Alakamisy Masina
- Eksaody 12, 1-14
- Salamo 115
- 1 Kor 11, 23-26
- Md Joany 13, 1-15
Ny Haggadah (tantara) no nentin’ny zanak’Israely nampita ny finoany mba tsy hanadinoana izay nataon’YHWH tamin’ny vahoakany, 1500 taona talohan’i Kristy (Dt 4, 9), tantara entiny manambara sy mampita ny finoany (Dt 26, 5-8). Nankalazain’izy ireo isan-taona izany, isaky ny harivan’ny faha-14-n’ny volana voalohany (14 Nisan) tahaka ny fetin’ny fahalehovan-tena aty amintsika raha tsotsorina, ka ny antsika ny herin’ny mpitolona no ankalazaina, ny an’Israely kosa ny Tana-maherin’Andriamanitra. Fety lehibe izany saingy nahatsapa kosa Israely, noho ny zava-misy nianjady tamin’ny vahoakany fa tsy mbola ilay fahalavorarian’ny fahafahana sy fiadanana nampanantenain’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra tsy akory no tanteraka tamin’ny nivoahany tany Ejipta. Mbola eo ny fahababoana tany Assiria, ny tany Babilôna, ary ny fanjanahan’ny Rômana, raha tsy hilaza ny fahababoana vaventivety fotsiny ihany.
Tsara ho marihina fa lazain’ny mpandinika ara-tantara fa ny fetin’ny Azima (izay fetin’ny mpamboly), hanavaozana ny lalivay hanaovana mofo, sy ny fetin’ny Paka (fetin’ny mpiandry ondry), izay hanaovan’ny arabo sorona mba hiarovana sy hampamokatra ny biby fiompy, dia efa nisy talohan’ny fivoahana tany Ejipta, saingy nampifandraisina tamin’ny fivoahana tany Ejipta. Ary satria ireo fety ireo dia ankalazaina ny harivan’ny volana Abib (nisan), dia ny alahady manaraka ny fenomanana amin’io volana io no alahadin’ny Paka ho antsika kristianina.
Ny Eokaristia ankalazaintsika ny Paka araka izany dia mampahatsiaro antsika fa mbola eny an-dalana mankany amin’ny tena fahafahana marina isika saingy matoky kosa fa mahery ny Tanan’Andriamanitra mambomba antsika, handalo ka hamongotra izay manandevo antsika (Ejipta) fa tsy hisy loza hahafaty antsika kosa. Ny angatahany amintsika kosa dia ny hitadidy sy hankalaza ho mandrakizay izany amin’ny fety hiderana an’YHWH (Vakiteny I).
I Paoly koa, mampita amin’ny Korintiana izay noraisiny tamin’ny Tompo: ny famakiana ny mofo mba hihinanantsika an’i Jesoa. Ny adoration moa (Tononkira 1,2), dia fiekem-pinoana hilazana am-pahanginana sy am-paharetana fa “raha tsy i Jesoa tsy velona isika, ary tsy ho velona instony raha tsy ho Azy”. Ny “adoration” na fanajana ny Eokaristia dia mitondra amin’izay “fihinanana” sy “fisotroana” an’i Kristy izay, ka anavaozan’izay te ho mpianany ny faniriany te hanahaka Azy, hiombona aina Aminy (communion) ka hahafoy koa ny tena ho an’ny hafa, toa Azy. Izay no nahatonga an’i Md Paoly nilaza fa raha sanatria amin’izay miara-manao komonio misy maty voky moa misy maty noana, dia tsy fihinanana ny Vatan’i Kristy intsony izany ary mety ho fihinanana fanamelohana ho an’ny tena aza (1 Kor 11, 17ss).
Ampahatsiahiviko matetika rehefa miteny momba ny Eokaristia aho fa amin’ny vavaka fisaorana sy fankamasinana dia miantso ny Fanahy Masina in-droa ny pretra (Epiclèse) mba hanamasina ny mofo sy divay (1) ary avy eo hanamasina ny Vahoaka (2) ho tonga “vatana sy Ran’i Kristy”. Mitovy ny hasin’ny Komonio voahasina sy ny mpino voatsodrano ka tonga tena iray ao amin’i Kristy. Tokony hitovy araka izany ny fanajan’ny Kristianina ny Eokaristia Masina (Mofo sy Divay, Saintes Espèces) sy ny Fiombonana mampitambatra ny Mpino (communion des fidèles). Tokony ho tahaka ny fitsahoana ny Sakramenta Masina sy ny fanajana Azy araka izany no hitsahoan’ny Mpino sy hanajany ny fiombonana sy ny firaisana amin’ny olombelona rehetra, atambatry ny Fanahy Masina. Izay mandrava ny fiombonana dia manimbazimba ny Eokaristia.
I Joany moa dia mitantara ny fanasana tongotra, toy ny sakramenta manambara ny Eokaristia. Rehefa fantatr’i Jesoa fa “tonga ny fotoana hialany eo amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray”, tsy hoe handao antsika izany sanatria, fa kosa hidirany ao amin’ny voninahiny, ka hitoerany amin’ny hafenoana eo anivontsika. Fanasan-tongotra, fanomezana ny sombi-mofo an’i Jodasy, hanehoana ny fara-fitiavana hatramin’ny farany ary fanomezana ny didim-pitiavana, didy vaovao no ataon’i Joany mba hampianatra antsika ny hevitry ny hoe “Mankalaza ny Eokaristia” sy ny hevitry ny misterin’ny hazofijaliana, hidiran’i Jesoa any amin’ny voninahiny.
