Alakamisy faha-29 mandavantaona
- Ankasa Efezy 3, 14-21/Salamo 32
- Tsy ankasa Romana 6, 19-23/Salamo 1
- Md Lioka 12, 49-53
“Tonga hanipy afo ety an-tany aho, ka akory ny faniriako mba hirehetan’izany sahady!” Izay no anombohan’i Jesoa hilazana amintsika ny iraka nahatongavany : ny mission (iraka) amin’ny maha-Kristy (voahosotra) Azy : hanipy afo… Mampahatsiaro antsika koa ny fiantsoana an’i Moizy izany afo mirehitra izany : afo mirehitra fa tsy mahalevona ny kirihitra (Eks 3, 3). Afo manambara ny Fisian’Andriamanitra eo anivontsika, fisiana izay tsy mahafoana ny maha-izy antsika (hevitry ny kirihitr’ala tsy may) fa kosa mampiseho ny fahalehibeazan’Andriamanitra sy ny fitiavany mirehidrehitra hamonjy ny vahoakany. I Moizy manala ny Kapany, satria “mandia tany masina” dia sady manaisotra izay mety ho salovan’ny fahafatesana (hodi-biby maty no hanaovana ny kapa) no milaza ny fahatsiarovan-tenany ho malemy, araka ny fitenin-drazantsika hoe : mandiha tany ka mety ho solafaka, tsy afaka ny hiantehitra amin’ny heriny ka tsy maintsy hijanona (tsy afaka mandeha amin’ny fasika tsy misy kapa) eo anatrehan’ny Afo mirehitra mba hodioviny sy hohamasininy ho tonga iraka araka ny fony.
Afo mirehitra, afo manambara ny fitiavana izany. Afo mivaivay handevina toy ny mololo ny mpiavonavona sy ny mpanao ratsy rehetra, hoy i Malakia Mpaminany (Mal 3, 19). Efa mahazatra antsika ny mahita ny sarin’ny Fo masin’i Jesoa mirehitr’afo : mirehitra fitiavana, tsy handringana fa hitady izay hanavotana ny mpanota mba hibebahan’izy ireo ka handovàny ny fiainana. Afo hanadiovana izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra[1]. Ny mahalasa ny saina anefa dia ny nanoizan’i Jesoa ny filazana ny mission (iraka) nanirahana azy : “tsy tonga hitondra fiadanana aho, fa fisarahana aza…”
Dia ahoana no hilazantsika isaky ny lamesa hoe : “Ry Jesoa Kristy Tompo, Ianao nilaza tamin’ny Apôstôlinao hoe: Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo: aza ny fahotanay no jerena fa ny finoan’ny Eglizinao; ka ho sitrakao anie ny hampiadana azy sy hampiray azy araka ny sitraponao,” raha toa ka hitondra fisarahana i Jesoa? Moa tsy izy ve no ilay Mpanjakan’ny Fiadanana izay hampiraotra ny zakan’omby amin’ny zanaky ny liona (Izaia 11, 6-9)?
“Manome antsika ny fiadanana Andriamanitra fa tsy mamela antsika hidonanam-poana”, (Dio ci dà la Pace ma non ci lascia mai in pace, St François d’Assise), fiadanana tsy maintsy hisahirànana. Ny Fiadanana izay andikana ny hoe “Paix” amin’ny tenintsika eo amin’ny sehatry ny finoana (na dia mahadika azy bebe kokoa aza ny hoe fandriam-pahalemana = mandry – alina), dia ny fahafahantsika miaina ny maha-kristianina antsika na eo aza ny fahasahiranana sy ny zava-maro samihafa manohantohana.
Misy olona mihevitra tahaka ireo manam-boninahitry ny tafik’i Sedesiasa voalazan’ny Bokin’i Jeremia (Jer 38, 4-10) fa Andriamanitra no hiady ho azy ireo ka haneha-doza hila faty. Ampianarin’io Mpaminany io isika hilaza ny marina ka tsy hampiasa ny anaran’Andriamanitra hanakonana ny avonavona sy ny eboebontsika. Ny fiarovan’Andriamanitra izay voafidiny ka irahiny dia ny fanomezany azy hery hijoro amin’ny marina hatramin’ny farany, io no Afon’ny Fanahy, irin’i Jesoa hirehitra eto amin’izao totolo izao, mba hanavao ny endriky ny tany.
Ankoatry ny afo koa anefa, dia manana Bateny hanaovana batemy Azy i Jesoa, “batemy” (rano) izay andrasana am-pahoriana kanefa afo no tiana harehitra. Inona no hevitr’izany? Izay rehetra maniry hanara-dia an’i Jesoa dia mila mandatsaka ao an-tsaina fa “famantarana hotoherina Izy” (Lk 2, 34). Fitiavana no notoriany nefa fankahalana sy fanamelohana ho faty no nahazo Azy. Tsy maintsy handalo amin’ny fahafatesana mahafa-baraka ilay lalana mitondra amin’ny voninahitra.
Ny fandraisana ny Tenin’i Jesoa ka hanekena hotarihin’ny Fanahiny dia mety hampisaraka ny mpianakavy ka hampisy fifanoherana na dia eo amin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny aza (Mikea 7, 6) satria izay tsy momba an’i Jesoa dia manohitra Azy. Nampahatsiahivin’i Jesoa ny mpianany fa raha halan’izao tontolo izao Izy Mpampianatra dia tsy hafa noho izany no hafitsok’izy ireo ny mpianany (Jo 15, 18). Voaantso ho vavolombelon’ny fitiavana ny kristianina, voaantso haneho amin’ny fiainany fa Andriamanitra no ambonin’ny zavatra rehetra, eny fa na dia mety hampifanohitra amin’ny havana aman-tsakaiza aza izany.
[1] Iraho ny Fanahinao ry Tompo, ilay fofon’ainao, dia havaozinao ny endriky ny tany (Sal 104, 34). Ny Fanahy manavao ny zavatra rehetra no ankalazaintsika amin’ny Pantekôty. Ilay lelafo (לָשׁוֹן אֵשׁ lashon esh = lela afo) lazain’Izaia fa mandoro sy mandevina izay manipaka ny Lalàn’YHWH sy maniratsira ny Tenin’ilay Masin’Israely (Izaia 5, 24) no zary lela mitarehin’afo (γλῶσσαι ὡσεὶ πυρὸς, glossai Hosei puros) hampianatra azy ireo hiteny araka ny Fanahy.