Alarobia faha-20 mandavan-taona
- Ankasa Ezekiela 34, 1-11/Salamo 22, 1-6
- Tsy ankasa Mpitsara 9, 6-15/Salamo 20
- Md Matio 20, 1-16a
“Inona ny valisoa ho azonay nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka anao?” Izany no fanontanian’i Md Piera manoloana ny tsy fahafoizan’ilay zatovo ny harem-beny ka nandehanany amin’alahelo. Izay mahafoy dia mety hihevitra hahazo mihoatra noho ny an’ny hafa ve?
“Hahazo ny denie iray nifanarahana ianao”, hoy ny valin-tenin’i Jesoa. Denie iray izay ampy hahasambatra anao sy ny ankohonanao. Ny mahagaga anefa dia ny nanomezan’ilay tompom-boaloboka karama mitovy amin’ny niasa mandritra ny andro ho an’ireo izay niasa adiny iray monja, sady amin’izay indray izy ireo no nahazo ny karamany voalohany. Amin’ny faran’ny toko faha-19 dia lazain’i Jesoa fa ireo nahafoy ny zavatra rehetra dia hiaraka hanjaka amin’i Jesoa. Ireo izany no ho mpitantana ny fananany (ἐπίτροπος epitropos), hizara ny karama amin’ny mpiasa rehetra. Ny hanome ny karama araka ny “rariny sy ny hitsiny”, araka ny hatsaram-pon’ny tompony no anirahana azy ireo.
Azontsika tsoahina amin’izany fa tsy mpila tombony ilay tompon’ny saha fa mampiasa ny fananany hanasoavana ny olon-drehetra. Izany no anehoan’Andriamanitra ny hatsarampony. Fitaovana entiny miantso ny olon-drehetra ho amin’ny fahasambarana ihany ny fiantsoana ataony hiasa ao amin’ny tanim-boaloboka. Fa rariny tokoa ve raha ireo reraka niasa nandritra ny andro indray no omena karama farany, ary amin’izay mitovy amin’ny an’ireo izay niasa adim-pamantaran’andro iray monja.
Ho an’Andriamanitra dia “rariny” (δίκαιος dikaios) izany, satria izy ireo dia niharitra ny masoandro niasa, saingy niasa nombam-panantenana kosa, handray ny denie iray rahariva, izay no nifanarahana. Ireo nidonanam-poana (ἀργός argos) hatramin’ny ora farany kosa, niaina ny fitaintainana nandritra ny andro, tsy noho ny hakamoana sanatria fa noho izy tsy nisy nanakarama no nahatonga izany ary tsy mbola hainy akory aza izay ho azony, niasa kely adiny iray. Izay efa niaina ny tsy fananana asa ivelomana dia mahalala ny fahoriana aterak’izany fotoana hiandrasana hahazoana karama kely izany. Raha ny fahasambaran’ny olona marina tokoa araka izany no katsahina dia rariny raha izy ireo no ampifaliana voalohany, satria ireo efa niditra vao maraina dia efa niaina ny fanantenana hahazo karama nandritra ny andro, ary marina ny lazain’i Antoine de Saint-Exupéry hoe ny fiandrasana ny hasambarana antenaina dia efa fanombohan’ny hasambarana sahady. Ambaran’i Jesoa amintsika araka izany fa tokony hisy am-baratonga ny fitsinjovantsika ny olona, sao sanatria ny tsy mila vonjy akory no andaniana ny androatokom-piainana.
Sarotra anefa ny mahazo ka maka tahaka izany fampianaran’i Jesoa izany. Ny fomba fiainany miara-misakafo sy mandany andro miaraka amin’ny mpanota sy ny poblikana dia nanahirana ny olona (Mt 9, 11). I Jesoa misakafo miaraka amin’ny mpanota saingy sarotra ny hahazo fa hozaraina ho an’ny mpanota ny komonio, mba hankalazana izany fiarahana misakafo aminy izany, ka mihevi-tena ho mpanota ve ireo mpandray komonio sa mihevitra ny tenany ho tsara kokoa noho ny hafa? Mahamenatra fa feno fiantsaram-belatsihy ny fiainantsika, eny fa na dia any am-piangonana aza. Ny mpanota indrindra, hoy i Papa François, no mila mankany am-piangonana satria mila an’Andriamanitra sy ny famindram-pony mbamin’ny fahasoavany zarainy ao amin’ny sakramenta.
