Alakamisy faha-efatra mandavantaona
- Tsy ankasa Hebrio 12, 18-19.21-24/Salamo 47/
- Ankasa 1 Mpanjaka 2, 1-4. 10-12/Salamo 39/
- Md Marka 6, 6-13
Niantso ny roambinin’ny folo ho eo aminy i Jesoa ary nanome azy ireo ny fahefana hifehy ny fanahy maloto. Zarainy amin’ny Mpianany ny fahefana izay nasehony hatreto, saingy tsiroaroa no nanirahany ny mpianany mba hilazana fa tsy misy afaka ny hijoro ho mpianany raha tsy miombona amin’ny Fiangonana, raha tsy miorina ao amin’ny fitiavana, raha tsy mandravona indray ilay firahalahiana noravan’ny aonavona sy ny fialonana tany am-piandohana. Naniraka azy ireo Izy hiaina ny fahantrana, hatoky ny fitsimbinan’Andriamanitra, ary tsy hanao tahaka ny mahazatra hatrizay, tsy hiandry ny olona any an-tempoly na any am-pianarana, na any an’efitra tahaka an’i Joany, fa hanatona azy ireo any an-tranony, hitondra any an-tranon’ny olona ny hazavan’ny Evanjely, “évangélisation de proximité” hoy Papa François, izay tsy zava-baovao izany fa miorina amin’ny Evanjely.
Tsy tokony hanavesatra ny dia amin’ny firongòna zavatra tsy ilaina izay te hitory ny Evanjely: tena ilaina ve ny miketrika finday iray manana batterie matanjaka, fiara sy moto matanjaka afaka amin’ny lalan-dratsy, akanjo sy kiraro hoentina mamonjy fety, vola hatao fiandry…? Ho an’i Matio, na ny tehana aza tsy ilaina, ka na dia hany fitaovam-piadian’ny mahantra aza dia tsy tokony hoentina (Mt 10,10), tsy hiheritreritra hiaro tena amin’ny mety ho fanafihana manko ny Mpianatra fa tonga hitondra fiadanana, eny fa na dia tahaka ny zanak’ondry alefa eo am-pofoan’ny amboadia aza.
Tsy araka izay heviny ao amin’i Matio izay anefa ho an’i Marka: ny tehina, manambara ny herin’Andriamanitra no nentin’i Moizy hahafaka ny Vahoaka Hebrio teo ambany fanandevozan’ny Faraona (Eksaody 7, 9-12; 10,13; 14,16; 17,5-6) ka izay herin’Andriamanitra izay koa no tsy maintsy hitokisan’ny Mpianatra izay maniry hanafaka ny olona tsy ho andevozin’ny fanahy maloto. Ny Tenin’Andriamanitra no Sabatra entintsika mitolona, hoy i Md Paoly. Izay mihevitra fa arakaraky habetsaky ny vola sy ny fananana ampiasaina no hampahomby ny asa fitoriana dia ho sasa-poana ihany satria tsy hiasa araka ny fisainan’i Jesoa, tsy hiasa araka ny Fanahiny. Tsy midika izany fa tsy ilaina ny vola sy ny fitaovana, saingy tsy ireny no laharam-pahamehana. Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, hoy i Jesoa.
Hanao kapa ireo voairaka. Ny andevo manko no tsy mikapa. Olon’afaka izy ireo ary miaina ny hafalian’ny Evanjely. Tsy an-tery fa an-tsitra-po no andehanany mitory. Tsy hitondra akanjo roa. Ny akanjo moa dia manambara ny fomba fiainana, milaza ny maha-izy azy ny olona ety ivelany. Tsy tokony hiroroa fiaina izany ny Mpianatra (double personnalité), fa ho tokam-po, hadio fo, hanokana ny fiainana manontolo ho an’ny Evanjely.
Ambaran’i Jesoa fa ny fisehoana ho malemy, miankina amin’izay mampiantrano, mihinana izay harosony, mifampizara ny manta sy ny masaka, no lalana tokana hahafahana mitory ny teny. Ny fisehosehoana ho mahery, manam-bola na manam-pahaizana, manan-karena hafa ankoatry ny Evanjely, dia sakana tsy hahafahan’ny Teny mitsiry, mamàka ary mamoa ka hitondra vokatra.
Ny tsy fifindrafindrana trano dia tsy midika sanatria fikatonana amin’ny fianakaviana iray, fa mba tsy hahazoan’ny fakam-panahy hisafidy izay metimety na izay tiatiana. Tsy zoviana amintsika ny fanafintohinana ateraky ny fanangonan-karena ataon’ireo miheritreritra ho mpitory ny Evanjely.
Ny tokony himasoan’ireo mamaly ny antso dia ny fomba fiainan’izy ireo maneho taratra ny Evanjely torìny. Raha mandray ny olona, arahaba soa arahaba tsara. Raha tsy mandray kosa izy, dia na ny vovoka manaraka ny tongotra aza mila hahintsana sao sanatria ny hatezerana noho izany tsy fandraisana iznay hahatonga antsika ho ratsiratsy kokoa noho izy ireo, tsy ho fiampangàna azy ireo araka ny dikan-teny ananantsika, fa ho fijoroana ho vavolombelona (μαρτύριον) ho azy ireo, hilazana fa nae o anatrehan’ny amboadia aza, dia mijanona ho zanak’ondry, toa ilay Zanak’ondry ny Mpianatra.
Mampalahelo rehefa mahita tompon’andraikitra tokony haneho ny famindram-pon’Andriamanitra no tonga mpanao didiko-fehy-lehibe ka mamingavinga ny olona, lasa “liona”, mihevitra ny hafa ho fakofako sy tsinontsinona. Tsy ambony noho ny zo sy ny fahafahan’ny olona na oviana na oviana ny lalàna. Ny Sabata no natao ho an’ny olona. Ilay Ray “tsara” aza namela ny zanany handany ny fanany amin’ny mpivaro-tena sy ny filibana, ary “manao fety” amin’ny fiverenany ao an-trano.
Mila fibebahana izany. Fibebahana ho an’izay te hamaly ny antso voalohany indrindra. Fa fibebahana ihany koa mba handraisantsika ny Teny. Izay ihany no hahafahantsika miaina ny fahafahana maha-zanaka handroaka ny demony sy izay rehetra manakana ny hazavana tsy hihazo ny fon’ny olombelona. Tsy ny herintsika fa ny fahefan’i Jesoa nomeny antsika no hahafahantsika manitatra ny fanjakany.