Alakamisy fahenina mandavan-taona
- Tsy ankasa: Boky Jenezy 9,1-13/ Salamo 101/
- Ankasa: Jakôba 2,1-9/Salamo 33/
- Md Marka 8,27-33
Ao amin’ny Evanjelin’i Marka dia tsy sasatra ny mifindra toerana i Jesoa ary arahin’ireo mpianatra izay miezaka ny hahazo ny zava-miafina tsy maintsy hodradradradraina kosa any aoriana any (Mt 10,27). Eo am-pisasahan’ny fitantarany dia miakatra any amin’ny tanànan’i Sezarean’i Filipo Izy, any amin’ny loharano ipoiran’ny Ony Jordany, ka manontany ny mpianany izay hevitry ny olona momba Azy. Ny mpianatra rahateo hatrany am-piandohan’ny Evanjely dia efa nanontany tena ny amin’i Jesoa izay manana fahefana mandroaka demony (Mk 1,27) sy mampitony ny rano (Mk 4,41).
Ny fikisahana avy any Betsaida mankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo dia azontsika hanatsoahana hevitra hafa koa: raha tiana ho mari-pototra ny fiantsoana (vocation, toerana Betsaida) novaliantsika mba hanompoana an’i Jesoa eo anivon’ny fiaraha-monina dia tsy maintsy hamafisina mandrakariva ny loharano niaviany (Sezarea). Tsy afaka ny ho iraka isika raha tsy tonga mpianatra aloha, miara-miaina amin’i Jesoa, mandray sy miaina ny batemy, ary manavao isan’andro ny fifandraisantsika amin’ny Mpampianatra.
Efa natsidik’i Md Marka ihany moa ny fihevitry ny olona momba an’i Jesoa, rehefa nandre ny lazany i Herôda (Mk 6,14-16): i Joany Batista na ny anankiray amin’ny Mpaminany no nitsangan-ko velona. Ho an’ireo mpianatra kosa, ary ho antsika tsirairay koa izay te hanaraka Azy, dia anontaniany raha mitovy hevitra amin’ny olona isika na mba manana famaritana hafa ankoatr’izay. I Md Piera no namaly fa “ i Jesoa no i Kristy”. Fa noraran’i Jesoa izy tsy hilazalaza izany amin’ny olona.
Mazava ny antony araka ny zava-mitranga : mbola mila diovina ny fahalalan’i Piera ny atao hoe Mesia na Kristy. Mbola tsy mifanaraka amin’ny hevitr’Andriamanitra ny fisainany (Mk 8,33) eny fa na dia tsy ny nofo aman-dra aza fa ny Ray any an-danitra no nanambara taminy fa i Jesoa no Kristy (Mt 16,17). Mbola ny fanirian’ny Jody maro miandry an’Andriamanitra hamongotra ny fahavalo ka hanome fahafahana sy fiainana mamirapiratra no tao an-dohan’i Piera, hany ka nahatafintohina azy ny fanambaran’i Jesoa mialoha ny fahafatesany.
Sarotra ho azy ny hino fa ilay voahosotr’Andriamanitra dia hijaly sy hatositosika ary hovonoina. Tsy mbola azon’ny sainy ny hevitry ny hoe “hitsangana ho velona”, na ny marimarina kokoa ny “ho faty”. Araka izany dia asain’i Jesoa mangìna aloha ny Mpianatra, hanohy ny lalana mizotra ho any Jerosalema, hanamafy ny finoany fa Zanaka Malalan’Andriamanitra i Jesoa.
Asain’i Marka koa isika handinika sao sanatria ao ambadiky ny fiekem-pinoantsika dia i satana no maka fanahy antsika amin’ny endrik’Andriamanitra heverina hanome antsika ny fahefana rehetra ka na hitsambikina avy eny ambonin’ny tilikambom-piangonana aza isika tsy haninona, satria “zanak’Andriamanitra” (Mt 4,8-10). Tsy misorona i Jesoa miteny amin’izay ho mpianany, “mazava tsara” (παρρησία –parresìa Mk 8,32) no nilazany azy hoy i Marka : izay te ho mpianany dia handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ary hanaraka Azy hijaly, atositosika ary hovonoina mihitsy aza (Zomà faha-VI mandavan-taona Mk 8,34-39).
Mazava ny tenin’i Jesoa amin’i Piera sy izay mbola misalasala noho ny fiheverana fa fandresena (araka ny olombelona) mandrakariva no ho an’izay manara-dia an’i Kristy : hanaraka azy avy ao aoriana (ὕπαγε ὀπίσω μου, – hupagè opisô mou : nadikan’ny baibolintsika hoe mialà amiko) satria tsy sanatria hanamongo ny Rômanina fa hanolotra ny tenany ho Sorona. Izay no nahatongavany ary mba hilazany fa tsy ny herisetra no valin-tenin’Andriamanitra manoloana ny fahotan’olombelona fa ny fitiavana, vavolombelon’izany fitiavana izany hatramin’ny fahafatesana Izy.
Izay te ho mpianany dia voaantso hanao izany koa fa tsy sanatria hiandry zavatra tsy nampanantenain’Andriamanitra. Tsy afaka ny hihevitra araka ny olombelona manko izay manara-dia an’i Jesoa.