Alakamisy niakaran’i Jesoa any an-danitra
Omany ny hiverenan’i Kristy
Asa 1,1-11, Salamo 46/ Efezianina 1,17-23 /
Matio 28,16-20 (A)/ Marka 16,15-20(B)/Lioka 24,46-53 (D)
N.B. Ny vakiteny faharoa manokana taona D dia (Hebrio 9,24-28; 10,19-23),
saingy tsy ao amin’ny Alahady sy Andro fety
Hoy ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika:
“Ary Izaho rahefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia hitarika ny olombelona rehetra hanatona Ahy” (Jo 12,32). Ny fanandratana teo amin’ny Hazofijaliana dia midika sy milaza ny fanandratana amin’ny Fiakarana any an-danitra, izay izany no fanombohany. I Jesoa-Kristy, Mpisorona tokan’ny Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay, dia tsy “niditra tao amin’ny fitoerana masina nataon-tanan’olombelona (…), fa any an-danitra, mba hiseho ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika” (Heb 9,24) [KFK 662].
Inona no niova tamin’ny niakaran’i Jesoa any amin’ny Voninahitry ny Ray? Raha jerena avy aty ivelany dia tsy misy: ny asa, ny fisasarana sy ny fahasahiranana, ny ahiahy sy tebiteby dia ifandimbiasan’ny taranaka mifandimby, saingy ny Pakan’i Kristy kosa dia nanazava ka nanome heviny vaovao ny fiainan’ny olombelona rehetra. Raha ao amin’ny efitrano iray tsy dia milamina loatra ianao amin’ny andro alina ka tsy mirehitra ny jiro, tsy hanova ny filaminan’ny trano ny fandrehetana ny jiro, fa hahitanao kosa izay hasiana ny tongotra. Samihafa ny miraparapa amin’ny haizina tsy misy jiro sy ny mandeha amin’ny mazava.
Ho antsika no niakaran’i Jesoa any an-danitra ka ny hazofijaliana no lalana nizorany mba hahatratrarany izany voninahitry ny Ray izany. Ao amin’ny fitantaran’ny Evanjely sy ny Asan’ny Apôstôly, izay samy sanganasan’i Md Lioka dia tsy mifanaraka na ny fotoana na ny toerana niakaran’i Jesoa any an-danitra, ary na dia ny amin’ny asan’ny Apôstôly aza (Asa 1,3), dia lazain’i Lioka fa Sabata io 40 andro aorian’ny Paka io (Asa 1,12), raha alakamisy araka ny hikaontiantsika azy izao. Izany dia ampy hahokatra ny saina hahatsapa fa tsy ny fotoana na ny toerana na ny fomba ilazana ny niakaran’i Jesoa tany an-danitra (ity farany dia mazava araka ny Katesizy teny am-piandohana) no antony nanoratan’i Md Lioka fa ny hamaly ny olana niainan’ny kristianina nanoratany ary hanampy antsika kosa hisokatra amin’ny finoana ka hankalaza izany araka ny tokony ho izy.
Anisan’ny fanontaniana mivaivay tamin’izany ny fiandrasana ny hiverenan’ny Zanak’olona: “Tompoko, amin’izay va ny fotoana hanangananao ny Fanjakan’i Israely?” Tsy ny hahalala ny valin’izany anefa no tokony himasoan’ny Mpianatra fa ny handray ny hery avy amin’ny Fanahy Masina hijoroana ho vavolombelona hatrany amin’ny fara vazantany. Fantatr’i Md Lioka tsara ny tantaran’i Elia sy i Elizea (2Mp 2,9-15), ka nampiasainy mba hilazany fa ny mpianatr’i Jesoa koa dia tsy misy afaka mahazo ny Fanahiny raha tsy mibanjina Azy miakatra any an-danitra. Tsy afaka handray ny Fanahy Masina izay tsy mahita fa ny Hazofijaliana no lalana mitondra ho amin’ny voninahitry ny lanitra. Tsy hoe Andriamanitra tsy akory no mandà tsy hanome ny Fanahiny, fa ny olona no mety handrindrina ny varavarany, mba tsy hidiran’ny hazavana.
