Alakamisy II Paka
- Asa 5,26-33/
- Salamo 33/
- Md Joany 3,31-36
Natao an-tranomaizina ny Apôstôly satria olana ho an’ny Lehiben’ny Mpisorona sy ny mpiandany aminy na ny famantarana sy ny fahagagana nataony fa indrindra indrindra ny fitomboan’ny mpino isa isan’andro isan’andro. Ny Tompo anefa maniraka mandrakariva ny Anjeliny hiaro ny mpanompony.
Ny Apôstôly moa mitoky amin’ny Fanahy Masina, ny Lehiben’ny Tempoly kosa mila mpiambina mba hitondra ny Apôstôly eo anatrehan’ny fitsarana avo, na dia izy ireo ihany aza no hanadina ny Apôstôly. Adinon’izy ireo, hoy i Bède le Vénérable ny loza niriny ho an’ny tenany sy ny taranany momba ny ran’i Jesoa (Mt 27,25).
Amin’ny valin-teny nataon’ny Apôstôly, hoy i Md Jean Chrysostome dia hita ny fivoaram-panahiny. Tsy namaly intsony izy ireo hoe “aoka ianareo ihany no ho mpitsara” (Asa 4,19) fa “Ilay natsangan’Andriamanitra, Izy no torinay”. Tsy ny hahazo voninahitra eo imason’ny Sanedrina intsony no tanjon’ny Apôstôly fa ny hitady ny fomba rehetra hialan’ireo mpanadina amin’ny fahadisoany.
I Jesoa nasandratr’Andriamanitra ho eo an-kavanany no handrotsahany amintsika ny fahasoavana hibebahana sy ho voavela heloka. Tsy ny hampitomany na hahamenatra amin’ny heloka vita, araka izany no laharam-pahamehan’ny Apôstôly fa ny hanambara fa lehibe noho ny fahotantsika olombelona ny famindram-pon’Andriamanitra. Vavolombelon’izany izy ireo sy ny Fanahy Masina. Tsy afaka ny hijoro ho vavolombelona izay tsy atambatry ny Fanahy Masina.
Tsy afaka ny hanana izany fitokisana izany anefa afa-tsy izay efa nanandrana ny hatsaram-pon’ny Tompo (Salamo setriny) ka mahafantatra ary mino fa tsy manadino ny mpanompony Andriamanitra sy manafaka azy mandrakariva amin’ny sarotra, eny fa na dia amin’ny fandalovana amin’ny fahafatesana aza no anatanterahany izany, mba hampiharihariany ny heriny amin’ny fananganany ho velona.
Ny Evanjely (tsy tohin’ny resak’i Jesoa sy Nikôdema intsony tahaka ny fampidirana ao amin’ny Boky Sorona Masina fa valintenin’i Joany Batista amin’ny Mpianany, taorian’ny nilazany fa i Jesoa tsy maintsy mitombo fa i Jesoa kosa tsy maintsy mihena) dia maneho amintsika ny fahalehibeazan’i Jesoa, ilay avy any an-danitra, tonga hampianatra antsika ny fisainana araka ny lanitra. Tsy izay hitany sy reny fotsiny, hoy i Md Jean Chrysostome, no nambaran’i Jesoa tamintsika fa ny maha Izy Azy mihitsy, ny fiainan’Andriamanitra nivelomany, Izy no ilay Teny, Tenin’ny Ray, tsy maheno ny tenany Izy araka izany fa Izy mihitsy no ilay Teny tonga nofo, manana ny hafenoana tsy misy fetran’ny Fanahy, ilazan’ny Ray amintsika amin’ny tenany sy ny fiainany manontolo ny tsiambaratelon’ny Fitiavany. Izy no hafenoan’ny fanomezam-pahasoavana, ho antsika kosa, rantsam-batana mirafitra ho tena iray ao Aminy dia samy mahazo ny fanomezam-pahasoavana handrafetana ny fiombonana (1Kôr 12,8).
Tia ny Zanaka ny Ray ka nanome Azy ny zavatra rehetra. Ka angaha tsy tia an’i Joany na i Paoly koa Izy, hoy i Md Augustin, ka nahoana no tsy nomeny ny zavatra rehetra koa ireo? Dia izy ihany moa no manome ny valiny, milaza fa fitiavan-janaka lahitokana ny an’ny Ray, ary Zanaka mitovy Aminy amin’ny maha Andriamanitra Azy no naterany (Fil 2,6), tsy olona ambany fa mitovy Aminy amin’ny maha Andriamanitra Azy, araka izany no nirahiny. Izany moa no finoantsika ny maha Andriamanitra marina an’ilay Teny tonga nofo, tonga olombelona marina tokoa mitovy amintsika, atoron’i Joany Batista antsika.
Ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, izany hoe ny fiainana araka ny Evanjeliny no hidirana amin’ny fahasambarana. Izay tsy mino kosa dia hitoeran’ny fahatezeran’Andriamanitra. Mila halalinina ihany anefa izay hoe fahatezeran’Andriamanitra izay sao afangarontsika amin’ny fahatezeran’ny olombelona. Ny olona manko rehefa misy olona hafa mahatezitra azy dia famaizana (sazy sy kapoka) no tonga voalohany ao an-tsainy. Andriamanitra kosa, rehefa misy mahatezitra Azy, Izy izay “mahari-po”, tsy malaky tezitra (Eks 34,6) ary “fahatezerana tsy maharitra hatramin’ny farany”, hoy ny Boky Fahendrena (Fah 16,5; 18,20), rehefa misy zanany tsy manaraka ny lalàny, misy ondry nania lavitra ny vala, dia tsy mandry andro tsy mandry alina Izy mitady ny fomba hitondrana azy indray hiverina amin’ny fahasambarana, miandry am-paharetana ny fotoana hiverenany ao an-Tranon-dRay, ary ilay ondry very aza, hoy ny Evanjely, dia ataony an-tsangory hiverina ao am-bala rehefa hitany; rehefa tafaverina ny zanany mpandany dia anaovany fety tsy manam-paharoa (Lk 15). Asakasak’ilay zokiny anefa raha hino fa fitiavana Rainy, ka hiditra hiaraka hifety na hijanona any ivelany, tsy hino (tsy hiaiky) ka hanandrana ny hamamin’ny Fitiavan’ny Rainy.
Ny fahasambaran’izay nandray ka niaina ny Teny no hahafahany mitia ihany koa toy ny itiavan’Andriamanitra ny zanany tsirairay avy.