Alakamisy II Karemy
Jeremia 17, 5-10
Salamo 1
Md Lioka 16, 19-31
“Ho voaozona ny olona mitoky amin’olombelona, sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’ny Tompo ny fony. Hohasoavina ny olona mitoky amin’ny Tompo, sy manatena ny Tompo ho tokiny… mamaly ny olona araka ny asany ny Tompo”. Inona ary ny hevitr’izany? Lazain’i Md Paoly fa navotana isika, tsy vokatry ny asantsika fa noho ny finoana, noho ny fahasoavana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra (Efeziana 2, 8). Raha tsy azo tsara anefa izany dia hanahirana satria matetika heverintsika fa vokatry ny fiezahantsika ary valisoa mifanahaka amin’ny fahamasinantsika ny lanitra, ary noho izany dia mila miezaka mba hahazoana azy, satria Andriamanitra mahita izay mendrika hahazo ny lanitra, ny sisa havariny any amin’ny afobe.
Mialoha ny hanazavana izany anefa dia tsara ihany koa ny manamarina ny mety ho fiheveran-dison’ny sasany ka hihevitra fa tsy mila miezaka izany, ary afaka manao izay danin’ny kibo, satria fitiavana Andriamanitra ka tsy afaka ny tsy handray antsika ho any an-danitra na dia mahavita zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitrapony aza. Mila eritreretina ihany ny salamo fandinihana izay milaza fa ny ratsy fanahy dia sahala amin’ny akofa, paohin-drivotra, ny hatsaram-panahy no mampisy heviny, mampisy lanjany ny fiainana.
Mila miezaka ary izany isika sa tsia? Mazava loatra fa mila miezaka isika, mila “mandinika sy misaintsaina andro aman’alina ny lalàn’ny Tompo” (Sal 1). Tsy ny fanaovana na ny tsy fanaovana ezaka manko no olana fa ny antony hanaovana azy. Misy ny miezaka mba hahalala an’Andriamanitra, ka hitombo fitiavana Azy, ary izany fibanjinana ny fitiavany izany, ny fahatsapana fa notiavina no manova ny fiainana ho tonga taratry ny fitiavany. Tonga ato an-tsaiko ireo “nosoavin’ny Ray” izany tsy nahalala akory fa nanao soa tamin’ny noana sy ny mangetaheta, ny tsy nitafy sy ny mpivahiny, ny marary sy ny voahilikilika natao an-tsesintany (Mt 25). Tsy ny ho voavonjy no nanaovan’izy ireo asa soa fa noho izy ireo “nohasoavina” ka tsy afaka ny tsy hanasoa.
Ny tombontsoa azontsika amin’ny fiainana dia “fahasoavana”, tsy entina hireharehana fa entina hanasoavana. Te hovaliana babena ao amin’ireo endriny Andriamanitra. Ny tantara haintsika tsianjery, voalaza ao amin’ny Evanjely anio: ilay mpanankarena sy Lazara (אֶלְעָזָר ‘El`azar), midika hoe novonjen’Andriamanitra, anarana manambara fa ilay mahantra dia tsy adinon’Andriamanitra tsy akory. Porofon’izany ny nampiakarany azy ho eo am-pofoan’i Abrahama, na dia izy aza no maty aloha, fa samy ho faty ihany anefa. Tany amin’ny fonenan’ny maty (ᾅδης hades, avy amin’ny hoe α-εἰδῶ, a-eidô, midika hoe tsy taka-maso) dia lazain’i Md Lioka fa ao anatin’ny fijaliany no niandrandra ilay mpanankarena ka nahita an’i Abrahama nitrotro an’i Lazara. Lasa any amin’ny afobe, hoy isika. Dia any ve mbola mivavaka? Afaka mahita an’i Abrahama? Inona no tian’ny Evanjely hampitaina amintsika?
Ampahatsiahivin’i Md Lioka mialoha ity tantara ity fa ampianarin’i Jesoa isika mba hampiasa ny harena tsy marina hitadiavana namana handray antsika any amin’ny mandrakizay (Lk 16, 9). Avy eo avoitrany amin’ny fitantarana fa tsy hoe akory nangalatra na nanano ratsy ilay mpanan-karena. Nangady lavaka (hantsana) hampanelanelana azy sy Lazara izy. Ny hadisoany dia ny tsy fitsinjovany ilay “hohasoavin’Andriamanitra”, adinony ny adidy napetrak’Andriamanitra taminy, araka ny lalan’i Moizy (Eksaody 22, 21-24; Amosy 5, 10-12; Izaia 1,17; 58, 7). Lazain’i Lioka amin’izany ary fa izay ampieboeboin’ny haren’ny tany dia tampina ny masony ka tsy hahita ny torohevitra atoron’ny Lalàna sy ny mpaminany intsony.
“Ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy dia amin’ny fisaintsainana ny lalan’ny Tompo andro aman’alina”, hoy ny Salamo 1 setriny, dia ataonao ahoana ny hanao izany? Aiza tokoa moa no hananao fotoana hanaovana izany raha toa ka “hanao fihinanam-be isan’andro” ianao. Raha Facebook sy Internet, TV sy MP tsy hikatsahana ny lalan’ny Tompo fa hiheveran-tena ho manan-karena (na manana namana) no mameno ny fo, na ho ela na ho haingana, ho zary “akofa paohin-drivotra” ny fiainanao: very hasina.
Lazain’i Lioka aza fa ny alika avy no tonga nilelafa ny feriny. Ny fery lelafin’ny alika dia maina, sitrana. Ny alika izany tonga mitsabo an’i Lazara, saingy ilay mpanakarena kosa, lasa ratsiratsy kokoa noho ny alika, tsy niontsona akory tamin’ny fahorian’ilay mahatra eo an-tokonam-baravarany.
Dia inona ny fijaliana nampahory ilay Mpanankarena? Efa zatra nihinana izy, kanefa tsy nangataka zavatra betsaka: rano kely monja hakasika ny lelany no mba nangatahiny, satria mangetaheta izy, saingy hangetaheta mandrakizay. Tara loatra ny fahatsapany ny tena harena, ka tsy mba nanangona ho amin’ny mandrakizay izy, fa nandanilany foana ny fananany. Loza ho anareo mpanankarena, hoy i Jesoa (Lk 6, 24).
Na eo aza anefa ny fijaliany, dia eo ihany koa ny fiahiany ireo rahalahiny dimy, mbola miriaria, sao sanatria hanary ny fiainany amin’ny zavatra tsisy dikany koa izy ireny ka mety hanenenana mandrakizay. Mazava ny valin-tenin’i Abrahama. Tsy Andriamanitra fa Abrahama no milaza, ilay Rain’ny Mpino, hilazana fa na ny fampianaran’ny Testamenta Taloha aza dia efa manoro antsika ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana. Manana ny Lalàna sy ny Mpaminany isika. Averimberin’i Lioka matetika ireo. I Jesoa mivavaka, miresaka amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany mba hanamafy ny fanapahan-keviny hiditra any Jerosalema (Fiovana tarehy, Evanjely Alahady II). Izay tsy te hahavery ny fiainany dia manana ny Lalàna sy ny Mpaminany hanoro lalana azy ho amin’ny fibebahana (evanjely anio), efa voasoratra ao amin’ny mpaminany avokoa ny zavatra rehetra mikasika an’i Jesoa (Lk 18, 31), ary nazavainy an’ireo Mpianatra roa nankany Emaosy izay voasoratra momba Azy ao amin’i Moizy sy ny Mpaminany sy ny Salamo (Lk 24, 44).
Asain’ny Ray hihaino an’i Jesoa isika, ka lalana hahafahantsika mahafantatra Azy ny fandinihana ny Soratra Masina. Manana an’i Moizy sy ny Mpaminany isika ka tsy hiandry ny maty hitsangana vao hibebaka na izay vao hiezaka hanome heviny ny fiainantsika. Efa napetrak’Andriamanitra eo am-pelatanantsika ny hafenoan’ny fahasoavany ka anjarantsika ny mampiasa izany, hanomezana hasiny ny fiainantsika na hanariantsika azy hopaohin-drivotra ho very mandrakizay. Izay tsy voazarantsika dia hanjary fanamelohana ho antsika.
Hovalian’Andriamanitra araka ny asantsika isika, na ny marimarina kokoa, ny fahaizantsika mampiasa ny fahasoavana omeny maimaim-poana no mampisy heviny ny fiainantsika eo anatrehany. Enga anie hiasa ao am-pontsika ny fahasoavany ka hitondra vokatra eo amin’ny andavanandrom-piainana (Vavaka aorian’ny Komonio).