Dia mazava loatra, ny rahona (jereo Eks 13,22) sy i Jesoa nisondrotra ka tsy hitan’ny mason’izy ireo intsony, ary ireo roalahy miakanjo fotsy mitovy amin’ireo tany am-pasana ny andron’ny Paka (Lk 24,4) dia mamaly ny hetahetan’ny olona, dia ireo izay niandry ny hiverenan’i Jesoa haingana handringana ny fahavalo sy ny mpampijaly, ka nandany andro nibanjina ny lanitra miandry ny hiverenany. Mazava anefa ny hafatra ampitain’i Jesoa araka ny fitantaran’i Md Lioka: ny mpianatra no ho vavolombelona hanohy ny efa natombok’i Jesoa. Sambatra izay mpanompo tratran’ny Tompo manatanteraka izany amin’ny andro hiverenany (Lk 12,37).
Ao amin’ny vakiteny faharoa (Sorona Alahady sy andro fety: Ef 1,17-23) dia mangataka ny fahendrena avy amin’Andriamanitra i Md Paoly ho an’ny Efezianina mba hahazoan’izy ireo ny misterin’ny Eglizy sy ny haben’ny fampanantenana niantsoana antsika. Tsy sanatria ny fijoroana ho vavolombelona no hanadinoana ny halehibeazan’ny voninahitry ny lova nomanin’Andriamanitra ho antsika ao amin’i Kristy izay filoha sy fanaperana, ka mety hahakivy manoloana ny fitsapàna sy ny sedra-piainana mety hatrehina.
Tsy mora ny mahazo izay voasoratra ao amin’ny Soratra Masina. Any amin’ny fiandohan’ny Evanjeliny dia ambaran’i Lioka fa nai Maria Reniny aza dia gaga amin’ny fahitana ny fahatanteranan’ny fandaharan’Andriamanitra tao amin’ny zanany (Lk 2,33.50). Tsy mora ny mahazo ny hoe “tsy maintsy mijaly”, tsy maintsy maty, na dia eo aza ny hoe “fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo”. Nandritra ny Herinandro Masina isika nandinika ny faminanian’i Izaia mikasika ny Mpanompon’i YHWH. Tsy mora ny manaiky io endriky ny Mesia ampijaliana io. Avy amin’ny anarany anefa no “hitoriana ny fibebahana sy ny famelana ny fahotana”, ary izany no famonjena ho an’ny firenena rehetra (Jereo Iz 49,6/Lk 1,77).
Nankinin’i Jesoa amin’ny mpianany izany “iraka” izany. Tsy hambom-pon’olombelona anefa no hanatanterahantsika izany. Asainy mijanona ao an-tanàna izay tsy mbola nandray ny hery avy any ambony. Izay tsy feno ny Fanahy Masina, izay tsy manam-potoana hijanonana hibanjina an’i Jesoa mba hahalalana azy bebe kokoa sy hitiavana Azy, dia hivoaka hitory ny tenany fa tsy hitory an’i Kristy. Izay tsy manam-potoana hihainoana ny Teniny, “Izay tsy mitondra ny Tenin’Andriamanitra ao am-pony ka tsy mizotra miaraka amin’ny Eglizy, dia tsy hahasoa na iza na iza”, hoy i Papa François taminay Pretra tany Asizy (4 ôktôbra 2013). Tsy isika fa Izy Tompo no mamonjy an’izao tontolo izao.
Tso-drano no omen’i Jesoa ny Mpianany. Amin’ny faran’ny fisoronana dia mitso-drano ny vahoaka ny Mpisorom-be miaraka amin’izay mpisorona nahazo ny loka mba hanolotra ny emboka manitra, ary mivavaka ho azy ireo (Si 50,20). I Jesoa no ilay Mpisorom-be (jereo ny KFK 662 ery ambony), ka ilay Tso-drano tsy nomen’i Zakaria tany amin’ny fiandohan’ny Evanjely, satria moana izy nony vita ny fisoronana (Lk 1,22), dia omen’ilay Mpisorom-be vaovao kosa ka hahafeno hafaliana ireo izay mandray izany (Lk 24,50), ka hahafahany mahita fa fiakarana any amin’ny voninahitry ny Ray no noheverin’ny “fahavalo” ho fiafaran’ny tantara, tamin’ny namonoan’izy ireo ny Mpampianatra.
