Alakamisy faha-30 mandavantaona
- Ankasa Efezy 6, 10-20/Salamo 143
- Tsy ankasa Romana 8, 31-39/Salamo 108
- Md Lioka 13, 31-35
Tadiavin’i Herôda hovonoina ianao.
Fa tsy azon’izy ireo sakanana ve i Herôda mba tsy hamono an’i Jesoa? Misy fiantsaram-belatsihy miafina ao anatin’ny teny mamy, toa mitory fitiavana, saingy raha ny marina dia satria manelingelina ny fomba fisainana sy ny fahazarana ny fihevitr’ilay Mpaminany, tsy afaka ny ho faty ivelan’i Jerosalema. Voninahitr’Andriamanitra mandrakariva manko ny fahafatesan’ny mpanompony, ary ao Jerosalema no tempoly hanolorana ny sorona hanomezana voninahitra an’YHWH.
Ho an’i Md Lioka moa dia i Jerosalema no toerana handavorariana ny zavatra rehetra, ao no hahafatesan’i Jesoa sy hitsanganany ho velona, hisehoany amin’ny Mpianany sy hanafarany azy ireo hanombohana ny fitoriana ny Evanjely. Ao no nitoeran’ny Apôstôly mandrakariva mba hahafeno fatra ny hafaliany (Lk 24, 53).
Lehibe lavitra noho ny fahorian’olombelona (misère) anefa ny fitsimbinan’Andriamanitra. Raha oharin’i Jesoa amin’ny amboadia (ἀλώπηξ, alopex: renard) izay mitady hamono ny mpaminany, dia ohariny amin’ny reniakoho (ὄρνις, ornis) kosa ny fitiavany hiaro ny olona rehetra, eny fa na dia ho an’i Jerosalema mitsangan-ko fahavalon’ny Mpaminany aza. « Le corbeau et le renard », amin’ny « Fable de la Fontaine » no nahita. Ny iray miezaka ny hifetsy mba hihinana hatramin’ny reniakoho miaro ny zanaka, ny iray kosa mahafoy ny aina, toy izay ny zanaka no ho lany tamingana.
Raha ny “réaction” mahazatra, ny fanapahan-kevitra amin’ny tokony hatao manoloana ny fiantsiana ataon’ny Farisianina, ny amin’ny fitadiavan’i Heroda hamono an’i Jesoa (na dia fantatsika aza fa ny Farisianina ihany no nitondra Azy hotsaraina tany amin’i Heroda) dia ny avonavona, fitadiavana izay fomba rehetra hanaporofoana fa afa-miaro tena ary afaka hampihoko ny vahoaka aza mba hanonganana an’i Heroda. Ho an’i Jesoa, ny mety ho fandrahoanana avy amin’ny hafa dia manampy Azy hifantoka bebe kokoa amin’ny asany : mandroaka demony sy manasitrana marary. Tsy maintsy hotohizany ny diany.
Tsy mahasakana amin’ny fanatanterahana ny soa izay mety ho fanembatsembanana ataon’ny ratsy fanahy. Ambaran’ny Evanjely mazava fa tsy ny galileana 18 nianjeran’ny tilikambon’i Siloe akory no olon-dratsy, tsy ilay Galileana iray maty noho ny lalivain’i Heroda sy ny Farisianina no tokony hampalahelo, fa ny fiatsaram-belatsihy mety hitapisaka ao am-pontsika ka tsy hisokafan’ny maso amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra maniry hambomba antsika eo ambany elany.
Hanampy antsika hanovo hery na handany mondron-kery mihintsy aza, amin’ny asan’ny Evanjely anie ny fahatsapana fa tsy afaka ny handresy ny hazavana ny haizina, ary ny Fanahy Masina anie hanokatra ny fontsika hiantsa ny Hallel, ny Salamo fiderana ny fandresen’Andriamanitra, hilaza hoe « Hosoavina anie ilay avy amin’ny anaran’ny Tompo » (Sal 118, 22), ka hahafahantsika mahita fa velona sy miray lalana amintsika Izy Tompo, toy ny reniakoho vonona hiaro antsika rehetra.