Alakamisy faha-22 mandavan-taona
- Ankasa: 1 Kôrintianina 3,18-23 /Salamo 23/
- Tsy ankasa: Kôlôsianina 1,9-14/Salamo 97
- Md Lioka 5,1-11
Iza isika izay irahina? Iza aho? Tsy mora ny mahafantatra ny tena ary tsy azo odian-tsy hita ny vatomisakana amin’ny fandinihan-tena, mahazo ny ankamaroan’ny feon’ny fieritreretana (conscience) maro. Matetika tsy ny Sitrapon’Andriamanitra intsony no enti-mandini-tena fa ny masom-bahoaka sy ny fanaon’ny besinimaro, na sanatrian’izany ny tombontsoan’ny tena manokana (vola, voninahitra, hafinaretana). Tsy mahamenatra intsony ny manao zavatra iray, na eny imasom-bahoaka aza, rehefa eken’ny sarambabe izany!
Raha zohintsika ny ambaratonga navoitr’i Md Lioka amin’ny fitantarany dia hahitantsika ny anjara toerana sahanin’i Piera eo anivon’ny Fiangonana. Mialoha ny hilazan’i Jesoa ny haha-“mpanarato olona” azy, dia ny sinagoga nivavahany aloha no notsidihan’i Jesoa, ka nandroahany ny demony, mba tsy ho kobaka am-bava ny finoana sy ny fiderana an’Andriamanitra. Avy eo indray ny trano fonenany, izay nanasitranany ny rafozam-bavy, ka hahatonga ny fiainam-pianakaviana ho fiainam-panompoana. Amin’ny Evanjely anio kosa, dia tsy tao amin’ny sinagôgan’i Galilea intsony fa teny amoron’ny farihin’i Genezareta no nitorian’i Jesoa mba teny, ary vahoaka be no nifanesika (ἐπίκειμαι – epikeimai, nifanototra) nankeo Aminy. Io toerana io dia tsy inona fa ny tontolon’ny asan’ireo antsoiny ho mpianany. Eny amin’ny seha-piainana an-davanandro, araka izany no hitorian’i Jesoa ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Sambokely roa no niantsona teo. Mpanjono reraky ny fanjonoana mandritra ny alina sady tsy nahazo akory, saingy mbola manana fanantenana ho amin’ny ampitso ka manasa ny haratony ho vonona amin’izany no teo. Anisan’ireny i Simôna, ary izy no niangavian’i Jesoa nitondra ny sambokely hihataka kely amin’ny tany, teo an-tsambokeliny no ampianaran’i Jesoa, ary rehefa vita ny fampianaran’i Jesoa dia izy no hahazo baiko hiroso amin’ny lalina mba handrotsaka ny harato ao an-kavanan’ny sambokely (Jo 21,6), amin’ny andro atoandro. Ny finoana ny Teny, araka izany, dia ny fanekena ny herin’Andriamanitra mihoatra ny fahaizana amam-pahalalan’ny olombelona, izay asa amin’ny alina ihany nefa tsy mitondra vokatra akory. Izany finoana izany no hahazoana hazandrano be dia be izay tsy maintsy niantsoana ny namana teny amin’ny sambokely hafa, ary izany fifankatiavana hifanampiana izany no hanirahan’ny Tompo ny Mpianatra tsiroaroa (Lk 10,1), satria mariky ny maha mpanara-dia an’i Jesoa (Jo 13,35).
Ny fibanjinana ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny fanehoany ny heriny dia hahatsapantsika ny fahalemena amam-pahotantsika. I Simôna dia niankohoka nitsaoka ilay Tompony, nahatsiaro tena ho mpanota, tahaka izay rehetra anehoan’Andriamanitra ny voninahiny (Iz 6,5). Tsy mahasakana ny fiantsoana anefa ny fahalemen’olombelona, satria tsy izay mendrika no antsoiny, hoy i Md Augustin, fa izay antsoiny no omeny fahasoavana mba ho tonga taratry ny fahamendrehany.
“Duc in altum”, mirosoa amin’ny lalina! Raha ny marina dia amin’ny alina no anjonoan’ny mpanarato matihanina satria amin’izay ihany ny trondro no manatona ny morony sy ny halalina takatry ny harato, noho ny hafanana mandritra ny andro. Saingy ny baikon’ilay Mpandrafitra kosa dia any amin’ny rano lalina no hanjonoana, ary amin’izay indray amin’ny andro efa hisandratra, “en plein jour”. Ny hevitra ara-pastoraly anefa eto dia mazava: zanaky ny hazavana ny mpianatra, ary tsy ny trondro intsony no manatona, tahaka ny fanatonan’ireo mpianatra ny mpampianatra teo amin’ny fomban’ny Jody, fa ny mpianatra no handeha hanatona ny “trondro”. Io no ilay pastorale de proximité ambaran’i Papa Fransoà sy averiny matetika.
