Alarobia faha 14 mandavan-taona
- Ankasa: Ôsea 10,1-12/Salamo 104
- Tsy ankasa: Jenezy 41,55-57; 42,5-24/Salamo 32
- Md Matio 10, 1-7
Niantso ny mpianany 12 i Jesoa, nomeny fahefana ary nirahiny hitory fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra. Mαθητής – mathètès, izany hoe mpianatra,dia satria nanaiky ny hiara-mitoetra amin’ny mpampianatra ka hianatra Aminy ny zavatra rehetra, hamolavola ny toe-tsaina hitovizana amin’ny mpampianatra. Ny fandraisana ny fahazavana avy Aminy no hahafahan’ireo mpianatra handresy ny haizina. Ny fitiavana no mandresy ny fankahalana ary hahafahana manokan-tena hikolokolo ireo zohìn’ny aretina sy ny rofy.
Samy manana ny anarany avy ireo Apôstôly. Tanisain’i Matio tsiroaroa izy ireo, satria voaantso hiaina ny fifankatiavana sy ny firahalahiana. Tsy olona niavaka tamin’ny fiaraha-monina ireo ary ny ankamaroany aza olona dia tafiditra lalina tamin’ny resa-bola sy ny adilahy politika. Ireo Mpianatr’i Joany Batista efa-dahy no manomboka ny fitanisana: ny voalohany (πρῶτος – prôtos, tsy amin’ny fiantsoana fa amin’ny andraikitra, satria i Andre rahalahiny no voaantso voalohany) dia i Simona (שִׁמְעוֹן, Shim`ôn: ilay mahay mihaino), izay antsoina hoe Piera (Πέτρος – Petros, vato harafitra) sy Andre (Ἀνδρέας– Andreas, lehilahy, anaraka grika) rahalahiny; i Jakôba (יַעֲקֹב– ya‘ăqobh: mpamingana) zanak’i Zebede (זַבְדִּי– zabdî, nomen’Andriamanitra) sy i Joany (יוֹחָנָן- yôḥānān,fahasoavan’Andriamanitra); i Filipo (tia soavaly, anaraka grika) sy i Bartelemy (zanaky ny mpiasa); i Tomà (תָּאוֹם, – tā’ôm, ilay Kambana) sy i Matio (fanomezan’ilay mandrakizay); i Jakôba zanak’i Alfe (mandalo vetivety,miovaova, mora soloina) sy Tade (maherifo); Simôna kananeana (mafana rà, mafana fo) sy i Jodasy (יְהוּדָה – yehoudhāh,ankalazaina anie Andriamanitra) Iskariôta (avy any קִרְיָא– Qiriā’ – Qiriath),ny Zelôty mafana fo indrindra amin’ny fikomiana ho an’ny tanindrazana, fa mety avy amin’ny שָׁקַר- shāqar koa izay izay midika hoe manome tsifoifoy, mamitaka) ilay hanolotra (παραδίδωμι – paradidômi, fa nadika hoe hamadika) an’i Jesoa.
Tsy olona lavorary no nampianarin’i Jesoa, ka nantsoiny sy nirahiny hitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Samy manana ny anarantsika sy ny namana atolotr’Andriamanitra hiara-dalana amintsika avy isika. Tsy mitovy toetra fa antsoiny kosa hiray aina, ho tonga mpirahalahy mianala, ho vavolombelon’ny Evanjely toriana. Tsy afaka ny hiitatra hatrany amin’ny faravazan-tany ny famonjena raha tsy hiainan’ny Fiangonana ao aminy aloha ny tena fitiavana marina.
Mialoha ny handehanana any ivelanyany amin’ny tanànan’ny Samaritanina sy ny firenena rehetra (Mt 28,19), dia ao amin’i Israely, eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina misy aloha no tsy maintsy hitoriana sy hiainana ny Evanjely. Ny fandraràna tsy handeha any amin’ny lalan’ny Jentily dia azo heverina ihany koa hoe fandraisana ny fampitandreman’i Jeremia Mpaminany hoe: “Aza mianatra ny fitondrantenan’ny (דֶּרֶךְ– derek, lalana) firenen-kafa”, satria voaantso ho fanasina sy fahazavana.
Eny am-pandehanana [Πορευόμενοι– poreuomenoi: Mt 10,7 BYZ), participe présent du πορεύομαι– poreuomai) izay nadika hoe “Raha mandeha ianareo”], izany hoe eo am-panohizana ny lalana efa natomboka no hitoriana ny Fanjakan’ny Lanitra. Tsy mbola mahatratra ny fahalavorariana ny Apôstôly, saingy mizotra ho amin’izany ary mitory (κηρύσσω – kèrussô), mijoro ho vavolombelon’ny Fanjakan’ilay Ray mamondrona ny zanany, mamondrona ny ondry very, ho fianakaviana iray miaina ny fahafahana, ny hafaliana sy ny fiadanana.
Hitombo ao amintsika tsirairay avy anie ny faniriana ho tonga mpianatr’i Kristy ka ho vonona hitory ny Evanjeliny amin’ny toe-piainana asehontsika amin’ny fiainana andavanandro.