Alakamisy fahafito fankalazana ny Paka
- Asa 22, 30; 23, 6-11
- Salamo 15
- Md Joany 17, 20-26
Rehefa tonga tao Jerosalema i Paoly dia nitantara ny zava-mahagaga nataon’Andriamanitra tamin’ny Jentily ka nanomezan’izay nandre izany voninahitra an’Andriamanitra. Efa nalaza tao Jerosalema anefa fa mampikomy ny Jody tsy hanaraka ny fomban-drazana sy ny didin’i Moizy izy, ka ankoatr’i Jakoba izay nanery azy hanao voady miaraka amin’ny efa-dahy hafa ho porofo fa tsy niala tamin’ny fomban-drazana izy dia efa nokendren’ny Jody sasany kosa hovonoina, nampangain’izy ireo ho nampiditra tao an-tempoly ireo grika niaraka taminy avy any Mileto.
Ary satria moa niteraka korontana ny fisamborana an’i Paoly sy ny saika hamonoan’ny Jody azy ho faty dia voatery niditra an-tsehatra ny miaramila romana mba hisambotra an’i Paoly, ka hitondra azy ho any anaty rova. Teo amin’ny tohatohatra hiakatra ho any anefa dia nangataka i Md Paoly mba hiteny indraim-bava amin’ny Jody ka nahazo alalana tamin’ilay Komandy Romana. Eo no hitantarany ny fibebahany (izay tantarain’i Lioka in-telo: Asa 9.22.26) kanefa tsy naharesy lahatra ny Jody izany fa vao mainka aza nampitombo ny haromontan’izy ireo. Rehefa tao an-drova i Paoly ka saika hadinina araka ny fomba (daroky ny tsy miala vola), dia nilaza fa manana ny zom-pirenena romana. Henon’ny Komandy izany ka sady natahotra izy ireo no namela an’i Paoly haingana. Ny ampitso dia novorian’ny Komandy ny Sanedrìna sy ny lohandohan’ny mpisorona mba hahalalany izay marina momba ity raharahan’i Paoly ity, eto no manomboka ny vakiteny anio.
Misy resaka hifamalian’i Anania Mpisorombe sy Paoly moa nodinganina eo, satria nasain’i Anania nokapohina ny vavan’i Paoly, fa novalian’i Paoly izy hoe “Andriamanitra no hikapoka anao, ry rindrina voaloko fotsy”. Tsy zakan’ny Jody anefa ny famalin’i Paoly azy amin’ny maha-mpisorombe azy, nefa nolazain’i Paoly fa tsy fantany akory hoe izy no mpisiorom-be! Maty novonoin’ny Jody tany amin’ny toera-maizina famarinan-drano maloto (égout) tamin’ny fiantombohan’ny fikomiana manohitra an’i Roma moa i Anania ny taona 66.
Rehefa hitan’i Paoly fa Farisianina sy Sadoseanina no teo, ity farany moa dia tsy mino ny fisian’ny fanahy sy ny fitsanganan-ko velona dia izay resaka izay no nentiny nampisaraka ny mpiampanga: “Ry havana iray finoana, izaho dia Farisianina, ary ny amin’ny fanantenantsika ny amin’ny fitsanganan-ko velona no hitsarana ahy”. Ny fisavoritahana lasa adin’ny Farisianina sy ny Sadoseanina no nanjaka ka voatery nesorina tamin-kery teo i Paoly fa “saika hotetehin’ny olona teo mihitsy”. Eto no manomboka ny dia faran’i Paoly, hiazo ny tanànan’i Roma handraisany ny satro-boninahitry ny martiry. [Tsy mitantara izany moa i Lioka, fa ny fahatongavan’ny Evanjely hatrany amin’ny faravazan-tany (Roma) no amaranany ny Boky mitantara ny Asan’ny Apostoly.]
Izay toa azy ka sendra ny toe-javatra toy izany dia tsy afaka ny tsy hiventy ny Salamo faha-15, tahaka ireo Levita ny alina tao an-tempoly, mametsovetso ny fitiavan’Andriamanitra, ilay hany tokana azo hitokiana. Toa nanjavona avokoa manko ireo mpino sy ireo sakaiza nitoriana teny, kanefa ny hany lova dia Izy Tompo izay eo aloha, tsy miala eo an-kavanana sy eo an-kavia.