Tsy afaka ny handray anjara amin’ny komonio izay tsy te hotiavina sy hitia. Avy mamerina ny fiekem-pinoana i Joany, milaza fa io Jesoa manasa ny tongotry ny Mpianatra io no ilay iraky ny Ray, Tompo sy Andriamanitra avy amin’Andriamanitra sy hiverina ao amin’Andriamanitra, taratry ny Ray (Jn 14, 9), dia nitsangana hanasa ny tongotry ny Mpianatra.
Ny andevo na izay zandriny indrindra no manasa ny tanan’ny raiamandreny mitarika ny fanasana. Ny andevo no manala akanjo, misikina sy manasa tongotra ny hafa, kanefa aleon’ny hebrio maty toy izay hanala baraka ny maha-hebrio azy amin’ny fanasana ny tongotry ny hafa raha sanatria andevozina.
Sarotra amin’ny sain’ny olona ny hanaiky izany “endrik’Andriamanitra andevo” izany, satria ny mpino dia manahaka ny Andriamanitra inoany. Moramora kokoa araka izany ny manohy mino andriamanitra mipetraka ambony seza fiandrianana miandry ny rehetra “hilelaka ny faladihany sy hitalaho mafy aminy”. “Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana ianao”, hoy i Piera. Tsy afaka ny ho tonga mpianatr’i Jesoa izay tsy mibanjina Azy ho “mpanompo” (Lk 22, 27). Ny fidirana ao amin’ny Misterin’ny Eokaristia dia fanadiovana ny fiheverantsika momba an’Andriamanitra sy ny fiheverantsika momba ny olombelona koa.
Tsy fahasoavana araka izay tiantsika hofaritana anefa, ka hanerena an’Andriamanitra handio hatramin’ny vatantsika manontolo. Tsy fahasoavana hireharehana sy hiheverana hanana anjara bebe kokoa noho ny hafa, fa fanekena izay hitan’Andriamanitra fa mifanaraka amin’ny filàntsika. “Izay efa nandro tsy mila sasana afa-tsy ny tongotra”.
Tsy ny fanjakazakana sy ny fisehosehoana ho ambonin’ny hafa no mahavonjy fa ny fanompoana an’Andriamanitra “andevon’ny olombelona”, izay ambaran’i Joany fa rehefa nanala ny akanjo (τὰ ἱμάτια = akanjo rehetra) maha-Andriamanitra Azy, dia nisikina ny akanjon’ny maha-olombelona (lamba famahoana) ka nilatsa-tena ho mpanompo (Fil 2, 5-8/Mk 10, 45), ary avy eo nandray indray ny akanjony, nipetraka eo an-kavanan’ny Ray, eo amin’ny seza fiandrianany (lakroà), miaraka amin’ilay akanjon’ny mpanompo. Ampahatsiahivin’ny sary eo amin’ny Lakroà Masina antsika fa manohy manompo i Jesoa tafasandratra hiala amin’ny tany, mitafy ilay lamba famahoana nisikinany, nanasa ny tongotry ny Mpianany.
Tsy fanambanian-tena araka izany ny filatsahana hanompo fa kosa fanandratana azy, satria fiezahana hitovy endrika amin’Andriamanitra. izany fiezahana ho mpanompo izany no vokatra irin’ny Sorona Masina ao amintsika kosa, ka tokony iainana ao an-tokan-trano sy eny amin’ny fiaraha-monina. I Jesoa tonga olombelona dia mba hampiseho amintsika ilay endrika tena maha-olombelona nahariana antsika haneho ny fisian’Andriamanitra (צֶלֶם tselem, manambara izay tsy eo, mampahatsiaro ny fisiany), ary voaantso hitovy endrika aminy, haneho ny endriny amin’izao tontolo izao (דְּמוּת demout).]
Ny litorjian’ny Alakamisy Masina dia manomana antsika sahady amin’ilay alina masin’ny Paka, satria manambara ihany koa ny alina nandalovan’ny Tompo ny tany Ejipta (Vak I) sy ny alina nanolorana ny Tompo (Vak II sy Evanjely), ary miantso antsika mba handray anjara amin’ny fanasana (zanak’ondry/mofo) hankalazana ny Tompo izany manohy manompo sy manavotra mbola mpanota (Rοm 5,8) sy mpilomano anatin’ny ota mihitsy aza indraindray, hanehoany fa tsy noho ny fahamendrehantsika na noho ny fahavononantsika hiova fa noho ny fitiavany maimaim-poana no hanaovany izany. Izay mino izany dia tsy hanararaotra ny famindram-pony fa kosa hanao torak’izany “ho fahatsiarovana azy”.
Ohatra no nomen’i Kristy antsika, mba hanaovantsika toy izany koa. Izay no atao hoe “manao komonio”, ka ny fivoahantsika avy amin’ny fitiavan-tena mba handeha hamonjy ny hafa no mety hampaloto indray ny tongotsika ka hangatahantsika an’i Kristy mba handio azy kosa indray. Tsy ho sanatria lalana manalavitra Azy no handotoantsika ny tongotsika.
Ny Salamo 115 moa mampahatsiaro antsika fa manoloana izany soa rehetra nataony izany dia mba tokony manontany tena kosa amin’izay havaly Azy. Ny fanefana ny voady sy ny fanaovana sorom-pisaorana (Eokaristia) no heverin’ny salamo fa lafatra indrindra amin’izany valim-pitiavana izany. Tsy azo adino araka izany ny miventso ao am-po ny antom-pisaorana (Prefasy) rehefa hiomana hankalaza ny Sorona Masina.
Izany ny Haggadah izany no tokony tantaraintsika amin’ny taranaka faramandimby: tian’Andriamanitra aho ka tsy hisy heviny intsony ny fiainako raha tsy ho fitoriana izany fitiavany izany amin’ny fitiavako ny hafa toy ny nitiavany Ahy.
Hanampy antsika hitombo fitiavana anie ny faniriana hanao komonio matetika.