Alakamisy faha 32 mandavantaona
- Ankasa Filemona 7-20/Salamo 145
- Tsy ankasa Fahendrena 7, 22 – 8, 1/Salamo 118
- Md Lioka 17, 20-25
Oviana ny andro hiavian’ny fanjakan’ny Lanitra? Ary aiza no hiaviany?
Tsy izany anefa no tian’i Jesoa iompanan’ny saintsika fa ny fomba hiaviany, na ny marimarina kokoa ny fiavian’ny Zanak’olona izay tonga tahaka fanjelatry ny ela-baratra miserana ny faravodilanitra amin’ny lafiny iray ka hatramin’ny lafiny hafa. Ity moa no lazain’ny Mpandalina baiboly hoe “apokalipsa kely” hanavahana azy amin’ny fitantaran’i Lioka ny “fanambarana lehibe” (Lk 21, 5-36).
Fiaviana ialohavan’ny fijaliana sy fandavana anefa izany, mba hahafahany manambara ny maha-izy Azy (apokalipsa), dia ny fandreseny ny fahafatesana sy ny heriny, ka hisehoany ho mpanjaka sy mpamonjy an’izao tontolo izao. Tsy mba manetriketrika fiavy anefa ny fanjakan’Andriamanitra, eny fa na dia manahirana ihany aza ny fomba hankalazantsika izany amin’ny fiainana an-davanandro sy amin’ny litorjia. Tsy fandrombaham-pahefana manko, sanatria, fa fanehoana fitiavana. Manjaka Izy rehefa mahazo laka ao am-pontsika ny fitiavana. Indraindray anefa ny fety maredona, ny fiangonana feno, ny isan’ny olona mandray anjara no hiheverana ho fankalazana izany fisehoan’ny fanjakan’Andriamanitra izany.
Tsy amin’ny alalan’ny fandinihana ny kintana na ny famantaram-pahagagana (μετὰ παρατηρήσεως, παρατήρησις parateresis) no hahalalàna ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany dia mety hahatonga antsika hikaroka an’Andriamanitra any ivelan’ny fiainantsika, kanefa ao anaty Izy. Nandany fotoana nitady Anao tany ivelany aho, hoy Md Augustin, nefa Ianao tao anatiko. Ao am-pontsika, ao anatintsika (ἐντὸς entòs) no hitsirian’ny voa nafafy ka mamokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay, eo anivontsika koa anefa izy satria mampiray antsika, mampifandray antsika mba tsy ho adalain’izay mety ho fandrebirebena vokatry ny famantarana sy fahagagana.
Mampalahelo ny mandinika ny fiainam-pinoan’ny olona miankina amin’ny fahagagana sy ny zava-mahagaga. Tsy milaza aho hoe tsy manao fahagagana Andriamanitra, fa kosa tsy azon’ny saina atao ny mieritreritra fa “fitiavana manokana” ny zanany sasany no entiny hanaporofoany ny fitiavany mitovy ho an’ny zanany rehetra. Tsy miangatra Izy, ka izay mety heverina ho “tombom-pitiavana” asehony amin’ny zanany sasany, dia fiantsoany io zanany io haneho fitiavana bebe kokoa ho an’ireo niangaran’ny vintana, ay izay ihany no hahalalàna marina tokoa ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra. Izay milaza àry fa manana na nahazo fahasoavana manokana avy Aminy dia tokony handini-tena hoe hatraiza izao ny fiezahany mba ho taratry ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa fanasoavana mba hiadanan’ny zanany rehetra. Tsy avy amin’Andriamanitra izay mety ho fanomezam-pahasoavana manokana ka hieboeboana na tsy ampiasaina hanasoavana ny besinimaro.
Tahaka ny mpianatra koa isika indraindray, maniry hahita fa ny fandresen’i Jesoa dia ny fanambaniana (umiliation) hataony ny fahavalony, saingy tsy nisy tavela, tsy nisy nahita ny tena fandreseny satria raiki-tahotra sy nitsoaka nahita Azy voasambotra sy novonoina. Io anefa no fisandratana nanehoany ny voninahiny.
Ho haintsika anie ny handray ka hanandrana sahady ny hasoan’ny Fanjakana izay efa eo anivontsika kanefa mbola hiandrasana ny fibanjinana ny hafenoany any amin’ny Fiainana mandrakizay.