Raha jerentsika kosa ny Evanjely [Jo 17, 20-26, Evanjely tamin’ny Alahady faha-fito], mivavaka ho an’ny Mpino rehetra i Jesoa, mivavaka tsy ho an’ireo apostoly niara-niaina tamin’ilay Teny tonga nofo ihany, fa ho an’izay rehetra mino noho ny Teny voatory mba hiraisan’izy samy izy araka ilay fitiavana ifankatiavan’Izy sy ny Ray. Ilay didy vaovao nomeny izay te ho Mpianany (Jo 13, 34-35), dia zary vavaka eto. Tsy misy zavatra hafa azontsika atao laharam-pahamehana ambony noho izany fiombonana izany. Io ihany no lalana hahafahan’ny olona mino fa i Kristy no ilay Masin’Andriamanitra. Ny fiombonantsika amin’i Jesoa sy amintsika samy isika no mamaritra ny vokatry ny asa pastoraly ataontsika (Vakio Jo 15,1-12).
Nafoin’i Jesoa ho antsika ny voninahiny (ny maha-zanaka Azy) mba haha-iray antsika, mba hahafahantsika mitia. Fa firifiry ny disadisa eo anivon’ny Eglizy noho ny fanaparam-pahefana sy ny fiarovana ny voninahitra araka ny toe-tsain’izao tontolo izao, ka hiheverana ny sasany ho mangalatra andraikitra na tsy mandray andraikitra (satria tsy nanaraka ny baiko)! Ny fiombonana no baiko tokana manentana ny tena mpianatra marina.
Fanirian’i Jesoa ny hitoeran’izay mino Azy amin’izay itoerany, ao an-tranon’ny Ray, hiaina ny maha-zanaka sy maha-fianakavian’Andriamanitra (Efezy 2, 19). “Raha ny olona velona no voninahitr’Andriamanitra, dia ny fibanjinana an’Andriamanitra kosa no fiainan’ny olona”, hoy i Md Irené de Lyon. Ny voninahiny mamirapiratra eo amintsika no manova antsika hitovy endrika Aminy (Vakio 2 Kor 3, 18). Ny tanjona ho an’izay mandray ka mino ny Teny, ny faniriany lalina dia ny hahatonga azy ho taratry ny voninahitry ny Ray. Tahaka an’i Jesoa ka izay mahita azy ireo mahita ny Ray ihany koa. Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko, Izy no antom-pivelomako, hoy Md Paoly (Galata 2, 20).
Ilay Ray Masina, loharanon’ny fahamasinana rehetra dia Ray Marina ihany koa. Tsy manamasina antsika miombona aina Aminy fotsiny Izy fa manamarina antsika ihany koa mba ho taratry ny fahamarinany isika. Ny Zanany, ilay hany marina, maty ho antsika mpanota no nanehoany ny fahamarinany. Tsy afaka ny hahalala izany izao tontolo izao. Fa izay mahalala ny Anaran’Andriamanitra kosa no hanana ny fitiavany, dia ilay fitiavana itiavan’ny Ray ny Zanany.
Dinihontsika ary hoe, izay no anarana iantsoantsika an’Andriamanitra. Izay mahalala Azy ho Ray no afaka miaina amin’ny maha-zanaka, ka afaka mitia satria taha-dRay. Tsy fiombonana andrasana ho valin’ny natao aorian’ny fahafatesana anefa izany, araka ny fampianaran’i Md Joany fa fiombonana zary hafaliana sy hasambarana vokatry ny finoana, ka mitombo sy mivelatra araka ny fivoaran’izany finoana izany. Tsy fivoarana miankina amin’ny herin’ny tena anefa fa fivoarana miankina kosa amin’ny firaisana aina amin’ny foto-boaloboka (Jo 15, 1ss), izay “maty ho antsika mba hahatonga antsika hiara-belona Aminy, na mahatsiaro na matory isika” (1 Tesalonika 5, 10).
Hanofana antsika hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra anie ny Fanahy Masina (vavaka fangatahana).