Alakamisy faha-dimy mandavantaona
- Tsy ankasa Jenezy 2,18-25/Salamo 127/
- Ankasa 1 Mpanjaka 11, 4-13/Salamo 105/
- Md Marka 7, 24-30
Dia tonga tamin’ny tanin’i Tira sy Sidona i Jesoa, tanin’ny tsy mpino araka ny toe-tsaina Jody tamin’izany, ary indro niankohoka teo amin’ny tongony ity ramatoa iray grika (Jentily ho an’ny Jody). Naheno ny momba an’i Jesoa izy ka nino ary nitsaoka azy ary niantso azy ho “Tompo” (κύριος). Nidradradradra mafy hoy i Matio (Mt 15, 21-28) (mety hilazana ny fomba fivavaky ny tsy mpino izany) hany ka nangatahin’ny Mpianatra i Jesoa mba “handroaka” azy (mba “hihaino ny vavaka ataony” no nandikana azy ao amin’ny Baiboly, mba tsy hiampangana ny apostoly).
Tsy tonga afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’Israely aho, hoy i Jesoa namaly ilay vehivavy. Ny mpanota manko no sitrak’i jesoa hiarahana misakafo sy hoentina amin’ny fiainana, araka an’i Matio, ary ho an’i Lioka aza, tsy afaka ny hihianana amin’ny sakafom-pifaliana hankalazana ny Famindram-po amin’ny niverenan’ny zanany izay mihevitra ny tenany ho mendrika ny fitiavan’ny Ray (Lk 15). Izay manko no foto-pisainana tamin’izany: Andriamanitra miahy ny vahoakany (sy izay mitandrina ny didiny) ary manapotika izay tsy mihaino Azy sy tsy anisan’izany vahoaka izany.
“Avelao aloha ho voky ny zanaka”. Fa iza no zanaka? Ho an’Israely dia noheveriny fa izy ireny ihany no zanak’Andriamanitra, vahoaka voafidy (cf Izaia 19,24, manohitra izany). Tsy mifanalavitra amin’ny fisainan’izy ireo anefa ny fisainan’ireo mihevitra ho mpino ankehitriny. Mampalahelo ny maheno olona milaza ho mpivavaka ka mihevitra ny tenany ho nohasoavin’Andriamanitra ka izay tsy manao tahaka ny fombany dia very any amin’ny afobe, iharan’ny sazy sy ny hatezeran’Andriamanitra. Hanahirana izany olona izany ny hihaino an’i Jesoa miteny amin’ilay jiolahy ho faty hoe: anio isika no hihaona any am-paradisa. Mety hahafaly azy ny hihaino an’i Jesoa hilaza fa “tsy mety ny mizara ny mofon’ny zaza amin’ny alika”, saingy tsy hahafaly azy ny mahita fa na heverin’ny besinimaro ho tsy mety aza izany, dia zarainy amin’ny olon-drehetra ny fiainana feno.
Raha araka ny fitantaran’ny Evanjelista dia tahaka ny hoe olona mampifilafila i Jesoa: “tsy tsara raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboha”. Izany no atao hoe manalìka olona ara-bakiteny, ny fanambaniana ratsy indrindra azo natao tamin’izany. Ity vehivavy ity no hany tokana niantso an’i Jesoa hoe “κύριος” (kurios, Tompoko), finoana izany, anambaran’ny Evanjely amintsika fa izay manam-pinoana tsy milefitra eo anatrehan’izay mety ho sakana na dia manoloana ny teny mandratra ny fo aza. Impiry aho no mahita olona mangataka, vao anaovanao teny mahery dia ianao indray no kafarainy ary mahavita milaza aza indraindray fa tsy mila akory izany fanampiana saika hangatahiny taminao.
Matoa Andriamanitra tsy mamaly na mampiandry antsika, hoy Md Augustin, dia satria “satriny ny hanadio ny faniriantsika, hampitombo ny finoantsika” mba tsy ho filàna fa fitiavana no hifikirantsika aminy. Dia amin’izay izy no hamaly ny vavaka ataontsika hoe: lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao (Mt 15,28).
Na ny sombintsombiny milatsaka avy amin’ny latabatra aza dia efa ampy hahafeno ny hafaliana, saingy raha mbola tsy matotra ny finoantsika dia tsy afaka ny hihonona sy ho sambatra raha tsy zara mitovy amin’ny hafa no azo, dia avy eo mandany andro mitomany randrana manendrika ny hafa.
Ho haintsika anie ny handray ka hampiasa ny fahasoavana narotsak’Andriamanitra ho antsika, ary ny finoana marina anie handrisika antsika hisorona ny tena ho an’ny hafa, satria ny mety ho “fanalikàna” azontsika dia vokatry ny fitia mba hahazoan’ny hafa (zanany ny an’ilay vehivavy) fahasambarana. Fitiavana izany.