Alakamisy fahafolo mandavan-taona
- Ankasa 1 Mpanjaka 18, 41-46/Salamo 64
- Tsy ankasa 2 Kor 3,15 – 4, 1.3-6/Salamo 84
- Md Matio 5, 20-26
Tsy afaka amin’ny olombelona amin’ny maha-olombelona azy ny fanoharana ny fiainany amin’ny fiainan’ny hafa, ka hakàny tsoa-kevitra avy amin’izany, saingy miankina amin’ny fahamatoran’ny tsirairay kosa ny mety ho tohin’izany fifampitahana izany, na hitondra amin’ny fivoarana na tsia. Misy ohatra ny mijery ny ataon’ny besinimaro dia mampionon-tena, mandrimandry manana aretina satria hoe: “ny olona rehetra aza tahaka izany”. Amin’ny Evanjely anio dia ny Farisiana sy ny Mpanora-dalàna, sokajin’olona roa fatra-panaraka ny lalàna sy mahatandrin-tena amin’ny zavatra rehetra, hatramin’ny madinika indrindra, no asain’i Jesoa hampitahantsika ny fiainantsika, raha te hiditra amin’ny fiainana isika.
Izany fidirana amin’ny fiainana izany dia fitadiavana ny fomba hialana amin’ny fandrik’izay mety hiviliana tsy hanaraka ny Lalàna: “Mampitombo ny fahamarinana mba ho lehibe kokoa noho ny an’ny farisiana sy ny mpanora-dalana” (Mt 5, 20). Ny Lalàna (Torah) no faratampon’ny fahamarinana takatr’ireo Jody. Izany lalàna izany koa no mila hiainantsika satria ny fahatanterahan’izay kendreny no mampiditra antsika amin’ny fiainana feno hasambarana. Torolalana manko ireo, ka izany no nahatonga an’i Jesoa hilaza fa “tsy hisy foana ny Lalàna mandrapaha-tanterak’izy rehetra” ary Izy Jesoa kosa dia izao indrindra no nahatongavany: “hanatanteraka ny lalàna sy ny Mpaminany” (Mt 5, 17), araka ny henontsika omaly.
Ny lalàna voalohany hotanterahina dia ny hoe : Aza mamono olona.
Nanana ny fahendreny ny Ntaolo fa isika kosa matoky sy mino bebe kokoa ny fampianaran’i Kristy. Tsy ny tahotra ny fitsarana no “tsy hamonoana olona” satria izay mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana (κρίσις, krisis) ary izay milaza fa “tsy misy ilana azy” (ῥακά, rhakà = vaurien, imbécile-imbecillis=malemy ohatry ny kankana, רֵיק reyq tsisy vidiny, vide) ny rahalahiny dia tokony hohelohin’ny Sanedrìna, ary izay milaza azy ho “foka” (μωρός moros, insensé, impie, tsy matahotra an’Andriamanitra) dia hosaziana amin’ny gehen’afo. Ny lohasahan’i Hinnom, γέεννα, avy amin’ny teny hebrioגַּיְא – הִנֹּם (Gaie-hinnom, lohasahan’ny fitomaniana) tany ampiandohana dia fanangonana sy fandoroana ny sisan-taolana. Fa rehefa nitranga izay tantarain’ny 2 Mpanjaka 21,6 tamin’ny nisoronan’i Manase ny zaza amin’ny sampy Moloch, dia nataon’ny Jody ho vavahadin’ny Demony io Lohasahan’i Hinnom, atsimo andrefan’i Jerosalema io ka lasa toerana fandoram-pako, nantsoina hoe gehena.
Mazava ny fomba fijerin’i Jesoa. Raha olona tsy misy ilana azy na adala sy votsa saina no eo anoloanao, aza adino fa rahalahinao io, zanak’ilay Rainao any an-danitra, ka voaantso ianao mba hanome tanana azy. Mampisy heviny ny fiainana izany fanoloran-tena ho an’ny fahasambaran’ny hafa izany, mampahatonga ny fiainana ho fako, ariana any amin’ny gehenafo kosa ny fitahirizana izay tokony ho nampiasaina hanasoavana ny hafa, ary satria “ny fanaovana izay tianao hataon’ny olona aminao” no fitiavana, fahatanterahan’ny lalàna, ka raha sanatria àry ho avy izay andro maha-osa anao, tianao ve ny hihomehezan’ny olona sy hohafokainy?
