Alarobia faha-13 mandavan-taona
- Ankasa Amosy 5, 14-15.21-24/Salamo 49
- Tsy ankasa Jenezy 21, 5.8-20/Salamo 33
- Md Matio 8, 28-34
Ny Evanjely dia mitantara ny fandroahana demony voalohany tantarain’i Matio. Ny fitonian’ny ranomasina dia mety hampihena fa tsy hanafaka tanteraka ny tahotra tsy akory, indrindra raha eny amin’ny tanin’ny tsy mpino no hiantsonan’ny sambo. Gadara moa dia tanàna kely nonenan’ny grika (elenista) tokony ho 10 km ao atsimo atsinanan’i Genesareta, amin’ny faritr’i Dekapôly. Ao amin’i Marka (Mk 5, 1) sy Lioka (Lk 8, 26) moa dia Geraseny na Gergeseny no tanàna lazainy, saingy samy tany nonenan’ny tsy mpanaraka ny fivavahana jody ireo. Amin’ny fizorany mankany amin’ilay Jerosalema vaovao dia any amin’ny “tanin’ny Geraseny”, ny tanin’ny tsy mpino no anirahan’i Jesoa ny mpianany. Amin’ny toerana tsy hahalalàna sy tsy hanompoana an’Andriamanitra dia vao maika miharihary ny herin’ny fahavalo. Ny faka ipoiran’ny ratsy mihitsy no tian’i Jesoa hofongorana: ny demony. Izay idiran’ny demony (δαιμονίζομαι daimonizomai, eo ambany fahefan’ny demony) manko dia tonga fananany, tsy tompon’ny tenany intsony, monina anaty fasana, tsy mihevitra ny tenany ho velona intsony araka izany, mampidi-doza, “masiaka loatra” ka adosiran’ny olona.
Ambaran’ny Mpandalina Baiboly sasany fa ao amin’ny Evanjelin’i Mateo dia roa ny azon’ny demony, roa ny jamba (9, 27 sy 20, 30ss) ka ilay faharoa dia izay mamaky ny evanjeliny ka iangaviany mba hanao tahaka ilay sitranin’i Jesoa ao amin’ny Evanjely (H. B. Green. The Gospel, p. 102 milaza fa mba hitondrana ny isan’ny nahazo fahasoavana ao amin’ny toko 8-9 ho 12 raha isaina Matio ilay poblikana). Indro ary lehilahy roa nidiran’ny demony, lazaina koa hoe azon’ny fanahy maloto, satria tafasaraka tamin’Andriamanitra sy ny olombelona, nivoaka avy tamin’ny fasana (μνημεῖον mnemeion, avy amin’ny μνήμη mneme, memoire), tsy afaka ny hijery any aloha fa mitodika any aoriana ihany, amin’izay efa very sy natelin’ny fahafatesana. Ny fandalovan’i Jesoa dia nitondra hazavana ho azy ireo, eny fa na dia fandrahonana ho azy ireo aza izany ka nahatonga azy hikiakiaka (κράζω krazo, nadika hoe niantso) hoe: “hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao aty”?
Misy zavatra roa no azo heverina fa manan-danja amin’izany tenin’ny demony izay: “Aty”, ὧδε (Hode), sy hoe “alohan’ny fotoana” (πρὸ καιροῦ). Aty, izany hoe any amin’ny tanin’ny tsy mpino, any amin’ny tany anjakan’ny demony no nalehan’i Jesoa, ary toa io irery ihany no nandehanan’i Jesoa tany. Ny mpianany aza nilazany mba “tsy hanaraka ny lalan’ny hafa firenena ary tsy hiditra akory amin’ny tanànan’ny Samaritanina” (Mt 10, 5), kanefa “rehefa tonga ny fotoana”, nanomezana Azy ny fahefana rehetra, dia ireo mpianatra ireo ihany no nirahiny mba hahatonga ny firenena rehetra ho mpianany (Mt 28, 18) mialoha ny hahatongavan’ny farandro (Mt 24, 14).
Ny Demony dia mahalala an’i Jesoa saingy tsy mino azy (Jak 2, 19). Ny finoana dia ny fanankinana ny fiainana amin’Andriamanitra. Na dia tsy azon’ny saina lavina aza ny hatsarana sy ny fitiavana hita ao amin’i Jesoa dia mety ho voagejan’ny ratsy kosa ny sitrapo ka tsy hanaiky hivoaka ny fasana ((μνημεῖον mnemeion, tsiahy), ary ny tahotra ny fahafatesana avy eo no tsy higohana ny hasambaran’ny fiainana (Hebrio 2, 14ss).
Tsy famongorana fa fandroahana ny demony ny “exorcisme”. Afaka mifindra amin’ny hafa ny demony ary mety hiverina indray amin’ilay nitoerany taloha miaraka amin’ny fanahy fito ratsiratsy kokoa aza raha tsy mitandrina (Mt 12, 43-45). Eto dia ny kisoa no nidiran’ny demony ka nivarina tany an-dranomasina ny andian-kisoa “iray” ary maty tany anaty rano “izy rehetra”. Tsara hazavaina fa tsy ny kisoa no maty fa ny demony. Ny dikanteny grika byzanthine “ὥρμησεν πᾶσα ἡ ἀγέλη τῶν χοίρων κατὰ τοῦ κρημνοῦ εἰς τὴν θάλασσαν, καὶ ἀπέθανον ἐν τοῖς ὕδασιν (Mt 8,32 BYZ), adikan’ny TOB hoe “tout le troupeau se précipita du haut de l’escarpement dans la mer, et ils périrent dans les eaux” (Mt 8,32 TOB) dia hahafahantsika mahazo fa ny andian-kisoa (ἡ ἀγέλη) no nivarina (ὥρμησεν, aoriste 3ème persone du singulier de ὁρμάω hormao) tany anaty ranomasina (θάλασσα thalassa) ka ny demony kosa (sujet du verbe au 3ème persone du pluriel) maty (ἀπέθανον aoriste de ἀποθνῄσκω apothnesko, levona mandrakizay) tany anaty rano (ὕδωρ hydor). Io no lazain’i Mikea mpaminany hoe: “hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny faharatsiantsika; ary any ambany ranomasina any no hariany avokoa ny fahotantsika” (Mik 7, 19). Moa ve tsy tandindon’ny ranon’ny Batemy, hanadiovana ny fahotantsika izany?
Nahoana no naneken’i Jesoa ny fihantan’ny demony? Mijanona ho mistery ho antsika izany saingy manampy antsika kosa hahatsapa fa moramora kokoa ny mandroaka ny demony ao amin’ireo monina amin’ny fasana, atahoran’ny olona, noho ny ao amin’ireo izay andevozin’ny harena sy ny fananany (kisoa) ka misafidy ny hiangavy an’i Jesoa hiala amin’ny faritaniny.
Manaja ny safidin’ny olona Andriamanitra ary miandry am-paharetana ny fotoana hanekentsika handray ny fanomezany. Tsy azo adinoina anefa fa na ny fanekeny hatramin’ny fiangavian’ny demony dia ny hamongotra ny ratsy tsy ho eo anivontsika. Raha hekentsika ny handefasan’i Jesoa ny demony ao amin’ny “kisoa” izay mambabo antsika, araka izany, arahaba soa, arahaba tsara, satria izay no lalana hitondrany antsika amin’ny fahafahana marina tokoa.