Alarobia faha-18 mandavantaona
- Ankasa Jeremia 31, 1-7/Jeremia 31, 10-13
- Tsy ankasa Fanisana 13, 1-26; 14, 1-35 /Salamo 105
- Md Matio 15, 21-28
Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao. Tsy misy soa tanteraka raha tsy sitrapon’Andriamanitra. Raha maniry hahazo ny soa avy Aminy isika araka izany dia tsy maintsy hampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny azy. Ampianarin’i Jesoa rahateo isika hivavaka mba ho tanteraka ny sitrapon’ny Ray. Ampianariny isika hangataka ny “mofon-jaza” mba hanafaka antsika amin’ny fampijalian’ny demony ka hahavelona antsika ao amin’ny hafenoan’ny hafaliana sy ny fiainana mendrika ny maha-zanaka.
Niala teo Genesareta toerana nilazany tamin’ny mpianany mba hamela ny Farisiana sy Mpanora-dalàna jamba mitarika jamba, ary nizotra nihazo ny faritr’i Tira sy Sidôna, ary avy eo no nanantonan’ilay vehivavy siro-fenisianina azy mba hanasitrana ny zanany. Araka ny fitantaran’i Matio dia tsy nivoaka ny faritanin’Israely, mbola eny an-dalana miaraka amin’ny mpianany i Jesoa fa ilay vehivavy no nanatona azy. Ho an’i Marka kosa (Mk 7, 24-30) dia efa tao an-trano iray Izy no nantonin’ity renin’ny zaza ampijalian’ny demony ity. Na ny valin-teny nolazain’i Jesoa koa aza, samihafa: ho an’i Marka dia “avela ho voky aloha ny zaza”, izany hoe azo omena ihany ny “ambohakely” ny sisany. Ho an’i Matio kosa dia “tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny ambohakely”.
Tsy azo adinoina fa entin’i Md Marka sy Matio mampiditra ny fizarana ny Mofo ho an’ny hafa firenena ity Evanjely ity, ka manana ny lanjany manokana araka izany ho antsika tsy Jody, mandray anjara amin’ny “Mofon-jaza”. Raha ny valin-teny hita ao amin’i Matio dia sahala amin’ny hoe tsy afaka ny handray anjara amin’ny mofon-jaza ny alika (hafa firenena), ary toa manamafy izany ny fandraran’i Jesoa ny 12 lahy tsy handeha na dia amin’ny tanin’ny samaritana aza (Mt 10, 5-6). Tsy fanakanana anefa izany raha dinihana fa fampianarana mba hanaja ny ambaratongam-pivoarana na ho an’ny mpitory na ho an’izay maniry handray anjara amin’ny fanasana. Izay mino ka mandray anjara amin’ny fitsanganan’i Kristy ho velona no afaka hirahina eran’izao tontolo izao (Mt 28, 19-20); ary i Jesoa ihany no nilaza fa “maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-hihinana amin’ny fihinanam-be miaraka amin’i Abrahama sy Isahaka ary i Jakôba any amin’ny fanjakan’ny lanitra” (Mt 8, 11-12). Andeha àry hozahantsika ny fizotry ny fitantaran’i Matio.
Ἐλέησόν με, κύριε, υἱὲ Δαυίδ (Mt 15,22 BYZ). Io ny “Kyrie eleison” ataontsika amin’ny vavaka fifonana. Ny zanany ampijalian’ny Demony mafy loatra no angatahin’ilay vehivavy famindram-po amin’ilay Tompo, zanak’i Davida. Sady fiekena ny finoana ny maha-Tompo an’i Jesoa izany no finoana ihany koa ny maha-fahatanterahan’ny fampanantenana nataon’Andriamanitra ilay be indrafo (ἔλεος eleos) tamin’i Davida, ilay nanome “mofomamy iray sy rasan-kena iray ary ampempam-boaloboka irary avy ny vahoaka manontolo” (2 Samoela 6, 19). Eto kosa dia tsara ny mandray ny fampianarana aroson’ny Evanjely amin’ny fifandraisan’ny “mofon-jaza” sy ny “fampijalian’ny Demony”.
Tsy namaly i Jesoa na dia indraim-bava aza. Amin’ny vavaka ataontsika, fahanginana no asetrin’Andriamanitra. Fahanginana mba hahafahantsika mihaino Azy bebe kokoa, hahalala Azy bebe kokoa, ary hino ka hanaiky fa tsy misy afa-tsy Izy no afaka hanome antsika ny famonjena. Eo ny mpianatra, tsy noho ny fitiavana hamonjy loatra fa leon’ny kiakiakan-dravehivavy. Na ny teny ampiasain’i Matio aza dia hahafahana mahazo ny fitiavan-tena mbola ilàna fahamatorana ao amin’ny mpianatra. Ilay vehivavy, hoy i Matio niantsoantso mafy (κραυγάζω kraugazo), niantso vonjy, fa lazain’ny mpianatra fa nikiakiaka (κράζω krazo), sahala amin’ny goaika, na sahala amin’ny olona miantso tody, mikafara.
