Alakamisy faha-25 mandavan-taona
- Ankasa Mpitoriteny 1, 2-11 /Salamo 89
- Tsy ankasa Akjea 1, 1-8/Salamo 149
- Md Lioka 9, 7-9
Ny fihenoana ny fitantarana ireo famantarana nataon’i Jesoa: ny tafiho-drifotra nitsahatra (Lk 8, 22-25), ny fanasitranana ilay azon’ny demony (Lk 8, 26-39), ny fananganana ho velona ny zanak’i Zaira sy fanasitranana ilay vehivavy nitsi-drà (Lk 8, 40-56) no nahavery saina an’i Herôda ka nahatonga azy hanontany sao ny iray amin’ireo Mpaminany lehibe no nitsangan-ko velona.
Fanontaniana efa natombok’i Lioka any amin’ny toko faha-7 anefa izany (Lk 7, 20: Joany tao an-tranomaizina araka ny Mt 11,2), ka tahaka an’i Joany Batista koa izay maniry hahafantatra ny Kristy: tsy maintsy handalina ny Fanambaran’ny Testamenta Taloha ka hahita ny fahatanterahan’izany ao amin’i Jesoa avy any Nazareta, eny fa na dia sarotra ho azy aza ny hahazo fa i Jesoa no Mesia kanefa ny tenany (Joany Batista) mbola mifatotra an-tranomaizina. Ho an’i Lioka dia tsy afaka ny ho tonga amin’ny Evanjely raha tsy amin’ny fandalinana ny Soratra Masina, ka ny Evanjeliny moa dia nohezahiny narindra sy nalahatra mba hilazana fa i Jesoa no ilay Mesia nambaran’ny Mpaminany.
Ny mahasamihafa an’i Herôda sy Joany Batista dia ny fomba fitadiavana ny valinteny. I Joany niandry ny valin’ny fanontaniany avy amin’i Jesoa, ary naniraka ny mpianany mba hanontany Azy; i Herôda kosa dia izy ihany no nanome ny valinteniny ary naniry hahita an’i Jesoa, tsy hanontany Azy, fa mba hanamarina ny fiheverany, niandry famantarana saingy tsy nahazo valin-teny na indraim-bava aza avy amin’i Jesoa (Lk 23, 8-12). Azony veroka ihany anefa fa tsy maintsy avy amin’Andriamanitra (mpaminany) no mety hahavita zava-mahagaga toy izany. Tsy afaka ny hahita ny marina anefa izay tsy miandry valinteny afa-tsy avy amin’ny avonavon’ny fony. Ho an’i Herôda (Asa 12,22) dia olona mila fantarina i Jesoa mba hahafahana maka ny “secrets”, ny tsiambaratelo mihafina hahafahany manao fahagagana, ka raha toa ka tsy azony izany dia tsy maintsy ho vonoiny sao hisongona ny voninahiny, raha azony moa dia vao mainka tsy hanahirana ny hamono azy.
Izay ampiahafin’ny avonavon’ny fony dia tsy afaka ny hifaly amin’ny marina, tsy afaka ny hifaly amin’ny soa vitan’ny hafa. Mila mandini-tena mandrakariva isika rehefa maheno ny hafa mahavita tsaratsara kokoa na bebe kokoa noho ny tena, raha hafaliana na fialonana, raha fanontaniana tahaka ny an’i Heroda na tahaka ny an’i Joany no miloatra avy ao am-pontsika ao. Iza ary i Jesoa? Tsy ho mpaminany nitsangan-ko velona anefa satria tsy afaka ny hino ny fitsanganan-ko velona Herôda. Ary fantantsika fa ny faniriany hahita an’i Jesoa dia ny mba hanamafisany fa izy irery ihany no mpanjaka, tsirefesi-mandidy (Lk 23, 11).
Ho sanatriavintsika anie ny hampiasa ny fahefana hamonoana ny olona mahavita asa soa, na dia tsy mifanaraka amin’ny tombontsoa, ny fisainana, sy ny lalàna heverintsika ho marina aza izany, ka mba hitombo ao amintsika kosa ny hafaliana mahita ny soa vita, na iza na iza fitaovana sitrak’Andriamanitra hanatanterahana izany, satria izany no hany hafaliana vokatry ny Fanahy.