“Ny adalan’ny tena tafian-damba”, hoy ny Ntaolo, fa tsy hihomehezana. Ka raha hitezeranao izy (ὀργίζω, orgizo moa araka ny fototeny ὀργή, orgè dia milaza ny hatezerana te hanasazy, te hamaly faty), raha ambanianao izy, raha afokainao izy, dia alanao baraka (sy ozoninao) araka izany ilay havanao, ilay rahalahinao, ary raha tsy fahafahambaraka ho anao izany, dia ny Ntaolo ihany no hitsara anao, ary ianao kosa mila handini-tena hoe: inona moa no hilana ahy!!!
Izany no iezahana mandrakariva mandinika sao mitondra alahelo ho an’ny hafa ny fiainantsika, satria fahafaham-baraka sy fahaverezan’ny hasin’ny fiainana eo anatrehan’ny olombelona izany, fa indrindra eo anatrehan’Andriamanitra. Noraisin’ny kristianina am-pahendrena ny fampianaran’i Jesoa fa tsy afaka ny hanolotra fisaorana izay tsy niaina ny fitiavana ka tsy nangata-pamelàna tamin’izay nafokainy na izay nambaniany na izay noheveriny ho tsisy nilàna azy ka nitondra alahelo noho ny avonavony. Ohatra amin’izany ny voalazan’ny “Didakè” hoe “Amin’ny andron’ny Tompo, izay tsy mihavana amin’ny namany dia tsy tokony hiangona miaraka amintsika mialoha ny hiavanany mba tsy hahavoaloto ny Tolotra ataontsika” (Didakè 14, 1-2).
Ny famelana sy ny fihavanana no fanohitra hiadiana amin’ny vono olona sy ny valifaty. Ambaran’i Jesoa fa lalana tsy maintsy diavin’izay te ho any amin’ny fiainana ny fampihavanana. Tsy ho afa-bela amin’izany izay tsy te hihavana fa handoha hatramin’ny variraiventy farany. Tsy ho afaka ny ho sambatra na oviana na oviana izay miondana amin’ny fahorian’ny hafa na manamafy fo vato mandà tsy hanampy ny hafa ka mihevitra azy ho tsinontsinona sy tsy misy ilàna azy. Mety hihevi-tena ho sambatra izy, fa na ho ela na ho haingana, ny tsirairay (raha mbola manan-tsaina koa, ka ho asan’izay te ho adala) tsy maintsy hamaly ity fanontaniana ity amin’ny tenany ihany: “nataoko inona ny fiainako? Ary hamaly koe eo anatrehan’Andriamanitra raha toa ka nampiasainy hanaovan-tsoa na hitiava-tena sy hitadiavan-tombontsoa manokana ny fahasoavana sy ny talenta nomeny antsika. Tsy hisy hiditra any amin’ny mandrakizay izay mbola manana variraiventy manaraka azy: sambatra ny mahantra fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Tsy ny mamono ny vatana ihany tsy akory no mamono olona fa izay rehetra manakana na mandà ny tsy hahasambatra azy ihany koa. Ny hananan’ny olon-drehetra ny hafenoan’ny fiainana no sitrak’i Jesoa (Jo 10, 10) ka antsoiny ho amin’izany ihany koa ny mpianany rehetra.
Afaka miova sy miha-tsara avokoa isika ka ny fialàna amin’ny ratsy dia fitsanganan-ko velona, fidirana amin’ny fiainana, hihoarana ny fahamarinana mety mitondra amin’ny fanavakavahana (Φαρισαῖος Pharisaios, avy amin’ny פָּרַשׁ parash, manavakavaka). Hanangan-ko velona antsika rehetra anie ny Fanahy Masina, ka tsy ho azon’ny avonavon’ny farisiana ka hanilika izay tsy mitovy fihevitra sy tsy afa-manaraka ny lalàna toa azy, hahay handray ny olona rehetra ho mpiray tam-po, hahay hihavana amin’izy rehetra, ary hahay hampiasa izay rehetra ananantsika mba hitiavana an’Andriamanitra sy ny namana, ho fanatanterahana ny Lalàna sy ny Mpaminany.