Alakamisy faharoa mandavan-taona
- Tsy ankasa Hebrio 7, 25-8,6/Salamo 39/
- Ankasa 1 Samoela 18, 6-9; 19, 1-7/Salamo 55/
- Md Marka 3, 7-12
Nanatona an’i Joany ny avy any Jodea sy ny avy any Jerosalema rehetra mba hataony batemy (Mk 1,5). Fa rehefa milaza ny mpanaraka an’i Jesoa kosa i Marka dia tsy ireo ihany fa na ny avy any Idomea, Tira sy Sidôna sy ny avy any an-dafin’ny Jordany dia nanaraka Azy avokoa. Ambaran’i Marka koa anefa ny anton’izany fahabetsahan’ny vahoaka izany: satria nandre ny nataony ny olona ka izay nanana aretina dia nifanesika hanendry Azy, satria te ho sitrana. Tsy olona mpamonjy alahady fotsiny ireto fa vahoaka be manaraka Azy mandritra ny andavan’androm-piainana.
I Jesoa sy ny mpianany no lazain’ny Evanjely anio fa nisintaka mankany amin’ny faritry ny ranomasina, ranomasina izay tsy maintsy hovakivakiana mba hiampitana any amin’ny fahafahana marina sy ny tanin’ny fahasambarana nampanantenaina. Ny Farisiana sy ny Herodiana moa mitady fomba hamonoana an’i Jesoa, vahoaka be kosa niezaka nanaraka Azy amin’izay alehany.
Dia niangavy ny mpianany i Jesoa mba hanomana ny sambo ho vonona mandrakariva hiandry Azy, hahafahany mipetraka mba hampianatra (Mk 4, 1), eo an-tsambon’i Piera Izy no mampianatra (Lk 5,2). Ny Fiangonana araka izany dia nantsoin’i Jesoa ho fitaovana hifandraisany amin’ny vahoaka, tsy amin’ny fisehoana ho manam-pahefana fa amin’ny fiainana ny maha-iraka, ho fitoerana hahitan’ny olona an’i Jesoa. Na ny fanahy maloto aza manko dia mahalala ary mahay miantsoantso fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra. Midìka izany fa tsy kobaka am-bava ny asa fitoriana ka sanatria ho vitan’ny resaka tsara lahatra. Tsy azo adinoina na oviana na oviana fa fiainana isan’andro ny maha-Apôstôly, ny maha-iraka.
Oharin’ny Evanjely amin’ny sambo ny Fiangonana, vita amin’ny hazo, mitsingevana eo ambon’ny rano (fanehoana an-tsary ny ratsy) ka afaka manavotra sy mitondra any am-pita izay manaiky hiditra ao anatiny. Avy ao i Kristy no mampianatra, avy ao ny Apôstôly no manarato. Sambo kely, mety hatopatopan’ny onja fa kosa hahafahan’i Kristy mampianatra ny vahoaka rehetra, ka ho toy ny “voatsinapy”, hamokatra hazo hafa hahafahan’ny voro-manidina hialofana. Tsy ny fikasihana an’i Jesoa hifanosehana anefa no mahavonjy, ho zary fifaninanana amin’ny hafa ihany izany. Ny fikasihana azy am-pinoana no mahavonjy satria fiandrasana ny indrafony tsy misy fetra ka manome antsika mihoatra noho izay angatahintsika.
Ny Demony koa mitady hikasika an’i Jesoa. Misy olona manao “pubblicité” hilazana fa antokom-pivavahana na fomba fivavahana mahomby hahazoana fanasitranana sy fahasoavana ny Azy. Tsy avelan’i Jesoa hiteny ireny satria tsy hampitombo ny finoana fa hampitombo ny fitiavan-tena sy ny finoanoam-poana ary ny fanompoan-tsampy (idolatrie). Izay fivavahana tsy mampitombo ny fahalalantsika an’i Kristy ary tsy mampitombo ny fitiavantsika ny hafa dia tsy araka an’Andriamanitra.
Ny evanjelin’ny Zoma faharoa moa dia mitantara ny fiantsoana ny Apôstôly. Fidian’i Kristy, hoy i Md Marka ny Apôstôly ka ny fanirahana voalohany ho azy ireo dia ny hitoetra hiaraka amin’i Jesoa, ny mba hanomana sambokely hitoerany hahafahany mampianatra ny vahoaka. Izay mitondra amin’ny fisintahana, hiheverana ho tsaratsara kokoa noho ny hafa dia tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ilay tia sy miantso ny olon-drehetra ho iray ao Aminy.
Tsy ho sanatria ho fiandrasana tombontsoa sy fahagagana hitadiavana tany malemy hanorenam-pangady no hidodododoantsika hanaraka an’i Jesoa. Ho fanilo ho antsika mandrakariva anie ny Teniny torina ao amin’ny Eglizy, amin’ny alalan’ireo Apôstôly vonona hiara-mitoetra Aminy ka tonga vavolombelon’ny fandreseny ny fahafatesana sy ny fahotana.