Alakamisy faha-27 mandavantaona
- Ankasa Galata 3, 1-5/Lk 1, 69-75
- Tsy ankasa Malakia 3, 13-20/Salamo 1
- Md Lioka 11, 5-13
Sady Ray no Reny Andriamanitra, Raiamandreny. Ny Boky Jenezy raha mitantara ny vavaka nataon’i Abrahama ho an’i Sôdôma sy Gômôra dia hahafahantsika mahita izany: “Sanatria anao (חָלִ֨לָה לְּךָ֜ Halilàh lekà – fampiasa amin’ny “ianao” lehilahy) ny hamono ny marina miaraka amin’ny meloka. Sanatria anao izany (חָלִ֣לָה לָּ֔ךְ Halilàh lak – “Ianao” vehivavy)!” (Gen 18, 25). Izay mivavaka dia mahay mihidy ao amin’ny efitrano nanafenany ny hareny rehetra – ταμεῖον (tameion: Mt 6, 6) ka hahalala avy ao am-pony lalina fa fanomezan’ny Ray avokoa izay rehetra heverinny ho harena. Araka izany dia tsy hitsahatra ny hiantsa hoe: Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy (Sal 102,2).
Hoy ny Fampianaran’ny Eglizy: “Lehibe ny misterin’ny finoana”. Ambaran’ny Fiangonana ao amin’ny Sembolin’ny apôstôly izany (fizarana voalohany) ary ankalazainy amin’ny litorzian’ny sakramenta (fizarana faharoa), mba hifanaraka amin’i Kristy ao amin’ny Fanahy Masina, ho voninahitr’Andriamanitra Ray, ny fiainan’ny mpino (fizarana fahatelo). Io mistery io àry dia mitaky ny mba hinoan’ny mpino izany, ny hankalazany azy ka hahafahany miaina amin’ny fifandraisana velona sy latsapaka ao am-pon’ny tsirairay amin’Andriamanitra velona sy marina. Izany fifandraisana izany no atao hoe fivavahana (KFK 2558).
Ny vavaka araka izany dia ny fikolokoloana ny maha-zanak’Andriamanitra antsika, mba hahafahantsika miaina araka izany ka hanandrana sady handova ny fahasambarana nampanantenain’i Jesoa, dia ny fiombonan’aina amin’ny misterin’Andriamanitra Trinite Masina (Jn 17, 21-22) izay loharano hanovozana izany aina izany. Izany fifandraisana amin’ny Ray lazain’ny Katesizy izany dia mivoatra avy amin’ny fihainoana ny Fanambaran’Andriamanitra ka handraisana azy am-pinoana, amin’ny fandalinana sy ny fankalazana azy mba hahatongava nofo azy eo amin’ny andavanandrom-piainana. Izay maniry handova ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy miezaka ny hahalala an’Andriamanitra, satria izany no fiainana mandrakizay, hoy Md Joany. Ny Vavaka tena izy araka izany dia ny fiezahana hahalala bebe kokoa an’Andriamanitra mba hahafahana manahaka ny famindrampony sy ny fahalavorariany (Mt 5, 48).
Andriamanitra tsy misafidy hohasoavina ny Andriamanitsika satria mandrotsaka ny fahazoavany amin’ny olon-drehetra (Mt 5, 45). Inona àry, araka izany, no mbola hilana ny mivavaka Aminy? Inona no mbola hilàna hangatahana, hitadiavana sy handondònana? Heveriko fa famintinana ny valin’izany ireo fanoharana telo lazain’i Lioka momba ny fivavahana lazain’ny Evanjely ka tsara ny hamakiantsika ny famintinana lazain’ny Katesizin’ny Eglizy momba izany.
Ny voalohany, “ilay sakaiza manelingelina” (lazain’ny Evanjely anio) [Lk 11, 5-13], mamporisika hanao lemozy amin’ny fivavahana : “Dondòny dia hovohaina ianareo.” Amin’izay mivavaka tahak’izany ny Ray any an-danitra no “hanome izay rehetra ilainy”, ary indrindra ny Fanahy Masina izay mirakitra ny fanomezana rehetra.
Ny faharoa, “ ilay vehivavy mananotena manelingelina” (Alahady faha-29 D Lk 18, 1-8), dia mifantoka amin’ny iray amin’ireo toetra ilaina amin’ny fivavahana : tsy maintsy mivavaka lalandava, tsy sasatra ombàn’ny faharetana amin’ny finoana. “Kanefa ny Zanak’olona, rahefa hiverina, moa mba hahita finoana ety ambonin’ny tany va Izy ?”
Ny fanoharana fahatelo, “ilay Farisianina sy ilay poblikanina” (Alahady faha-30 D Lk 18, 9-14), mikasika ny fanetren-tenan’ny fo izay mivavaka. “Andriamanitro ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.” Tsy mitsahatra ny Fiangonana manao io vavaka io ho an’ny Tenany : “Kyrie eleison ! ” ( Tompo ô, mamindrà fo aminay!). Tsy misy afaka ny ho velona raha tsy ao amin’ny famondram-pon’Andriamanitra.