Ny anton’ny hafaliana dia satria i Jesoa niakatra any an-danitra notsaohin’ny Mpianatra dia tsy manalavitra azy ireo fa manatanteraka ny teniny: “indro aho eo aminareo mandrakariva mandra-pahatapitr’izao tontolo izao” (Mt 28,20).
Raha hiverenana halalinina ny Evanjely araka an’i Md Lioka, ao amin’ny andininy 44, mialoha ny vakiteny anio dia mazava fa ny Misterin’ny Paka, i Kristy maty fa nitsangan-ko velona no fahatanterahan’ny Soratra Masina (Lalànan’i Môizy, Mpaminany, Salamo: TNK). I Jesoa no manokatra ny saintsika mba hahafantatra ny Soratra Masina. Izy no manome antsika an’ilay Mpanafaka alahelo mba hahafahantsika mahazo izay nolazainy, ka hino fa Izy no fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra.
Amin’ny anarany no hitoriana amin’ny firenen-drehetra ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Tsy sanatria hisy hihambo ho mpitondra famonjena ho an’ny hafa. Tsy isika fa Izy Tompo no mamonjy an’izao tontolo izao, hoy ny Papa, efa nolazaintsika teo. Ireo voairaka dia tsy hanao inona afa-tsy ny hijoro ho vavolombelon’ny fibebahana sy ny famelan-keloka nanova ny fiainan’izy ireo. Ho vavolombelona hanambara fa tsy misy fiainana raha tsy ao amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra, satria i Jesoa maty no fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra izay mahery noho ny fahafatesana (Ton 8,6), fitiavana itiavany ny firenen-drehetra, ny olona tsirairay.
Ao amin’ny Vakiteny I (Asa 1,8), dia vavolombelon’i Jesoa no hiantsoana ny Apôstôly, eto kosa indray dia antsoina zy ireo ho vavolombelon’ny Fibebahana sy ny Famelan-keloka. Tsy mifanohitra izany, i Jesoa ny sy iraka nampanaovina Azy no tsy maintsy ataon’izay te ho mpianany eo ambany maso, ka ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa sy nampianariny (Asa 1,1) no tsy maintsy hatao sy ampianarin’ny mpianatra ihany koa. Nasaina nitoetra tao an-tanàna izy ireo mandra-pandray ny hery avy any ambony, fa i Jesoa kosa indray no nitondra azy ireo hivoaka ny tanàna hatrany Betania.
Izany no hamafisin’i Md Matio (Mt 28,16-20), ka ireo Mpianatra izay nitsoaka, na dia mbola nisalasala aza, dia nantsoin’i Jesoa hatoky fa ny fiakarany eo an-kavanan’ny Ray, dia hahafahany manatanteraka ny fampanantenany: handefa ny Fanahy Masina ary ho kiadin’ireo mpianany ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao. Ny fijoroana ho vavolombelona dia tsy inona fa mba hampianarana ny olona (na ny marimarina kokoa, hanao izay hahatonga ny firenena rehetra ho mpianatr’i Jesoa: Πορευθέντες μαθητεύσατε πάντα τὰ ἔθνη – Poreuthentes mathèteusate panta ta ethnè Mt 28,19) hitandrina izay nandidian’i Jesoa ny Mpianatra. Tsy afaka handray ny iraka ampanaovin’i Jesoa anefa, raha tsy miverina any Galilea, miverina amin’ny fiantsoana voalohany, hahatsapana fa Izy Tompo no nitia antsika mialoha, ary avy eo no hahatsiarovantsika izay rehetra nandidiany: didy vaovao niainany mba hanaovan’ny mpianatra tahaka ny nataony (Jo 13,15).