Marina fa tsy tonga afa-tsy ho an’ny ondry very teo amin’Israely i Jesoa. Olona vitsy monja no afaka nihaino mivantana ny fampianarany sy nifanerasera taminy tamin’ity fiainana ity. Saingy fantatr’i Matio tsara ary ambarany amin’ny Kristianina nanoratany (Kristianina Jody) fa ho avy ny andro hahatanterahan’ny faminanian’i Zakaria hoe: hohazonin’ny olo-mahery folo avy amin’ny hafa firenena ny rambon’akanjon’Israely hidogiany mba hanaraka azy satria izy no nahalala ny tena Andriamanitra mahavonjy (Zakaria 8, 23).
Oharin’ny Evanjely anio amin’ny “amboakely” (κυνάριον kynarion) mitady handrombaka ny mofon-jaza ny olona avy amin’ny firenena hafa ivelan’Israely. Ilay vehivavy kananeanina niantsoantso an’i Jesoa ho “Mesia zanak’i Davida” dia manambara ny finoany amin’ny maha-Andriamanitra sy maha-olombelona an’i Jesoa, ilay nandrasan’Israely fa antsoin’ity vehivavy misolo tena antsika ity kosa ankehitriny satria, nanetry tena izy (Kananeana, avy amin’ny כָּנַע kana`, mietry tena), ary nino fa tsy misy anaran-kafa hahazoana famonjena afa-tsy ny anaran’i Jesoa irery ihany (Asa 4, 12). Izany no nirosany ka nilazany hoe “Κύριε, βοήθει μοι (BYZ), “Tompo ô, avia ampio aho”. Izay finoana izay no nahafahan’izy sy ny zanany nihinana na dia ny sombintsombiny ihany latsaka avy amin’ny latabatra aza amin’ilay mofo nomena ny zaza.
Tsy lavitra ny Apôstôly isika rehefa mahita olona entanim-pinoana mitalaho ny anjara mofo mahasambatra azy: “roahy izy fa mikiakiaka manaraka antsika”. Ambaran’i Matio amin’ny fanomboan’ny Evanjely anio (and. 21), araka ny efa nampahatsiahivina teny am-piandohana fa niala avy teo amin’ny toerana niresahany tamin’ireo manompo an’Andriamanitra an-tendro-molotra fotsiny i Jesoa ka nihazo an’i Tira sy Sidona, hoentina hilazana ny fiampitan’ny famonjena avy amin’ny Jody ho amin’ny Jentily (Asa 13, 46ss). Raha tsy mitandrina koa isika, mihevitra antsika ho Israely vaovao, ka mihevitra fa fananana azontsika bodoina ny mofon-jaza, dia hanalavitra tsikelikely an’Andriamanitra sy ny fitiavany ny fontsika ka tsy ho tonga taratry ny fahamarinany sy vavolombelon’ny halebeazany amin’ny maha-Fitiavana Azy na oviana na oviana isika.
Ny Eokaristia no ilay mofo afaka hanala antsika amin’ny fatorana sy ny fampijalian’ny Demony. Io no ilay mofo nankalazan’i Jesoa (nisaorany) ny Rainy sy nomeny hozarain’ny Mpianany, ary fantatr’izay mino fa manana amby ampy afaka hameno ny sobikan’ny mpianatra 12 mandrakariva (Mt 14, 20). Tsy misy mpianatra afaka hilaza fa tsy hanana mofo hozaraina, araka izany. Amin’ny fizarana azy amin’ny sakramenta sy amin’ny fiainana no hahafahantsika misantatra sahady ilay Fanasan’ny zanak’Ondry any amin’ny Fanjakan’ny Lanitra ihany koa (Apok 19, 9.17)
Isika rehetra no voaasa amin’izany Fanasan’ny Zanak’ondry izany: Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo… Samia misotro amin’ity ianareo. Saingy tsy isika rehetra no madio (Jn 13, 10)… Tsy misy mendrika handray an’i Kristy, saingy nomeny antsika kosa ny Fanahiny handio antsika amin’ny fahotana, “tsy mendrika isika fa kosa mila azy” (Curé d’Ars). Raha tsy izaho tsy mahefa na inona na inona ianareo, hoy Izy (Jn 15, 5). Fahasambarana ho antsika izany, satria io ilay Zanak’ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao, io no “mampisaraka antsika amin’ny fahotana” (KFK 1393). Asain’i Jesoa hangataka io mofo io isan’andro isika (Mt 6, 11).
Izay manam-pinoana no afaka hahazo ny mofo mahasitrana ny zanany amin’ny fanagejan’ny demony. Izay manam-pinoana no afaka haniry ny hahazo ny mofon-jaza ka hanao tsinontsinona ny tenany (hanaiky ho alikaina, tahaka ilay vehivavy kananeana) mba ho famonjena ny zanany. Izay tsy mbola vonona ny handà ny tenany ka hanolotra azy ho sorona hamonjena ny hafa, tahaka an’i Kristy raisiny ao amin’ny Komonio Masina, dia tsy mbola manana finoana lehibe, hahafahany migoka ny fahasambaran’ny olom-boavonjy. Tsy ho sanatria isika no sakana tsy hahafahan’Izy Ray mizara ny “Mofon’ny Fiainana” amin’ny zanany rehetra noho ny hakelezan’ny finoantsika (Mt 8, 26: 14, 31).