Alarobia anatin’ny havaloana fankalazana ny Paka
- Asa 3,1-10/
- Salamo 104/
- Md Lioka 24,13-35
Ny Asan’ny Apôstôly dia nentin’i Md Lioka hanambarana amintsika fa ny fiainan’ireo mpanara-dia an’i Jesoa dia fanahafana Azy amin’ny lafiny rehetra, ka ny fiainana manontolo no atolotra mba ho tonga ho famonjena ho azy ireo (izay hahavery ny ainy no hahavonjy azy) sy ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Tsy misaraka amin’ny fanenjehana sy ny fankahalana anefa izany: raha nenjehin’izao tontolo izao Aho dia hohenjehiny koa ianareo.
Rehefa avy nitantara ny fiovana tao anaty, vokatry ny Fanahy Masina, i Md Lioka dia manomboka mitantara ny fifandraisan’ireo Apôstôly tamin’ny tontolo manodidina, ny Jody sy ny fombafombany (miakatra mivavaka any an-Tempoly amin’ny ora faha 9), ary ny mahantra sy ny ory sitrak’i Kristy hasoavina manokana.
Niakatra tao an-tempoly i Piera sy i Joany mba hivavaka. Tao ivelan’ny vavahady dia nisy manan-kilema hatrany am-bohoka nangataka. Tsy afaka niditra tao amin’ny Tempoly manko izy satria kilemaina. Izay no lalàna: izay tsy ara-dalàna tsy afaka miombona amin’ny daholobe. Ny Mpianatr’i Jesoa dia tsy afaka ny tsy hanao tahaka ny nataon’ny Mpampianatra: “Mitsangàna ho velona ka mamindrà” (Lk 5,12) amin’ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta.
Voalohany indrindra aloha, izay tena mpianatra dia tsy manao zavatra amin’ny anaran’ny tenany. Mampalahelo ny mahita ny ezaka sy ny fanampiana ataon’ny kristianina sasany dia ny anaran’ny “mpanao soa” sy ny “malala-tanana” no soratana eo. Ho an’izay tena mpianatra dia amin’ny anaran’i Jesoa no anaovana ny zavatra rehetra. Ny fandrefy hahalalana izany dia tsy ny fahasitranan’ny olona loatra. Na ny mpimasin’i Faraôna aza nahay nanao fahagagana. Izay manao zavatra amin’ny anaran’i Jesoa dia tsy misintona olona hanatona azy, fa mitarika ny olona hidera an’Andriamanitra. Ny hahalalàna fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra iray dia “hitan’ny olona ilay asa vita ka ny Ray any an-danitra no omeny voninahitra” (Mt 5,16). Raha tsy finoana no manosika hanao soa dia zava-doza ny fahagagana satria io no hifandrombahan’ny olona hatonina, tsy hitsanganana ho velona sy handraisana ny andraikitra (Lk 5,24) fa hitadiavana tany malemy hanorenam-pangady.
Fanampin’izany dia izay ananantsika no omentsika ny hafa. “Ny valala tsy an-tanana tsy hatolo-jaza”, hoy ny Ntaolo. Arakaraka ny fiezahantsika hahazo ny fampianaran’i Kristy, ka hivarotra ny voahangy tsara nangonina tany ho any, no hahafahantsika mividy ka hizara ilay voahangy tokana, sarobidy, mirakitra ny haren’i Kristy sy ny Evanjeliny (Mt 13). Rehefa mandinika ny zavatra rehetra ananantsika isika dia hahatsiaro mandrakariva fa tsy tompony fa mpiandry omby volavita ihany. Inona moa no zavatra eo am-pelatanantsika ka tsy noraisintsika (1Kôr 4,7)!
Indraindray koa anefa isika manantena na mampanantena zavatra tsy mifanaraka amin’izay nampanantenain’Andriamanitra, ka ho tratry ny fahadisoam-panantenana toy ny nahazo ireo mpianatra roa lazain’ny Evanjely. Izay diso fanantenana matetika dia misintaka amin’ny fiombonana, manava-tena hiala any Jerosalema (tanànan’ny fiadanana) mba ho any Emaosy (ny akany nahazatra, 11,5 km avy ao Jerosalema). Izany tantara izany no entin’i Lioka mamintina ny fampianarany rehetra, hilazany fa tsy afaka ny ho tonga eo amin’ny famakiana ny mofo raha tsy mandinika ny Soratra Masina, mihaino izay rehetra milaza an’i Jesoa ao amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany ary ny Salamo (TNK, Torāh – Nevi’im – Ketoubîm).
Ny sakana tsy hidirana amin’ny finoana dia ny “tsy fisainana (ἀνόητος – anoètos, a-noeô) sy ny hamafin’ny fo (βραδεῖς τῇ καρδίᾳ: bradeis tè kardia, coeur lent)” (adala sy votsa saina no dikan-teny ao), mba hino izay voalazan’ny Mpaminany. Rehefa tsy ampiasaina ny saina, ary tsy tadidiana izay zava-nisy, dia tsy ny hikaroka ny marina no mahamay fa ny hanamarin-tena. Ny fiverenana amin’ny famakiana ny momba an’i Kristy ao amin’ny TNK kosa no hampirehidrehitra ny fo ka hampiditra azy amin’ny misterin’ny “famakiana ny mofo”, izay mampisokatra ny masom-panahy hahita an’i Jesoa, na dia tsy afaka ny hahita azy intsony aza ny masom-batana.
Tsy i Jesoa anefa no manasa antsika hiantrano ao Aminy. Avoitran’i Md Lioka fa eo anelanelan’ny fandinihana ny Soratra Masina sy ny Eokaristia dia misy Vavaka: “Mitoera ety aminay fa efa ho hariva izao, efa mandrorona ny andro”. Izay tsy vonona hisahirana handray ny hafa (hampiantrano vahiny amin’ny andro hariva), tsy afaka ny hiangavy ny fijanonan’i Jesoa hiara-misakafo aminy. Ny vokatry ny fahalalana an’i Jesoa kosa dia “fiverenana tsy misy hatak’andro” ho any Jerosalema. Izay mahazo ny Soratra Masina sy mahalala ny endrik’i Jesoa dia tsy manana faniriana hafa intsony raha tsy ny hiaina ny firaisana tian’i Jesoa ary ho vonona “hampiray ireo rehetra mino azy”, araka ny Vavak’Izy Kristy ihany (Jo 17).
Ho haintsika anie ny hitombo fitiavana ny Soratra Masina mba hahalalàna bebe kokoa an’i Jesoa, hampirehidrehitra ny fontsika ka hahalalantsika ny endriny ao amin’ireo mahantra sy fadiranovana, miandry ny fanasitranana sy ny fiantrana ataontsika amin’ny anarany.
Tsy ho very valisoa isika (Mt 10,41).