Alakamisy faha-33 mandavantaona
- Ankasa Fanambarana 5, 1-10/Salamo 149
- Tsy ankasa 1 Makabeo 2, 15-29/Salamo 49
- Md Lioka 19, 41-44
Taorian’ny nidiran’i Jesoa tao Jerosalema avy any amin’ny lafiny atsinanana, amin’ny tendrombohitra oliva, avy amin’izay hiandrasana ny famonjena araka ny faminanian’i Zakaria (Zak 14, 4-9), dia ambaran’i Lioka ny fitomaniany an’i Jerosalema (Evanjely anio) sy ny nandroahany ny mpivarotra tao an-tempoly (rahampitso).
Ny Evanjely anio no entin’i Md Lioka maneho amintsika ny endrik’ilay Andriamanitra tian’i Jesoa haseho: Ray mangoraka ny zanany, mitomany amin’ny hamafin’ny fony tsy te handray ny fitiavana atosany miavosa ho an-janany. “Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra. Tsy hanaraka ny firehetan’ny hatezerako aho, tsy horavako fanindroany i Efraima. Fa Andriamanitra aho fa tsy olombelona” (Osea 11, 8-9).
Fitiavana no hahafahana tsy manampatra ny hery eo anatrehan’ny mety ho fandavana sy ny hamafisan-doha. Izany ihany no lalana tokana hahafahana mitondra ny fo amin’ny fibebahana marina, tsy asesiky ny tahotra, fa entanin’ny fahafahana satria babon’ny fitia.
Tsy manozona akory ny reny raha toa milaza amin’ny zanany hoe aza miampita arabe fa sao voadonan’ny fiara eny. Raha sanatria voadona tokoa ilay zaza satria tsy nanaiky an-dreniny dia alahelo fa tsy hafaliana ho an-dreniny ny fahavoazany. Ary ny fanekeny hitotototo hitsabo an-janany dia ataony am-pitiavana. Filana loza ny mikiribiby ao anatin’ny fahotana, saingy manoloana ny hamafisan’ny fontsika olombelona, i Jesoa ilay Iraky ny Ray dia nanaiky ho faty mba hanaporofo amintsika fa Andriamanitra mitia hatramin’ny farafofon’aina ny Andriamanitsika, mba hitokisantsika ny fitiavany ka hahafahantsika koa mivelona amin’ny maha-zanany antsika.
Ny tsy fahaizantsika manararaotra ny andron’ny famangiana (τὸν καιρὸν τῆς ἐπισκοπῆς) anefa dia mampidi-doza antsika, satria famelana ny fahavalo hanao izay tiany atao amintsika sy ny zanatsika. Impiry tokoa moa isika no azom-panenenana amin’ny tsy fahaiza-mihaino sy mandray ny fitiavana asehon’Andriamanitra mba hiovantsika famindra. Tsy ny hiharan’ny loza anefa no sitrak’Andriamanitra mananatra antsika, mampitandrina antsika tahaka ny ananarany an’i Jerosalema, fa ny mba hihainoantsika ny teniny ka hahafaka antsika amin’ny loza, tahaka ny nataony tamin’ny mponin’i Niniva tamin’ny andron’i Jonasa.
Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena, hoy i Md Paoly (2 Kor 6,2). Ho haintsika anie ny handray ny fahasoavana atolotr’Andriamanitra antsika mba hanjakan’ny fiadanany ao am-pontsika sy eo amin’izao tontolo izao.