Izay “tompon-trano” (οἰκοδεσπότης ao amin’ny fiandohan’ny Evanjely) izay “tompon’ny tanimboaloboka” ihany koa (ὁ κύριος τοῦ ἀμπελῶνος) dia toa tsy nandraharaha izay nataon’ny mpiasa tany an-tsaha fa ny hivoaka hizaha ny mpiasa mbola midonanam-poana no nataony, hatramin’ny ora farany. Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana no tanim-boaloboka hiantsoany antsika isan’andro isan’ora, ka anomezany antsika ny fahasambarana, mampisy heviny ny fianantsika, tsy noho ny asa vitantsika fa noho ny indrafony tsy hita lany. Tsy sanatria hampanararaotra antsika akory izany, tsy azo adinoina ilay zatovo mpanan-karena, nahare ny antson’i Jesoa hahafoy ho an’ny mahantra, kanefa naleony nionona amin’izay fananana kely nolovainy (noheveriny ho betsaka) ka nandeha amin’alahelo. Tsy afaka ny ho faly ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra na izay tsy mahafoy ny ananany mba hanasoavana ny hafa, na izay “ratsy maso” satria mampiadana ny hafa mitovy aminy “nisasatra nandritra ny andro” Andriamanitra. Izay tsy tia ny hiadanan’ny olombelona rehetra dia tsy ho afaka ny higoka ny fahasambaran’ny lanitra.
Mampandinika antsika izany satria tsy tamin’ny andron’i Md Matio, antony nanoratany ny Evanjely ihany, no misy kristianina mihevitra ho tompon-daka satria mpikatroka talohan’ny hafa. Ny toko 20, 17ss moa, aorian’ny filazan’i Jesoa fanintelony ny hijaliany rehefa tonga any Jerosalema (toko 21 izay tsy vakiana mihitsy amin’ny mandavan-taona), dia mampahatsiaro an’izay te hanjaka miaraka amin’i Jesoa fa ny Ray no mandahatra ny toerana voalohany fa lalana mankamin’izany kosa ny fiarahana misotro ny kalisy Aminy (azo vakiana ny Jeremia 25, 15; 49, 12; 51, 7 sy ny Fitomaniana 4, 21 momba ny kalisy) sy ny fanekena ho mpanompon’ny rehetra raha te ho lehibe noho ny hafa.
Ilay zatovo mpanan-karena dia tsy vonona hizara an’izay eo an-tanany, tsy afaka ny hitovy saranga amin’ny mahantra nasain’i Jesoa hizarana ny fananany ary alahelo no setrin’ny tsy fanekeny. Raha tiantsika ny hiditra amin’ny fiainana ka higoka ny hafalian’Andriamanitra dia mila maka tahaka ilay hany “Tsara” maniry ny hahasambatra ny olombelona rehetra isika. Izay tonga farahidiny satria lany nozaraina tamin’ny mahantra ny fananany no lehibe indrindra ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra.
Izay mihevitra ny karama raisiny avy amin’Andriamanitra ho tombontsoany manokana dia tsy afaka ny ho sambatra ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra. Karama mitovy no omen’Andriamanitra natsika satria fahasambarana mitovy no iriny ho an’ny zanany rehetra, ka izay antsoiny ho mpitandrim-pananana dia irahiny hizara ny hareny mba hahasambatra ny zanak’Andriamanitras rehetra. Izay mihevitra ny hanao am-pihimamba na ny mihevitra ny hahazo karama ambony noho ny nifanarahana dia hangahihay ihany.
Izay mahatsapa fa fahasoavana maimaim-poana no mahavoavonjy azy, hoy i Md Paoly dia halemy fanahy, hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra azy (Efezy 4, 32). Ka raha sanatria tara ny firotsahan’ny sasany teny amin’ny tanim-boaloboka ka tsy nahavita araka izay noheverintsika dia ho haintsika anie ny hanome ny tsirairay ny karama mahasambatra sy hiadanan’ny hafa, araka ny fanomezam-pahasoavana sitrak’Izy Ray hotantanantsika.