ilay “masoandro miposaka avy any ambony, mitarika amin’ny lalam-piadanana” (Lk 1,78), hany ka tonga mpianatra marina, “tsy ho tia am-bava sy amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa” (1Jo 3,18).
Raha vao maraina ny andro dia laza nankany amin’ny toerana mangingina anankiray i Jesoa, tany an-taniefitra, mangingina (ἔρημος – erèmos mitokana) mba hivavaka, hoy i Md Marka (Mk 1,35), ary vahoaka maro no nandeha nikaroka Azy ka nitady hihazona Azy tsy hisaraka aminy intsony. Ny tany Nazareta dia tafintohina Taminy satria tsy mba nisitraka ny fahasoavana nozarainy tany Kafarnaôma, ny mponin’i Kafarnaôma koa te hitana ny fahasoavana ho azy ireo irery. Tsy ny hamaly ny fitiavan-tenan’ny olona anefa no “nivoahan’i Jesoa” avy any an-tranon’ny Rainy, fa ny hitory “Teny soa mahafaly” (εὐαγγελίζω – euangelizô) satria izany no nanirahana (ἀποστέλλω – apostellô) Azy. Tsaroantsika fa ny Mpaminany dia tsy mandeha amin’ny nahim-pony fa amin’izay anirahana azy, tahaka an’i Elia sy Elisea.
Ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra moa dia tsy azo afangaro amin’ny fanjakan’olombelona izay nirian’ny Zanak’i Israely saingy nambaran’i Samoela mazava tsara ny haratsiany (1Sam 8). Io Fanjakan’Andriamanitra io no angatahantsika mba ho tonga (Lk 11,2), dia ilay Fanjakana efa nosantarin’i Jesoa ka tiany ho tanteraka, tsy ao Nazareta tanàna nahabe Azy ihany, tsy any Galilea nanombohany ny fitoriana ihany, fa itozoan’ny mpianany hatrany am-paravazantany (Asa 1,8).
“Nirahina ny Eglizy hanohy sy hanitatra hatrany hatrany ny raharaha nanirahana an’i Kristy, izay nirahina hanambara amin’ny mahantra ny Evanjely” (Ad Gentes 5), ary izay fitoriana ny Vaovao mahafaly izany no voalohany indrindra nanorenana ny Fiangonana, izay ateraky ny Tenin’Andriamanitra (1P 1,23) ary velomin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny Eokaristia (AG 6). Ho mpandray anjara amin’izany fitoriana ny Evanjely izany anie isika.