Alarobia faha 17 mandavan-taona
- Ankasa: Jeremia 15,10-21/Salamo 58
- Tsy ankasa: Eksaody 34,29-35 /Salamo 98
- Md Matio 13,44-46
Raha jerentsika ary ireo fanoharana roa lazain’ny Evanjely anio dia manampy antsika hiverina handray ny Teny ka hanesotra ny tsilo, izany hoe “ny fiahiana ny fiainana sy ny fitaky ny harena” izay mety hanakana ny Teny tsy hamokatra ao amin’ny tany namafazana azy.
Noho ny hafaliana fa nahita rakitra niafina tao amin’ny sahan’ny hafa, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ranamana mba hahazoana ilay saha. Ny rakitra nafenina tany an-tsaha moa, dia ny harena izay natahoran’ny tompony ho lasan’ny mpandroba mandritra ny ady, ka aleviny any ivelan’ny trano. Ary raha toa ka mbola velon’aina aorian’ny ady dia hiverenany alaina; raha sanatria moa ka maty mandritra ny ady dia milevina ao io harena io. Ka kisendrasendra no ahitan’izay miasa ny saha azy. Midika koa izany fa maimaim-poana no hanehoan’Andriamanitra amintsika ny haren’ny Fanjakany. Izay manaiky hiasa ihany anefa no hahita ilay rakitra nafenina.
Ilay nahita ilay harena araka ny fitantarana dia olona niasa ny tanin’ny hafa. Olona mpikarama araka izany na mpanofa tany. Mety tsy fantatry ny tompon’ny tany akory anefa ny fisian’io harena miafina io, ka moa ve tsy azon’ilay mpiasa nentina mody amin’izao ilay harena dia vita? Nahoana izy no tsy maintsy hividy ilay saha? Ny antony voalohany dia hoe tsy azo angalarina io “harena” io, ankoatra ny hafaliana amin’ny fahitana azy dia tsy maintsy manapa-kevitra hahazo azy an-drariny ilay nahita azy. Izany no lazain’i Md Paoly amin’ny fahafoizana ny zavatra rehetra mba hahazoana an’i Kristy sy ny fahendreny (Fil 3,7-12).
Mety ho antony terena hifanaraka amin’ny fahamarinana heverintsika ihany anefa izany fa ny antony izay heverina fa mitombona kokoa, ka hahafoizana hivarotra ny fananany rehetra mba hividianana ny saha, dia satria mihevitra izy fa tsy voatery ho io rakitra tokana io ihany no ao, harena miafina iray no hitany, fa mbola mety misy maro hafa ao, ka mba hahazoana azy rehetra dia ny saha manontolo no tsy maintsy hovidiana, mba ho azy manontolo izay harena rehetra ao. Izay mahalala ny hasarobidin’ny haren’ny Fanjakan’ny Lanitra dia tsy hianina amin’ny sombitsonbiny fa hikatsaka ny hafenoany.
Indraindray anefa tsy hitantsika kisendrasendra mandritra ny fiasana ny tany ny harena fa tsy maintsy karohana, tahaka ny fikarohan’ny mpandranto voahangy, ka rehefa mahita iray lafo vidy dia tsy maintsy hivarotra ny voahangy hafa rehetra voaangona hatrizay mba hividianana ilay tokana sy tsara indrindra. Tsy ho feno fatra ny hafaliantsika raha tsy hahazo izay harena nirin’ny fo. Na dia sodokan’ny ankosoka aza indraindray, babon’ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano, dia tsy afaka ny ho tony ny fon’ny olona raha tsy mahita io voahangy sarobidy io, voahangy tokana hahafoizana ny voahangy hafa rehetra fa tsy sanatria ny ampahany fotsiny ka mbola hampizarazara ny fo tsy hampamokatra ny Teny.
Izany no fahafoizana ny tsara mba hahazoana ny tsara indrindra.
Tsy afaka ny ho fenon’ny zava-mandalo ny fo izay mikatsaka ny mandrakizay, hoy i Md Augustin. Noho izany, izay mahita ny hatsaran’ilay manana ny Tenin’ny Fiainana mandrakizay dia tsy afaka ny ho faly intsony amin’ny zava-mandalo eto an-tany. Hafaliana ho azy ny fivarotana ny fananany rehetra mba hahafahany mitahiry ny mandrakizay.
Tsara ho marihina fa amin’ny dikanteny grika, ilay nahita ny rakitra tany an-tsaha dia “mivarotra” ny fananany rehetra (présent), entina ilazana ny zavatra mitranga amin’ny fotoana itantarana. Entin’ny Evanjely milaza izany fa antsoiny hivarotra ny fananantsika “anio”, tsy misy hatak’andro, isika satria ny hafaliana mambabo ny fo no hanapahan-kevitra (de-cidere) hanesorana (re-cidere) ao amin’ny fiainana izay mbola harena mety hamingotra ka tsy hahafeno fatra ny hafaliana. Mitovy fototeny ny safidy sy ny fahafoizana.
[Ilay nahita ny voahangy tsara kosa dia “nivarotra” ny voahanginy rehetra: izany hoe tsy azo adinoina koa anefa fa efa nisy koa ireo nahafoy ny voahanginy, nialoha antsika ka mitantara ny hafaliana amin’ny fananana ilay voahangy sarobidy, hany tokana afaka hahafeno fatra ny hafaliana ka miantso antsika koa hiara-paly aminy, amin’ny fahafoizana ny voahangy hafa rehetra satria tsy afaka ny hanompo an’Andriamanitra sy i Mamôna isika (Mt 6,24).]
Tsy dia ny fahafoizana loatra anefa no tokony hasiana tsindrim-peo fa ny safidy manosika hahafoy. Tahaka ny mpiantsena mankeny an-tsena, tsy hoe tsy tiana ny vola fa kosa afoy satria mahasoa kokoa ny zavatra hovidiana. Manana ny vidiny koa ny Fanjakan’ny Lanitra, ka izay te hahazo azy manontolo (saha), izay te hahazo ny tsara indrindra (voahangy) dia tsy afaka ny hianina amin’izay efa nananany kanefa tsy nahasambatra azy akory. Tsy afaka ny tsy hiròna amin’ny harena ny fon’ny olona, ka izay itoeran’ny hareny no hitoetan’ny fony, ary izany no efa nampianaranin’ny Evanjely antsika mba hikatsaka ny harena maharitra fa tsy ho sodokan’ny fandriky ny harena mandalo (Mt 6,19-21).
Hitombo ao am-pontsika anie ny fahalalana an’i Kristy ka hananantsika herim-po hanesotra eo amin’ny fiainana ny zavatra rehetra manakana antsika tsy hahita ny hasarobidin’ny harena miafina ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra, sy tsy hanadrana ny harena sitrany holovain’ny zanany rehetra ka tsy hahafoizana ny harena hafa rehetra mba hahazoana azy.