Alakamisy Masina
- Eksaody 12,1-14/
- Salamo115/
- 1Kôrintianina 11,23-26/
- Md Joany 13,1-15
Ny Haggadah (tantara) no nentin’ny zanak’Israely nampita ny finoany mba tsy hanadinoana izay nataon’i YHWH tamin’ny vahoakany, 1500 taona talohan’i Kristy (Dt 4,9), tantara entiny manambara sy mampita ny finoany (Dt 26,5-8). Nankalazain’izy ireo isan-taona izany, isaky ny harivan’ny faha 14-n’ny volana voalohany (14 Nisàna) tahaka ny fetin’ny fahaleovan-tena aty amintsika raha tsotsorina, ka ny antsika ny herin’ny mpitolona no ankalazaina, ny an’i Israely kosa ny Tana-maherin’Andriamanitra. Fety lehibe izany saingy nahatsapa kosa Israely, noho ny zava-misy nianjady tamin’ny vahoakany fa mbola tsy ilay fahalavorarian’ny fahafahana sy fiadanana nampanantenain’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra tsy akory no tanteraka tamin’ny nivoahany avy any Ejipta. Mbola eo ny fahababoana tany Asiria, ny tany Babilôna, ary ny fanjanahan’ny Rômanina, raha tsy hilaza ny fahababoana vaventivety fotsiny ihany.
Tsara homarihina fa lazain’ny mpandinika ara-tantara fa ny fetin’ny Azima (izay fetin’ny mpamboly), hanavaozana ny lalivay hanaovana mofo, sy ny fetin’ny Paka (fetin’ny mpiandry ondry), izay hanaovan’ny arabo sorona mba hiarovana sy hampamokatra ny biby fiompy, dia efa nisy talohan’ny fivoahana tany Ejipta, saingy nampifandraisina tamin’ny fivoahana tany Ejipta. Ary satria ireo fety ireo dia ankalazaina ny harivan’ny volana Abiba (nisàna), dia ny alahady manaraka ny fenomanana amin’io volana io no alahadin’ny Paka ho antsika kristianina.
Ny Eokaristia ankalazaintsika ny Paka araka izany dia mampahatsiaro antsika fa mbola eny an-dalana mankany amin’ny tena fahafahana marina isika, saingy matoky kosa fa mahery ny Tanan’Andriamanitra mambomba antsika, handalo ka hamongotra izay manandevo antsika (Ejipta) fa tsy hisy loza hahafaty antsika kosa. Ny angatahany amintsika kosa dia ny hitadidy sy hankalaza ho mandrakizay izany amin’ny fety hiderana an’i YHWH (Vakiteny I).
I Paoly koa, mampita amin’ny Kôrintianina izay noraisiny tamin’ny Tompo: ny famakiana ny mofo mba hihinanantsika an’i Jesoa. Ny adoration moa (Ton 1,2), dia fiekem-pinoana hilazana am-pahanginana sy am-paharetana fa “raha tsy i Jesoa tsy velona isika, ary tsy ho velona instony raha tsy ho Azy”. Ny “adoration” na fanajana ny Eokaristia dia mitondra amin’izay “fihinanana” sy “fisotroana” an’i Kristy izay, ka anavaozan’izay te ho mpianany ny faniriany te hanahaka Azy, hiombona aina Aminy (communion) ka hahafoy koa ny tena ho an’ny hafa, toa Azy. Izay no nahatonga an’i Md Paoly nilaza fa raha sanatria amin’izay miara-manao Kômonio misy maty voky moa misy maty noana, dia tsy fihinanana ny Vatan’i Kristy intsony izany ary mety ho fihinanana fanamelohana ho an’ny tena aza (1Kôr 11,17snm).
