Alakamisy faha-28 mandavan-taona
- Ankasa: Efezianina 1,1-10/Salamo 97
- Tsy ankasa: Rômanina 3,21-30/Salamo 129
- Md Lioka 11,47-54
[Loza ho anareo, mila loza ianareo… οὐαί (ouai) moa amin’ny grika dia maneho ny alahelo amin’ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy, ny alahelon’ilay nanao izay tratry ny ainy saingy nolavin’ilay notiavina kosa. Na ny dikan-teny vaovao hoe “mila loza ianao aza” tsy mahadika azy. Ny marimarina kokoa dia hoe “loza ho ahy noho ianao”, ary izany no noporofoin’i Jesoa maty teo ambony hazofijaliana noho ny fahotan’ny olona.]
Mila loza izay manao fasana ho an’ny Mpaminany. Raha araka ny fisainana mahazatra dia hoe ho fanajana azy no hanaovana fasana ho azy, saingy filana loza izany, hoy i Jesoa, mampalahelo Azy ny vokatr’izany. Araka ny fikarohana arkeôlôjika, dia voamarina ara-tantara fa tamin’ny andron’i Herôda lehibe no nanorenana ny fasana miezinezina ho an’ny mpaminany (note l TOB). Tsy ny fanorenana fasana anefa no andrasan’Andriamanitra amintsika fa ny fandraisana ny hafatra nambaran’ireo Mpaminany ireo, mba hanokafana ny fo ka handraisana izany ho fanambaran’Andriamanitra.
Tsy tapaka ny mandefa mpaminany sy Apôstôly anefa Andriamanitra, ka ny fandaniam-bola hanao tsangam-bato ho an’ny lasa dia mazava loatra, tsy hanampy velively amin’ny fiainana ny ankehitriny, hiheverana fa ireo mpaminany efa nodimandry ihany no mpaminanin’Andriamanitra. Tsy hoe hanaovana tsinontsinona ny lasa izany sanatria, fa ho fitandremana sao variana amin’ny fitadiavana an’i Salômôna sy Jônasa, kanefa lehibe noho izy ny Mpaminany miara-monina amin’ny tena. Izany no hampamoahana ny ran’ny mpaminany sy ny olomarina rehetra hatramin’ny fiandohana ka hatramin’ny fiafaran’izao tontolo izao, izay tsy milaza zavatra samihafa afa-tsy izay anirahan’ny fahendren’Andriamanitra azy ireo. I Abela sy Zakaria moa no olomarina sy mpaminany novonoina voalohany (Jen 4,8-10) sy farany (2Tan 24,20-24) ao amin’ny Baiboly Hebrio, canon palestinianina.
I Zakaria moa, rehefa ho faty dia nilaza hoe: hijery sy hamaly an’izay anie YHWH. I Jesoa kosa nivavaka mba hamelan’ny Ray ny helok’ireo namono Azy (Lk 23,34). Izay mpianany koa dia tsy afaka hanao vavaka hafa noho izany: aza tanana ho hadisoany izao ry Tompo, hoy i Etiena teo am-pialan’aina (Asa 7,60). Ny lalànan’olombelona dia manao izay hampiharihariana ny fahotana mba hanamelohana, ny fahendren’Andriamanitra kosa, manao izay hanalana tsiny azy mba hamonjena. Manala tsiny ny zavatra rehetra ny fitiavana, hoy i Paoly (1Kôr 13,7).
Izany fahendrena izany no ambaran’ny Tenin’Andriamanitra, saingy ireo izay nahazo andraikitra mba hitahiry ny fanalahidin’izany (bêth hammidrash, tranon’ny fahalalana) dia mamitaka ny olona mba tsy hahafahany mahita ny mazava. Ny lakroà anefa no fanambarana miharihary, tsy azo afenina, anambaran’Andriamanitra ny fitiavany, Izy ilay vonona hisolo vaika ny akalana, ho solo voina mba ho fanavotana ny mpanota. Fony mbola mpanota isika no maty ho antsika i Kristy, hoy i Md Paoly (Rm 5,8).
Hahafoy ny fiainana hanavotana ny hafa koa anie isika.