Alarobia faha-19 mandavan-taona
- Ankasa: Ezekiela 9,1-22/Salamo 112
- Tsy ankasa: Deoterônômy 34,1-12 /Salamo 65
- Md Matio 18,15-20
Raha diso taminao ny rahalahinao dia manatòna azy, ka rehefa mitokana ianareo dia asehoy azy ny hadisoany. Ny tanjona dia mba hahazoana ny rahalahy, ny hahasambatra azy, ny hahalalany fa ny fahadisoany dia tsy mahasambatra azy. Ny fahotana manko dia izay manao azy no andevoziny voalohany, potehiny tsy ho zanak’Andriamanitra intsony, ka tsy ho afaka ny handova ny Fanjakan’ny Lanitra.
Am-pitiavana mandrakariva no hitenenana ny marina, hoy i Md Paoly (Ef 4,15). Ny Jody dia ampirisihin’ny Deoterônômy tsy hitahiry alahelo amin’ny rahalahy ary hampiseho miharihary ny fahadisoany mba tsy hahazoana heloka ho an’ny tena (Dt 19,17-18). Mampalahelo rehefa ny fitia te hisehoseho na ny fanamparam-pahefana fa tsy ny fitiavana no manentana ny fo “hananatra”, dia hadino ny hafatr’i Jesoa hoe: μεταξὺ σοῦ καὶ αὐτοῦ μόνου – metaksu sou kai autou monou (Mt 18,15), μόνος (monos), izany hoe mitokana, tsy eny imasom-bahoaka fa any amin’ny tsy misy mpahita, tsy misy mpamonjy, aminao sy izy irery no hanaovana izany.
Iza tokoa moa ny olona nahavita ratsy taminao ka hanaiky hitokana hiaraka aminao any amin’ny mangingina? Raha tsy matoky anao izy dia mazava loatra fa ahiahy no hameno ny fony ka tsy ho azonao hotaomina any amin’ny mangingina izany izy, sao hovalianao faty any. Mba hahafahana mananatra ny rahalahy araka ny tenin’i Jesoa araka izany dia tsy maintsy aloha izay hahazoana ny fony, hahatokisany anao. Mety tsy hihaino anao anefa izy, ka amin’izay no hiezahanao haka vavolombelona, hahatsapany fa tsy mendrika ny maha zanaka ny fiainany. Raha tsy mihaino an’ireo izy, izany hoe mbola manohy manao ny ratsy fanaony ihany dia eo anatrehan’ny Fiangonana no hilazana ny hadisoany, tsy hanilihana azy sanatria fa hanampiana azy mba hibebaka ka hiaina ny maha zanaka, tsy andevozin’ny fahotana. Raha tsy mihaino ny Fiangonana izy dia atao tahaka ny Jentily (ἐθνικός – ethnikos, vahiny) sy ny Poblikana (τελώνης telônès, mpamory hetra).
Atao ahoana moa ny Jentily sy ny Poblikana? Ireo no niarahan’i Jesoa nisakafo. Izany no nahagaga ny Farisianina ka nahatonga azy ireo vaky vava tamin’ny mpianatra hoe nahoana ny Mpampianatr’izy ireo no miara-mihinana amin’ny Poblikana sy ny olona ratsy fitondran-tena (Mt 9,11). Ny fitiavana no fanafody hahafahana manasitrana ny ratram-pahotana ka mila tiavina bebe kokoa izay tsy afa-mitia ka andevozin’ny fahotana. Velona ny Tompo ka mianiana fa tsy ny fahafatesan’ny olon-dratsy no sitrany fa ny hibebahany hiala amin’ny toe-dratsiny ka hahavelona azy (Ez 33,11).
Ny fahefana nomen’i Jesoa ny Apôstôly hamehy sy hamaha dia tsy maintsy hiainana araka izany fitiavana izany, ka ny hahavonjy ny rahalahy no tanjona, eny fa na dia hamelàna ny 99 any an-tendrombohitra aza, eny fa na dia hamoizana ny aina aza. Isika koa, fa tsy i Piera ihany, dia antsoina mba hamehy sy hamaha, hitady ny fomba rehetra hanahafana ny Ray izay tia ny hahavonjy ny olona rehetra. Aza mitsara dia tsy hotsaraina ianareo satria ny famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo (Mt 7,1-2). Izay te ho voavonjy dia tsy maintsy hampiasa ny famaran’ny fitiavana sy ny famindram-pon’ilay Ray. Famindram-po tsy misy fetra. Raha sanatria àry, tsy manaiky ny ἐκκλησία (ekklèsia – Eglizy) ilay nanota dia mbola voaantso ihany koa ny vavolombelona hifanaraka amin’ny fanapahan-kevitra tokony horaisina (Dt 19,15). Ary zava-dehibe indrindra amin’izany ny fiaraha-mivavaka ho azy eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy dia hoe zavatra na inona na inona moa no lazain’ny Evanjely fa πρᾶγμα (pragma), io no ampiasain’i Md Paoly hilazana ny ady misy eo amin’ny Fiangonana ka indraindray hangatahana mpitsara tsy mpino fa tsy avela hotsarain’ny olo-masina (1Kôr 6,1).
Na aiza na aiza misy Fiangonana mivavaka, izany hoe mitady ny fomba hanampiana ny rahalahy mba hibebaka ka ho voavonjy dia hohenoim-bavaka izy. Tsy sanatria ny fomba hanilihana ka hitanisana ny lalàna no handaniana ny fotoam-pivavahana. Ny zavatra kendren’ny lalànan’ny Fiangonana aza dia azo fintinina amin’ny fehezan-teny tokana: ny famonjena ny fanahy (Canon farany 1752).
Hifanaiky (συμφωνέω – sumphôneô) anie isika hitady ny hahasoa sy ny hahavonjy ny olona rehetra, mino fa eo afovoantsika mivory amin’ny anarany i Kristy, hankahery antsika ho tonga taratry ny fitiavany.