Ampahatsiahiviko matetika rehefa miteny momba ny Eokaristia aho fa amin’ny vavaka fisaorana sy fankamasinana dia miantso ny Fanahy Masina indroa ny pretra (Epiclèse) mba hanamasina ny mofo sy divay (1) ary avy eo hanamasina ny Vahoaka (2) ho tonga “vatana sy Ran’i Kristy”. Mitovy ny hasin’ny Kômonio voahasina sy ny mpino voatsodrano ka tonga tena iray ao amin’i Kristy. Tokony hitovy araka izany ny fanajan’ny Kristianina ny Eokaristia Masina (Mofo sy Divay, Saintes Espèces) sy ny Fiombonana mampitambatra ny Mpino (communion des fidèles). Tokony ho tahaka ny fitsaohana ny Sakramenta Masina sy ny fanajana Azy araka izany no hitsaohan’ny Mpino sy hanajany ny fiombonana sy ny firaisana amin’ny olombelona rehetra, atambatry ny Fanahy Masina. Izay mandrava ny fiombonana dia manimbazimba ny Eokaristia.
I Joany moa dia mitantara ny fanasana tongotra, toy ny sakramenta manambara ny Eokaristia. Rehefa fantatr’i Jesoa fa “tonga ny fotoana hialany eo amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray”, tsy hoe handao antsika izany sanatria, fa hidirany kosa ao amin’ny voninahiny, ka hitoerany amin’ny hafenoana eo anivontsika. Fanasan-tongotra, fanomezana ny sombi-mofo an’i Jodasy, hanehoana ny fara-fitiavana hatramin’ny farany ary fanomezana ny didim-pitiavana, didy vaovao no ataon’i Joany mba hampianatra antsika ny hevitry ny hoe “Mankalaza ny Eokaristia” sy ny hevitry ny misterin’ny hazofijaliana, hidiran’i Jesoa any amin’ny voninahiny.
Tsy afaka ny handray anjara amin’ny Kômonio izay tsy te hotiavina sy hitia. Avy mamerina ny fiekem-pinoana i Joany, milaza fa io Jesoa manasa ny tongotry ny Mpianatra io no ilay iraky ny Ray, Tompo sy Andriamanitra avy amin’Andriamanitra sy hiverina ao amin’Andriamanitra, taratry ny Ray (Jo 14,9), dia nitsangana hanasa ny tongotry ny Mpianatra.
Ny andevo na izay zandriny indrindra no manasa ny tanan’ny ray aman-dreny mitarika ny fanasana. Ny andevo no manala akanjo, misikina sy manasa ny tongotry ny hafa, kanefa aleon’ny Hebrio maty toy izay hanala baraka ny maha Hebrio azy amin’ny fanasana ny tongotry ny hafa raha sanatria andevozina.
Sarotra amin’ny sain’ny olona ny hanaiky izany “endrik’Andriamanitra andevo” izany, satria ny mpino dia manahaka ny Andriamanitra inoany. Moramora kokoa araka izany ny manohy mino andriamanitra mipetraka ambony seza fiandrianana miandry ny rehetra “hilelaka ny faladiany sy hitalaho mafy aminy”. “Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana ianao”, hoy i Piera. Tsy afaka ho tonga mpianatr’i Jesoa izay tsy mibanjina Azy ho “mpanompo” (Lk 22,27). Ny fidirana ao amin’ny Misterin’ny Eokaristia dia fanadiovana ny fiheverantsika momba an’Andriamanitra sy ny fiheverantsika momba ny olombelona koa.
Tsy fahasoavana araka izay tiantsika hofaritana anefa, ka hanerena an’Andriamanitra handio hatramin’ny vatantsika manontolo. Tsy fahasoavana hireharehana sy hiheverana hanana anjara bebe kokoa noho ny hafa, fa fanekena izay hitan’Andriamanitra fa mifanaraka amin’ny filàntsika. “Izay efa nandro tsy mila sasana afa-tsy ny tongotra”.
