Alakamisy V Paka
- Asa 15,7-21
- Salamo 95
- Md Joany 15,9-11
Ny lahatenin’i Piera, manoloana ny fifandirana ny amin’izay tokony hataon’ny Jentily manoloana ny lalànan’i Môizy, dia hahafahantsika mahafantatra ka mibanjina ny endrik’ilay Andriamanitra notorìn’ny Apôstôly: tsy misy hafa eo anatrehany na Jody na Jentily, samy omeny ny Fanahiny, tsy noho ny fahamendrehana na noho ny fitandremana ny Lalàna fa fitiavany maimaim-poana. Nahoana no ampitondraina ny hafa ny jioga izay mavesatra na ho antsika aza, hoy izy.
I Jakôba izay fatra-panaja ny fomban-drazana sy mirehareha amin’ny maha Jody azy, nankalaza ny fahatanterahan’ny fampanantenana natao tamin’i Davida, ka hiitaran’ny famonjena sy ny fiantsoana ny anaran’i YHWH avy amin’ny firenena rehetra, dia nilaza ny heviny fa tsy tokony hasarotina ny fanatonan’ny Jentily an’Andriamanitra, ka tsy tokony hasiana didy hafa koa ankoatry ny fifadiana ny ratsy, ny fijangajangana sy izay mety ho fanompoan-tsampy.
Ny tenin’i Môizy vakiana isan-tSabata dia mampianatra momba ny Lalànan’Andriamanitra, mampahatsiaro amin’ny vahoaka ny fomba nitiavan’Andriamanitra ny Vahoakany. Izany vonjy entin’Andriamanitra izany no tokony hokaloin’izay mino Azy, ny hitory ny asa mahagaga ataony hampijoroana ny tany sy hitsarana araka ny hitsiny no iantsoany ny vahoakany (Sal 95). Mazava ny tenin’i Jesoa amin’ny Evanjely: ny tsirairay dia mitia toy ny nitiavana azy. Tahaka ny nitiavan’ny Ray Azy no nitiavan’i Jesoa antsika, ary tahaka ny itiavany antsika no iriny mba hifankatiavantsika.
ἀγαπάω (agapaô = mitia), ἀγάπη (agapè = fitiavana) moa dia entina milaza ilay fomba fitiavan’Andriamanitra izay manome manontolo sy maimaim-poana, ka izany no anasan’i Jesoa ny mpianany hitoetra ao amin’io Fitiavana io, hahatonga ny fitiavana ho “trano fonenana” hahafahana manandrana ny hamamin’ny maha zanaka sy maha mpirahalahy sy anabavy, amin’ny fitandremana ny Didy. Izany no lalana mitondra amin’ny fahalavorarian’ny hafaliana satria ny fiombonana aina amin’Izy Ray dia mameno hazavana ny fiainana ka tsy hahafahan’ny haizina mahita hirika ao intsony. Ny hafaliana dia vokatry ny fitia mifamaly, mahatsara fihavanana, fitia ifankatiavan’ny Ray sy ny Zanaka, hafaliana lavorary irìny mba ho fiainantsika koa.
Izany hafenoan’ny hafaliana izany no fanirian’i Jesoa ho antsika tsirairay avy, dia ny hafaliany tsy miandry valiny intsony fa faly satria notiavina dia afaka mitia koa. Mazàna ny tsy fahazoana valim-pitia, na ny fahadisoam-panantenana no mahatonga antsika hilofika ao anatin’ny alahelo sy ny fahakiviana. Ambaran’i Jesoa fa ny fitiavany (ἀγάπη – agapè) ihany no hahatongavantsika amin’ny hafaliana feno fatra, izay tsy manana antony manokana ankoatra ny fitiavana.
Arakaraky ny hahatsapantsika ny fitiavana itiavana antsika araka izany no mampitombo ny hafaliantsika, ka mahatonga antsika ho mpianatra marina, miombona aina amin’i Kristy, satria tsy afaka hanao intsony afa-tsy ny sitra-pony, izany hoe izay mifanaraka amin’ny hafaliana sy ny fiadanana ary ny fahasambaran’ny olombelona rehetra. Ny fitandremana ny didim-pitiavana no fitoerana ao amin’ny Fitiavany.
Ny fahasoavan’Andriamanitra no mahatonga ny mpanota ho olo-marina sy manova izay zoim-pahoriana ho sambatra, ka izany fahasoavany izany anie no hitahiry antsika ao amin’ny fitiavany (Vavaka fangatahana).