Izay mihevitra fa mahay zavatra ka hanadino io voaloham-pitiavana io dia tsy afaka hitsaoka ny Tompo, tsy afaka hanoroka ny tongony, hanoroka ny tongotr’ireo endrika hisehoany, ka iriany koa mba hosasana tongotra (hotompoina) sy hotiavina; tsy izay tendrombohitra tiantsika hiakarana anefa no hahafahana mihaona amin’i Jesoa fa izay nasainy alehantsika. Io ilay tendrombohitra nampianarany antsika ny sitrapon’ny Rainy mikasika ny fahasambarantsika (Mt 5,1snm) ka nidinany hanao soa hatraiza hatraiza (Mt 8,1snm), teo no nivavahany manokana ka nahafahany manohy ny iraka nampanaovina Azy mba ho voninahitry ny Ray (Mt 14,23snm); teo no nanambaràny fa Izy ilay tonga hanafaka ny rofin’ireo marary sy mijaly, ilay Mesia nampanantenaina (Mt 15,29snm); teo no nanehoany ny tena endriny be voninahitra, fahatanterahan’ny Lalàna sy ny Mpaminany (Mt 17,1snm). Eo no hahenoantsika ny feon’ny Ray manasa antsika hihaino Azy ka hahafahantsika mahita Azy marina tokoa.
Araka izany, ny hoe mitoetra ao an-tanàna (araka ny vakiteny I) dia mba hilazana amin’ny mpianatra fa fanomezan’Andriamanitra ho an’izay mahay miandry Azy ny Fanahy Masina, izay ain’Andriamanitra, ary ambaran’i Lioka ihany, fa ny mpianatra maharitra mivavaka amin’i Maria Renin’i Jesoa no afaka mandray ny Fanahy Masina. Midika koa anefa izany fa ny hoe mitoetra eo an-tanàna, dia ny mitoetra ao amin’izay hitondran’i Jesoa antsika, na any an-tendrombohitra, na any Betania (Βηθανία) tranon’ny ory, ka hahafahantsika mandray ny Fanahy Masina amin’ny fanalana alahelo ireo zanak’Andriamanitra ory sy mijaly.
Ny fankalazana ataontsika anio anie hampitombo ny finoantsika ny lanitra, ka hampisy hasiny ny ezaka ataontsika eto an-tany hoenti-manorina ny Fanjakan’Andriamanitra, hijoroantsika ho vavolombelon’ny fibebahana sy ny famelan-keloka marina tokoa, tsy amin’ny herin’ny tenantsika fa amin’ny fitokiana ny herin’ny Fanahy Masina, fanomezan’i Kristy nitsangan-ko velona ho an’izay mino Azy.
Ny evanjely atolotra hankalazana ny fetiny anio moa, dia manampy antsika amin’ny fahazoana sy fiainana ny finoana an’i Jesoa tafatsangan-ko velona, ka hahazoana ny antony nahatonga an’i Marka tsy afaka ny tsy hitory ny Evanjely.
Rehefa avy nilaza i Marka fa nandositra ny vehivavy ary tsy nilazalaza na inona na inona tamin’ny olona izay hitany tany am-pasana (izay mifanihitra amin’ny fitantarana hafa), dia nilaza fa niseho tamin’i Maria Madelena i Jesoa, sy tamin’ny Mpianatra roalahy nankany an-tsaha, izay nitantara tamin’ny Apôstôly fa tsy nisy ninoany. Izay nandroahana demony fito no nisehoan’i Jesoa voalohany, avy eo ireo nisintaka tamin’ny fiombonana, avy eo ireo Apôstôly niara-nisakafo. Tsy ny fahamendrehana na ny fanarahan-dalàna no lalana hahafahana mihaona amin’i Kristy tafatsangan-ko velona; ny tsy fahamendrehana na ny fiainana nodiavina kosa, na tamin’ny tsara na ny ratsy, dia tsy sakana velively tsy hahafahana mihaona Aminy.
