Alakamisy V Karemy
- Vakiteny I : Jenezy 17,3-9,
- Salamo 105 (104), 4-5.6-7.8-9,
- Evanjely : Md Joany 8,51-59.
Tsy manirery isika mizotra mankany amin’ny Paka fa miara-mizotra (syn-odos) ary tohanan’ny Fiangonana manontolo, ary manovo harena avy amin’ny traikefan’ireo efa nialoha lalana antsika tamin’ny finoana. Razambentsika mpino i Abrahama izay tonga rain’ny firenena tsy hita isa. Nampanantenain’ny Tompo azy ny tanin’ny Kanaana rehetra mba honenany mandrakizay. Ny fandraisan’Andriamanitra azy ho vahoakany anefa tsy mandeha ila fa miangavy azy sy ny taranany koa hanokan-tena ho vahoakan’Andriamanitra.
Ny Evanjely moa manohy ny adihevitr’i Jesoa sy ireo Jody (voalaza fa maro no nino Azy, jereo and. 31 saingy) nitady hamono Azy. Ny fiainana amin’ny maha-vahoakan’Andriamanitra dia ny fihainoana ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo. Izany no hahafahantsika mandova ny tany nampanantenaina, izany no hidirantsika any amin’ny fiainana. Fanantenana ihany izany ho an’i Abrahama fa ho antsika kosa, fantantsika fa notanterahin’Andriamanitra tao amin’i Kristy, Teny tonga nofo, maty fa nitsangan-ko velona izany fampanantenana izany. Izy Jesoa no fahatanterahan’ny faniriana rehetra nobanjinin’ireo voafidy toa an-dry Abrahama ary fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra.
Fa tahaka an’i Abrahama koa isika, efa nandray ny Batemy, mivelona ny sakramenta, saingy mandroso mihemotra eo ihany amin’ny fiainam-pinoana. Izany no antony hamerimberenan’ny Fiangonana mandrakariva, fa indrindra amin’izao karemy madiva hifarana izao, fa tsy misy lalana hafa hahafahana mizotra mankamin’ny fahasambarana ankoatry ny fiainana amin’ny maha-zanak’Andriamanitra, amin’ny fiainana amin’ny maha-vahoaka nofinidiny, ka ny fihainoana sy ny fitandremana ny Teniny no fanalahidy hidirana amin’ny hafenoan’ny fiainana.
“Raha misy mitandrina ny Teniko dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy”. Tsy fitadiavana voninahitra eo anatrehan’ny olona anefa ny fitandremana ny tenin’i Jesoa fa fiainana ny fahamarinana izay mitondra amin’ny fahafahana marina. Mampalahelo indraindray ny mijery ny “kristianina” sasany manao izay tratry ny ainy mba hahafalifaly ny “mpitondra”, saingy lavitra ny fony ny hiaina araka izany nampianarin’i Jesoa izany. Hany ka rehefa tsy mahazo doka na tsy misongadina noho ny hafa avy eo dia “tafintohina” na manafintohina ny hafa.
Ny fikatsahana ny sitrapon’Andriamanitra dia fikatsahana ny fahasambarana, satria ny hahasambatra antsika sy ny olombelona rehetra no sitrany. Tsy hiheverana ny tena ho ambony noho ny hafa anefa izany, fa fikatsahana hasambarana ho an’ny tena samirery fa fifampihainoana sy fifanajana, sao sanatria ny olona tsy mitody hevitra amintsika no manana ny marina, sao ireny no sitrak’Andriamanitra hanambara amintsika ny Teniny, ka hanao tahaka ny nataon’ny Jody tamin’i Jesoa, izay naneho ny tenany ho “zanak’Andriamanitra” efa nisy talohan’ny taona rehetra, saingy fahafatesana no tambin’izany. Izy anefa no ilay Andriamanitra avy amin’Andriamanitra, “ILAY NISY” talohan’ny nahariana izao rehetra izao, ilay Teny nahariana izao rehetra izao.
Ny tsy fahalalana an’Andriamanitra hoy i Jesoa dia vokatry ny fihainoana ilay raiben’ny lainga sy ny mpandainga, izay manakana antsika kosa tsy hihaino ny Teny izay fanambaran’ANdriamanitra. Ny fahafatesan’i Jesoa, ny rà nalatsany ho antsika no tambiny nentiny nanaporofo amintsika ny haratsin’ny fahotana, fototry ny fahafatesana, eny fa na dia ny fahafatesan’ilay Zanaka lahitokan’ny Ray aza. Tsy ilay vehivavy tratra nijangajanga saika hotoraham-bato tany am-piandohan’ity toko faha-8 ity intsony no tian-ko vonoina izao, fa ilay “marina”, nilaza fa izay tsy manam-pahotana no hitora-bato voalohany, ka amin’izany dia manery ny olona tsirairay handinika ny tenany eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy afa-miantehitra afa-tsy amin’ny famindram-pon’Andriamanitra isika ka ny Fanahiny Masina anie handio antsika ho afa-pahotana ka haharetantsika amin’ny toe-piainana masina sy hiha-lavorary hatrany handova ny soa nampanantenainy antsika