Alakamisy faha-24 mandavan-taona
- Ankasa: 1 Kôrintianina 15,1-11 /Salamo 117
- Tsy ankasa: 1 Timôte 4,12-16/Salamo 110
- Md Lioka 7,36-50
Ny Evanjely anio dia misy zavatra itovizany be dia be amin’ny fanosorana tao Betania lazain’ny Evanjely hafa (Mk 14,3-9; Mt 26,6-13; Jo 12,1-8) kanefa tsy lazain’i Lioka kosa. Raha jerena maimaika dia toa hoe izay namelàna be no tia bebe kokoa, izany hoe vokatry ny famelan-keloka noraisina ny fitiavana (and. 41-43), kanefa aoriana kely dia lazain’i Jesoa fa ny fitiavana no mandrakotra ny fahotana ka izay amelana kely no kely fitiavana (and. 47). Tsy mifanohitra anefa fa entin’i Lioka hilazana ny fivoaran’ny finoana kristianina: izay voavela heloka no afaka mitia ary izay mitia no afaka mandray ny hafenoan’ny fitiavana izay miseho indrindra amin’ny famelan-keloka, ka ho lasa taratry ny famindram-pon’Andriamanitra Ray.
Tsy afaka ny handihy amin’ny hafalian’ny famelàna izay tsy nitomany tamin’ny fahotana vita. Tsy afaka ny hahatsapa ny fiainam-baovao vokatry ny fibebahana izay tsy mahalala ka mankahala ny haratsin’ny fahotana sy ny zava-doza aterany eo amin’ny fiainan’ny olona andevoziny, fa indrindra indrindra eo amin’ny fiainan’ny tsy manan-tsiny, mibaby ny vokatr’izany.
Ambaran’i Lioka mazava fa ankoatra ny fanasitranana ilay ambavahoana noho ny fitokisana amin’ny herin’ny Teny (Lk 7,1-10) sy ny fananganana ho velona ilay zanaky ny mpitondratena (Lk 7,11-17) dia tanteraka ao amin’i Jesoa ny fampanantenana, hiantsoan’Andriamanitra antsika handray anjara amin’ny Fampakaran’ny Zanany, ka ny famelan-keloka no anehoany ny halehibeazan’izany fitiavany izany. Tsy misy diso anjara amin’izany, eny fa na dia izay heverin’ny iray tanàna ho faikan’olona tahaka ilay vehivavy voalazan’ny Evanjely anio aza. Efa nanomana sahady ny toko faha-15 hanehoany ny haben’ny fitiavan’ilay Ray i Lioka, ka hampitandrina izay mihevitra ny tsy hiaina amin’ny maha zanaka fa ho mpanompo, tsy nitsinjo afa-tsy ny tombontsoa materialy ka tsy afaka hifaly amin’ny hatsaram-pon’ny Rainy.
Im-pito no voalaza ny teny hoe “tongotra” amin’ity evanjely ity: ny tongotr’i Jesoa vonton-dranomaso, voafafan’ny volon-doha, voahorokoroka ary voaosotra diloilo sarobidy. Tsy ranomasom-pahoriana vokatry ny nenina tahaka ny an’i Piera anefa (Lk 22,62) fa ranomasom-pitiavana mahatsapa fa tia satria notiavina, mahatsapa fa tsy afaka ny ho velona raha tsy amin’ny fahafoizana ny zava-manitra, izay harena sarobidy ho an’ilay “Tia”. Mba hahafahantsika mitia bebe kokoa no amelan’Andriamanitra antsika ary izay mitia ihany no afaka mitahiry ny fahasoavan’ny Famindram-po, ka tsy mampavesatra an’ilay notiavina ka ho sanatria hanjary trosa ny asa soa vita. Ny fitiavana dia fahasoavana (gratias, gratis). Ampahatsiahivin’i Papa François antsika io amin’ny hafany ho an’ny alahady mialoha ny fetin’i Kristy Mpanjaka.
Tsy misy afaka mitondra amin’ny famindram-po sy ny fibebahana marina araka izany afa-tsy izay tena tia. Izany no mahatonga ireo olomasin-dehibe nitolona tamin’ny fanabeazana ny tanora hilaza fa raha tsy azontsika ny fon’ny tanora (izany hoe tsapany fa tiantsika izy ary tia antsika) dia hanano sarotra ihany ny zavatra hafa rehetra (Don Bosco); ary “tsy misy ankizy maditra fa ny tsy ampy fitiavana no betsaka” (Don Orion). “Tsy kapoka fa fitiavana no fanoitra tena soa”, hoy ny mpanakantontsika mihira (Bodo).
Ho haintsika anie ny handray anjara amin’ny fety hanasan’ilay Zanak’ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao, ka hahatonga antsika tsy hihevi-tena ho marina ka hanendrikendrika ilay “Mpaminany” ho tsy mahalala izay tokony hatao tahaka an’i Simôna ilay Farisianina, fa kosa ho mpamindra fo tokoa, tahaka ny Ray izay tia sy mamindra fo amintsika zanany rehetra.