Tsy ny fanjakazakana sy ny fisehosehoana ho ambonin’ny hafa no mahavonjy fa ny fanompoana an’Andriamanitra “andevon’ny olombelona”, izay ambaran’i Joany fa rehefa nanala ny akanjo (τὰ ἱμάτια – ta himatia= akanjo rehetra) maha Andriamanitra Azy, dia nisikina ny akanjon’ny maha olombelona (lamba famaohana) ka nilatsa-tena ho mpanompo (Fil 2,5-8/Mk 10,45), ary avy eo nandray indray ny akanjony, nipetraka eo an-kavanan’ny Ray, eo amin’ny seza fiandrianany (lakroà), miaraka amin’ilay akanjon’ny mpanompo. Ampahatsiahivin’ny sary eo amin’ny Lakroà Masina antsika fa manohy manompo i Jesoa tafasandratra hiala amin’ny tany, mitafy ilay lamba famaohana nisikinany, nanasa ny tongotry ny Mpianany.
Tsy fanambanian-tena araka izany ny filatsahana hanompo fa fanandratana azy, satria fiezahana hitovy endrika amin’Andriamanitra. izany fiezahana ho mpanompo izany no vokatra irin’ny Sorona Masina ao amintsika kosa, ka tokony iainana ao an-tokantrano sy eny amin’ny fiaraha-monina. I Jesoa tonga olombelona dia mampiseho amintsika ilay endrika tena maha olombelona nahariana antsika haneho ny fisian’Andriamanitra (צֶלֶם – tselem, manambara izay tsy eo, mampahatsiaro ny fisiany), ary voaantso hitovy endrika aminy, haneho ny endriny amin’izao tontolo izao(דְּמוּת – demouth).]
Ny litorjian’ny Alakamisy Masina dia manomana antsika sahady amin’ilay alina masin’ny Paka, satria manambara ihany koa ny alina nandalovan’ny Tompo tany Ejipta (Vak I) sy ny alina nanolorana ny Tompo (Vak II sy Evanjely), ary miantso antsika mba handray anjara amin’ny fanasana (zanak’ondry/mofo) hankalazana ny Tompo izany manohy manompo sy manavotra izay mbola manota (Rm 5,8) sy milomano anatin’ny ota mihitsy aza indraindray, hanehoany fa tsy noho ny fahamendrehantsika na noho ny fahavononantsika hiova, fa noho ny fitiavany maimaim-poana no hanaovany izany. Izay mino izany dia tsy hanararaotra ny famindram-pony fa hanao torak’izany “ho fahatsiarovana azy”.
Ohatra no nomen’i Kristy antsika, mba hanaovantsika toy izany koa. Izay no atao hoe “manao Kômonio”, ka ny fivoahantsika avy amin’ny fitiavan-tena mba handeha hamonjy ny hafa no mety hampaloto indray ny tongotsika ka hangatahantsika an’i Kristy mba handio azy kosa indray. Tsy ho sanatria lalana manalavitra Azy no handotoantsika ny tongotsika.
Ny Sal 115 moa dia mampahatsiaro antsika, fa manoloana izany soa rehetra nataony izany dia mba tokony manontany tena kosa isika amin’izay havaly Azy. Ny fanefana ny voady sy ny fanaovana sorom-pisaorana (Eokaristia) no heverin’ny salamo fa lafatra indrindra amin’izany valim-pitiavana izany. Tsy azo adino araka izany ny mivetso ao am-po ny antom-pisaorana (Prefasy) rehefa hiomana hankalaza ny Sorona Masina.
Izany Haggadah izany no tokony hotantaraintsika amin’ny taranaka faramandimby: tian’Andriamanitra aho ka tsy hisy heviny intsony ny fiainako raha tsy ho fitoriana izany fitiavany izany amin’ny fitiavako ny hafa toy ny nitiavany Ahy.
Hanampy antsika hitombo fitiavana anie ny faniriana hanao Kômonio matetika.