Alakamisy faha-31 mandavan-taona
- Ankasa Filipy 3, 3-8a/Salamo 104
- Tsy ankasa Romana 14, 7-12/Salamo 26
- Md Lioka 15, 1-10
Inona no ataon’Andriamanitra amin’ireo olona mandà tsy hiditra ao amin’ny fanasany? Ambaran’i Mikea Mpaminany (Mikea 7, 14-20) fa Andriamanitra mpamela heloka ny Andriamanitr’Israely. Amaranany ny Bokiny ny fangatahana amin’YHWH mba ampiseho amin’i Jakoba ny fahamarinany, ary hampiseho amin’i Abrahama ny famindram-pony, amin’ny fanariana any anaty ranomasina ny fahotana. Izy irery ihany no Andriamanitra manesotra ny fahotana sy mamela fahadisoana, hoy ny Mpaminany Mikea. Tsy ny mpanota no harian’Andriamanitra araka izany fa ny fahotana.
Ny loza, hoy Md Augustin dia ny ampifangaroantsika ny mpanota sy ny fahotana, ka noho ny fankahalana ny ota dia mety ho azom-pakam-panahy koa hankahala ny mpanota, na noho ny fitiavana ny mpanota dia mety hivarilavo koa ao anatin’ny fahotana: ny mpanota avotana (tiavina) fa ny fahotana kosa ankahalaina (iadiana).
Dia ahoana izany ny afobe? Tsisy voasazy intsony izany fa voavonjy daholo? Dia ho vitan’Andriamanitra ve ny hamela ny zanany ho very satria mafy loha tsy nanaiky Azy, raha toa ka lazain’i Md Paoly fa tsy tambin’ny ezaka vitantsika ny lanitra fa fahasoavana maimaim-poana avy Aminy?
Efa niverimberina matetika teto izany fanontaniana izany. Tsy Andriamanitra no nandavaka hantsana hampisaraka an’ilay mpanakarena sy Lazara tany am-paradisa fa ny fomba fiainany isan’andro, nihevitra ho ambony ka ny fanasana sy ny fihinanam-be, ny akanjo lafovidy sy ny rendrarendra no nimasohany. Tsy Andriamanitra no hanasazy ireo nanankinana ny foto-boalobony fa ny nenina rehefa hahita ny hafa mampamokatra ny fanjakan’Andriamanitra. Fanomanana ny fiainana mandrakizay ity fiainana ity, ka ny akofa paohin-drivotra dia tsy maintsy hariana, ny vokatra kosa angonina any an-tsopitra. Anjaran’ny tsirairay ny mampisy lanjany ny fiainany, eo anatrehan’Andriamanitra mba tsy hanenenany mandrakizay, rehefa ho avy ny andron’ny am-pamoaka. (Dia antsoy amin’izay tianareo hiantsoana azy izany nenina mandrakizay izany).
Mialoha ny hilazany ny hafalian’ny Ray amin’ny fiverenan’ny zanany anefa dia lazain’i Lioka fa mety ho toy ny ondry isika, maniasia “tsy am-pahalalana” tahaka ny lazain’i Md Paoly (1 Tim 1, 12-17) ka mitaraina sy mikiakiaka, mibarareoka, mitaraina tahaka ny mpihira salamo mahatsiaro ny Didin’ny Tompony (Salamo 119, 176) mandrapaha-tongan’ilay mpiandry hitondra an-tsoroka antsika ho any am-bala. Mety ho tahaka ny dragma (vola tsangan’olona) isika, latsaka tsy misy mpahita, tsy afaka ny hitaraina akory, angamba amin’ny fotoana hilatsahana ihany, ka hiandry ilay tompony hifafa ny trano rehetra mba hahitany azy indray.
Ho an’izay tsy afaka ny hifaly amin’ny fiaraha-misakafo ataon’i Jesoa miaraka amin’ny mpamadika tanindrazana (poblikana) sy ny mpanota moa ity fanoharana ity. Tsikaritry ny mpandinika Baiboly sasany ny fifanarahan’ireo fanoharana telo ampiasain’i Lioka mba hilazana amin’ny farisianina sy ny Jody fa tsy feno fatra ny hafalian’ny Ray raha tsy vory avokoa ny zanany rehetra. Ny ondry very eo amin’i Israely dia entin’i Jesoa an-tsoroka, miara-misakafo aminy; ny olona rehetra eny amin’ny kion-dalana dia sahala amin’ny vola latsaka, saingy efa voaangona koa, satria nofafany ny trano manontolo; ilay zoky variana niasa any an-tsaha, manantena ny handova irery ny fanjakana no hany sisa any ivelany, mahatonga an-dRainy hivoaka any mba hiangavy azy hiara-paly.
Tsy mihanona amin’ny tsy fananana na inona na inona lazain’ny toko faha-14 (Lk 14, 33) ihany araka izany ny lalàm-pahamasinana fa tonga hatrany amin’ny fanadiovana izay mety ho avonavona niheverantsika ho zanaka mahafatra-po, kanefa tsy afa-mifaly fa miaina tsy toy ny zanaka fa toy ny mpanompo.
Hanampy antsika hifaly amin’ny fibebahana, asan’ny Fanahy, tanteraka eo amin’ny fianantsika sy ny fiainan’ny hafa anie ny fanekena ny Teny hanova ny fiainantsika.