Amin’ny fampifanarahana ny fiainana amin’ny maha-zanaka no hahafahantsika mahazo ny hevitry ny fivavahana nampianarin’i Jesoa antsika.
Ny zanany dia antsoin’ny Ray hidodododo hizaha mofo ho an’ny mpivahiny, hisahirana sy hampisahirana ny hafa mba hananan’ny olo-drehetra ny mofo hohanina, ka aleony izy no afa-baraka, amin’ny famohazana ny efa matory toy izay ny mpivahiny no tsy hahazo sakafo. Tsy tokony hampiady (laham) ny mofo fa hampiombona (lehem), hamohafoha ny fisaikazàna.
Hatramin’ny mamaton’alina no hiandrasan’ny rehetra ilay mpampakatra (Lk 12, 38), ary tsy misy afa-tsy Izy izay efa natory no hifoha (ἀνίστημι anistemi) hanome ny tenany, satria Izy no ilay mofon’ny fiainana. Tsy afaka ny hangataka any an-kafa izay mino Azy.
Fa nahoana no mofo telo? Raha ny ao amin’ny Trano Fitiavana (Carmelites Mineures) no mamaly dia hoe toko telo mahamasa-nahandro, dia ny Tenin’Andriamanitra, ny Eokaristia sy ny Mahantra. Lazain’ny mpandalina Baiboly sasany kosa ny antony izay tsy mifanalavitra amin’izany: i Jesoa ilay Mofo velona, ilay Samaritana, Teny tonga nofo nidina ho sakafon’izao tontolo izao no mofo voalohany, Izy ilay maty fa nitsangan-ko velona, nifoha mba ho Eokaristia hivelomantsika; isika mandray azy ka mangataka ny mofo ho an’ny sakaiza mila famonjena dia tonga mofo koa ho an’ny hafa; ary ilay mpivahiny, mangataka dia mbola Izy ihany koa, izay tonga hanohanana mba handovantsika ny fahasambarany amin’ny fizarana ny Mofo mahavelona. Mila lafarinina in-telon’ny famarana (ny lafarinina rehetra anananntsika, Lk 13, 21) araka izany mba hahafahana manomana ny mofo tohan’ny fiainan’ny olona manontolo: omaly, anio ary mandrakizay (Lk 13, 32).
Ny fakam-panahy mety hahazo dia ny hihevitra fa fo vato no asetrin’Andriamanitra ny mofo angatahintsika, ka manoloana ny hanoanan’ireo zanany mitofezaka, tsy mahita andro mihiratra dia misy mahavita milaza fa tsy misy Izy matoa tsy manao fahagagana hamonjena ireny zanany mijaly ireny. Izy anefa no ilay Ray manome hanina ara-potoana ny zava-drehetra (Sal 145, 9.15). Tsy lany sasaka ny zavatra vokarin’ny tany, afaka mamelona olona avo roa heny amin’ny mponina misy ankehitriny, saingy misy ny maty noana. Tsy Izy, araka izany no tsy manome fa ny olona no tsy mifampizara. Ny fifikirana amin’ny haren’ny tany dia hampanan-karena amin’ny zava-mandalo, kanefa tsy hahafahana hiditra amin’ny “fahantrana” atoron’ny Evanjely mba handovana ny fiainana.
Mety ho fakam-panahy ny hevitra fa bibilava mpametsifetsy Andriamanitra fa tsy trondro, manaiky na dia ho tonga sakafon’ny olona manjono aza. Ny fitozoantsika amin’ny vavaka no hahafahantsika mahafantatra fa tsy manolo-bato mafana ny zanany Andriamanitra fa ny Bibilava no mamilivily ny fisainantsika tsy hahita fa ny mahasoa antsika no sitrapon’ny Ray, ary tsy hahasoa fa hanimba ny fiainana ny faniriana ho tsirefesimandidy hiankohofan’ny hafa. Ny tsy fanekena Azy ka mety hiankohofana eo anatrehan’i Satana mba hahazoana voninahitra no mitondra amin’ny fahafatesana. Ny fahatsorana hahatonga antsika ho “trondro”, sakafo iveloman’ny hafa no hahafahantsika miroso amin’ny lalan’ny fitiavana lavorary.
Mety ho fakam-panahy ho antsika ny mihevitra fa manome maingoka hamono antsika Andriamanitra kanefa atody, antoky ny aina no angatahintsika. Ny maingoka manko, tsara bika, dia mba zava-manana aina ihany saingy mitondra poizina mahafaty, ny atody kosa toa zavatra maty, tsy mihetsika, mora vaky nefa mitondra ny tsimok’aina ao anatiny. Tsy misy afa-tsy ny fanarahan-dia an’ilay maty fa nitsangan-ko velona no hahafahana mihoitra amin’ny tahotra ny fahafatesana ka hitalahoana ny Fanahy, loharanon’ny Fiainana sy ny fahasambarana mandrakizay.
Ny fihinanantsika ny Mofo isan’andro anie hahatonga antsika koa ho mofo velona, ho taratry ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny mpiara-belona.