Alakamisy fahatelo tsotra mandavan-taona
- Tsy ankasa Hebrio 10, 19-25/Salamo 23/
- Ankasa 2 Samoela 7, 18-19. 24-29/Salamo 131
- Md Marka 4, 21-25
“Moa tonga ve ny jiro mba hapetraka ao ambanin’ny vata famarana na ny farafara?” Ny nampiasan’i Marka ny matoanteny “tonga” fa tsy entina (μήτι ἔρχεται, ἔρχομαι ) dia heverina fa entiny hilazana ny jiro manambara ny fiavian’i Kristy, ilay mpampakatra, ary avy eo koa hanambara antsika, jiro irahiny hanazava izao tontolo izao. Izy no manolotra antsika ny Jiro, fanomezana avy Aminy maimaimpoana araka izany ny hazavana fa anjarantsika kosa ny mametraka azy eo ambonin’ny fanaovan-jiro; Izy no nifidy antsika sy maniraka antsika kosa avy eo ho fahazavan’izao tontolo izao ka tsy afaka ny tsy hiseho ho fahazavana, tsy afaka ny hihafina izay te ho mpianany, na hamoizany ny ainy aza izany.
Tsy zavatra hafenina ny hafalian’ny ampakarina fa fety ankalazaina araka izay tratra. Na dia tsy takatry ny sain’ny rehetra aza ny zava-miafina aseho amin’ny mpianatra sy ny olom-bitsy ao amin’ny mangingina dia tsy maintsy hotoriana hatraiza hatraiza izany, amin’ny fotoana maha-mety azy. Tsy afaka hahafantatra izany anefa isika raha tsy mangilan-tsofina hihaino ary hitandrina izay heno.
Indraindray heverintsika fa ny konfesintsika sy ny fahotan’ny sasany no voalaza amin’izany lazaina amin’ny mangingìna izany. Izao ny fanazavan’i Md Matio azy: ireo Apôstôly nahazo fampianarana tao amin’ny mangingìna dia irahin’i Jesoa hitory izany eny an-tafontrano (Mt 10,27) mba hahatonga azy ireo ho fahazavana hanilo ny tany tontolo (Mt 5,16). Sady fampaherezana ireo izay voasakan’ny fanenjehana izany teny izany no famporisihana ireo izay mety matoritory ka tsy mahatsapa fa “loza ho azy” raha tsy mitory ny Evanjely izy (1 Kor 9, 16).
Asian’i Md Marka tsindrim-peo manokana fa tsy mihaino fe mihaino fotsiny fa mila mandinika sy mitandrina an’izay re, mila mijery (βλέπω) an’ilay Teny tonga nofo, tafasandratra eo amin’ny voninahiny, eo amin’ny fanaovan-jiro vaovao, dia ny Lakroà, mila mibanjina Azy mba hahazo tsara ny Teny. Ny famarana hamarantsika ihany no hamarana ho antsika, ary homena mihoatra aza, satria izay manana ny fahalalana ny zava-miafin’ny Fanjakan’ny lanitra no homena, fa izay tsy manana kosa dia hoesorina aminy hatramin’izany “heveriny” (Lk 8, 18) ho fananany aza. Mampanontany tena izany amin’izay harena ironan’ny fontsika olombelona indraindray ka andaniantsika fotoana hianarana sy halalinina. Sao sanatria harena “avela ho lovan’ny hafa” (Sal 48) no himatimatesana.
Izay tsy mampamokatra ny fahasoavana noraisiny, fa mifikitra amin’ny haren’ny tany, na mitsoaka an-daharana nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny Teny, na koa mihanona tamin’ny mahazatra ka tsy nanaiky handray ny tsiokan’ny Fanahy manavao ny tany (ny teny voafafy eny amin’ny lalana), dia ho diso fanantenana.
Mazava ny hafatra tian’ny Evanjely holazaina: tsy misy afa-tsy ny fihainoana ny fampianaran’i Jesoa sy ny fitandremana azy no lalana hahafahana miditra amin’ny fiainana. Ny vavaka ataontsika anie hanampy antsika hitahiry ny hafaliana amin’ny fihainoana ny teny,, ny fandinihana sy ny fitandremana azy.