Raha fintinina ny hafatry ny Evanjely dia izao: izay miara-maty amin’i Jesoa Tompo dia miara-belona Aminy kosa. Ny Apôstôly moa tsy nisy niara-maty taminy fa nitsoaka an-daharana avokoa. Jiolahy no niara-maty taminy ka niara-belona taminy io andro io ihany tany am-paradisa. Mazava eto fa fotoana iray ny fahafatesany sy ny nitsanganany ho velona sy ny nandraisany an’io jiolahy io tany am-paradisa. Ireo Apôstôly sy ny olon-tiana kosa, taorian’ny fandevenana dia ny hanaja ny faty araka ny fomba jody no noeritreretiny.
I Kristy velona eo anivon’ny Fiangonany, mitana ny fampanantenany fa tsy hisaraka amin’ireo mpianany mandrapaha-tapitr’izao tontolo izao no Evanjely hotorìna. Miara-misakafo amintsika izy, na dia miandalana aza, satria manaja ny filanton’ny diantsika aza ny fisehoany amintsika, maniraka antsika hitory ny vaovao mahafaly. Tsy manana porofo holazaina amin’ny olona afa-tsy ny hafaliana manenika ny fiainany novan’ny Evanjelin’i Kristy ireo nahita Azy nitsangan-ko velona. Afaka miteny toa an’i Paoly izy ireo hoe: nataoko fakofako avokoa ny zavatra rehetra miohatra amin’ny fahalalako an’i Jesoa Kristy izay nahafoizako ny zavatra rehetra.
Ny antony hitoriana ny Evanjely dia mba hidirana amin’ny finoana, handraisana ny batemy, izany hoe hanekena hiala amin’izay rehetra mahakasika ny tontolon’ny ota ka hanandramana ny fiainam-baovao mifanaraka amin’ny fitsanganan’i Kristy ho velona. Izay tsy mino dia ho voaheloka. Tsy Andriamanitra tsy akory no hanameloka Azy fa ny lalana nosafidìny no tsy ho afaka hitondra azy any amin’ny famonjena, amin’ny fahalalana an’Andriamanitra. Raha fahalalana an’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay (Jo 17,3), dia tsy afaka hitombo fahalalana Azy izay manalavitra Azy.
Misy famantarana (σημεῖον sèmeion) dimy voatanisa eto, hahalalana izay mino fa zavatra iray no manambatra azy rehetra: “amin’ny Anaran’i Jesoa” no anaovana azy: fandroahana ny demony (Mk 1,39); fiteny fiteny vaovao (καινός – kainos: vaovao amin’ny maha izy azy, hafa tanteraka noho izay taloha, izany hoe tonga amin’ny fahamatorany/ tsy afangaro amin’ny νέος – neos, vaovao vao niorina ka tsy mbola matotra). Tsy zavatra hafa araka izany no ambaran’ny Apôstôly fa ny fomba itenenany azy no havaozin’ny Fanahy izay mampahatsiaro azy ireo ny fampianaran’i Jesoa manontolo, hahazakan’izy ireo ny lanjan’ny teny hotoriany (Jo 16,12); handray menarana izy: raha raisina ny fampanantenan’i Jesoa amin’ny mpianany dia tsy handray menarana tsy akory fa hanitsaka ny menarana (Lk 10,19); hisotro zava-mahafaty izy fa tsy hampaninona azy izany, satria tsy misy hampaninona azy afa-tsy izay mamono ny fanahy (Mt 10,28); hametra-tanana amin’ny marary dia ho sitrana ireny. Amin’ny anaran’i Jesoa avokoa no anaovany izany rehetra izany. Ary i Kristy miakatra any an-danitra sy mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra ary miaraka amin’ireo manaiky hitory ny teniny dia maneho izany amin’ny σημεῖον (sèmeion) famantarana (fa tsy fahagagana) anehoana antsika ny fitiavan’ny Ray.
Vavolombelona no ilain’i Jesoa ka tsy ho afaka ny ho tonga vavolombelony izay tsy mbola nahita azy tafatsangan-ko velona, tsy afaka hahita Azy mitsangan-ko velona izay tsy hanaiky hanandrana ny fahafatesana miaraka Aminy: raha tsy maty ny voa afafy, tsy afaka hamokatra ho amin’ny fiainam-baovao. Izay te hitory ny Evanjeliny dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny fiainana araka ny Evanjely torìny.