Ny fanekena ny Teny no hahafahana mibanjina izany voninahitr’Andriamanitra izany, ka hahafahana mijoro ho vavolombelona marina tokoa avy eo. Ireto Apôstôly ireto antsoin’i Jesoa “tsy hatahotra”, satria tsy hitoky intsony amin’ny hery amam-pahaizan’olombelona fa hiankina amin’Ilay niantso azy ireo. Izy ireo no vavolombelon’ny “Voaloham-pamantarana tany Kanà”, nilazan’ilay Renin’i Jesoa mba “Hanao izay rehetra holazainy” (Jo 2). I Simôna (ara-bakiteny: ilay fatra-pihaino) dia mirafitra eo ambony Vatolampy, araka ny Tenin’i Jesoa ho an’izay mihaino ny Teny ka mitandrina Azy (Lk 6,48). Noho ny Teninao dia halatsako ihany ny haratoko, ἐπὶ δὲ τῷ ῥήματί σου – epi de tô rhèmati sou (BYZ, sur ta Parole TOB) eo ambonin’ny Teninao, ao amin’ny Teninao no handrotsahako ny haratoko.
Tsy mandeha amin’ny nahim-pony ny Mpaminany fa voairaka, hoy isika! Mazava loatra fa tsy misy iraka raha tsy misy fihaonana sy fihainoana ny Mpaniraka mba handray avy Aminy ny hafatra hampitaina! Izay no arofanina hanakana antsika tsy hitory tenA fa hitory TenY, dia ilay Teny tonga nofo sy niara-nonina tamintsika, maty ho antsika fa nitsangan-ko velona koa ho santatra ho antsika, Teny nanova ny tenA.
Antsoin’i Jesoa ho mpanarato olona ireo mpanarato matihanina. Tsy mpanarato ka hanala ny trondro anaty rano anefa mba ho faty (ἄγρα – agra amin’ny grika), fa ho mpanarato hanala ny olona amin’ny fahazaran-dratsy ka ho velona: ζωγρέω (zôgreô) no ampiasain’i Md Lioka amin’ny andininy faha-10 amin’ny Evanjely anio fa tsy ny ἄγρα nampiasainy tamin’ny andininy 4 sy 9. ζωγρέω dia midika hoe misambo-belona, na ny marina kokoa misambotra ho amin’ny fahavelomana (Jo 10,10). Ny mpanarato kosa, mino ny teny, tsy matahotra ny onjan-drano mba hanalàna ny trondro amin’ny hafinaretana sy izay mety ho noheveriny ho aro aina amin’ny rano lalina ka hitondra ho amin’ny tena fiainana ny vahoaka efa zatra sy miaina milamina amin’ny tsy fahitàna ny mazava, saingy tian’i Kristy hoentina handia ny tany maina, hanandrana fiainana vaovao, higòka ny hamamin’ny Fiainana. Izay rahateo no mampiavaka ny fitantaran’i Lioka, manisy tsindrim-peo fa izay te hanaraka an’i Jesoa dia handao ny zavatra rehetra, handao ny hafinaretan’ny rano lalina!
Izay te hanara-dia an’i Jesoa ka te ho iraka ho Azy, dia hahatsiaro mandrakariva fa ny Heriny sy ny Fahasoavany no mahavonjy, ary mahatsiaro tena fa “ny fahasoavan’Andriamanitra no maha toy izao azy” (1Kôr 15,10). Izay mety ho fialonana na mety ho fifaninanana hampanjakana ny tenA fa tsy ny TenY, araka izany, dia mifanohitra amin’ny iraka maha mpaminany antsika, satria ny Apôstôly marina dia mahatsapa fa tsy izy fa ny fahasoavan’Andriamanitra miaraka aminy no mety hahafahany miasa bebe kokoa noho ny hafa (1Kôr 15,10).
Alao hery ary ny hiaina araka ny fiantsoana niantsoana antsika, hifanome tanàna tokoa hiroso amin’ny lalina! Hiantso vonjy amin’ny hafa, hifarimbona amin’izay trondro mila hojonoina ka ho entina amin’ny fahavelomana ary hahatsiaro tena mandrakariva fa isika koa, matoa velona, dia efa nisy mpanjono nitondra antsika amin’ny fiainana, ka tsy hisalasala hamoy (ἀφίημι – aphièmi, toy ny lehilahy misao-bady) ny zavatra rehetra ka hanara-dia Azy.