Alakamisy faha-20 mandavantaona
Ezekiela 36, 23-28
Salamo 50
Md Matio 22, 1-14
Ny toko faha-21 dia filazana ny fiakarana ao Jerosalema, tananan’i Davida. Tahaka ny fomba fitantaran’i Md Matio ihany dia misy drafitra arahiny ny amin’izany. Asa telo anehoana ny fahefan’ny Mesia ny voalohany: ny fidirana mitaingina ampondra (Mt 21, 1-11); ny fandroahana ny mpivarotra tao an-tempoly sy ny nanasitranany ny jamba sy ny mandringa (and. 12-17) ary ilay aviavy tsy namoha sy maina (and. 18-22). Avy eo dia misy fanontanian’ny Jody mahakasika niavian’ny fahefan’i Jesoa izay mamintina ireo famantarana telo ireo (Mt 21, 23-27). Manaraka izay dia misy fanoharana telo ilazan’i Jesoa ny fandavan’ny sasany izany fahefana izany ka handavany ihany koa ny fanjakan’ny lanitra: ny fanoharana ny amin’ny zanaka roalahy (Mt 21, 28-32), ireo mpamboly voaloboka mpamono olona (Mt 21, 33-46) ary ny fanoharana fahatelo no tohizan’ny Evanjely Alakamisy faha-20, fanoharana ny amin’ilay fanasana amin’ny fampakaram-bady.
Ireo zanaka roalahy izay entina ilazana ny fandraisana ny teny sy ny fanatanterahana azy, ka tsy sanatria ny mpamory hetra sy ny mpivaro-tena no hialoha antsika any amin’ny fanjakan’ny lanitra, satria nihaino ny lalan’ny fahamarinana notorian’i Joany, kanefa isika tsy mihaino ilay “lalana sy fahamarinana ary fiainana”.
Ny mpamboly nanankinana ny tanim-boaloboka dia entina ilazana ny fizotry ny tantaram-pamonjena teo amin’Israely. Ambaran’i Matio fa nandefa ny Mpaminany taloha (ireo ao amin’ny Bokin’ny Tantara sy ny Mpanjaka) sy ny taty hafara (ny Mpaminan 12) Andriamanitra, kanefa nitovy avokoa ny nafitsoky ny olona azy ireny: nosamborina, nokapohina, novonoina sy notorahana vato. Ny handray ny vokatra no nanirahany ireo mpanompo ireo. Ny zanany no nirahiny farany, saingy adinon’ireto mpanompo fa raha tsy mbola maty ilay naniraka ny zanany dia tsy hahazo lova izy ireo fa nitady loza. Tsy sanatria isika nofidiany no tsy hanome ny vokatry ny tanim-boaloboka rehefa irahin’Andriamanitra hitaky izany eo amintsika ny solo-tenany, dia ireo mahantra sy fadiranovana ary tsy manam-piantra.
Ny fanoharana fahatelo dia izay tantarain’ny Evanjely anio mikasika ny Fanasana amin’ny fampakaram-bady.
“Ry sakaiza, nahoana ianao no miditra eto nefa tsy miankanjo ny akanjo fitondra amin’ny
fampakaram-bady?” Maimaim-poana ny fiantsoana, ny rehetra no antsoina ka nahoana indray ary no hilàna vaniny izay miditra ao? Tsara ho fantatra aloha fa tsy araka ny fombantsika ny fomba nahazatra tamin’izany. Ny antsika dia ilay voaantso no mivaky loha mitady sy misafidy izay akanjo hanaovana. Tamin’izany kosa dia tolorana ny akanjo ho entina mamonjy izany fety izany izy ka tsininy sy tsy fivakian-doha kosa raha toa ka tsy miakanjo araka ny tokony ho izy. Amin’ny litorjian’ny Batemy moa dia averina io fanolorana ny akanjo fitondra amin’ny fampakarana io, ka ny fitahirizantsika ny “akanjo fotsy madio”, dia i Kristy no hahafantarana antsika ho zanaka ka afaka mandray anjara amin’ny fanasana sy hiara-mandova Aminy ny Fanjakana.
Fanoharana no ilazan’i Jesoa ny fanirian’ny Ray (tompon’ny tanimboaloboka sy Mpanjaka) mampiantso (καλέω kaleo) ny olona rehetra ho amin’ny fampakaram-badin’ny Zanany. Sambatra hoy isika izay voaantso amin’izany, isaky ny manandratra ny Hostia voavaky ny pretra. Ny Fampakaram-bady moa no endrika kanto sady lalina indrindra entin’Andriamanitra maneho ny fifandraisany amin’ny olombelona (Osea 2, 16-25): ny fitiavan’ny mpivady dia maneho ny fahafoizan-tena tanteraka hifanolorana haha-tena iray. Fony mbola mpanota isika, hoy i Md Poaly no maty ho antsika i Kristy (Rm 5, 6-11), nanandratra antsika ho vady, ho iray aina Aminy ary marika izany fa tia antsika Andriamanitra. Tsy ny rehetra anefa no manaiky handao ny zava-tsoa heveriny ho sarobidy (Mamôna) ka hanaiky handray Azy ho “mpampiakatra”, hanaiky ho iray aina Aminy. Mampalahelo aza fa ny iraka miantso azy ho amin’ny fahasambarana indray no tevatevaina sy atao maty vono.
Ny fandavan’ireo voaasa dia nanjary fisokafan’ny fanasana ho an’ny olona rehetra (asa saina nahazo an’i Paoly nanoratra ho an’ny Kristianina tany Roma novakiana tamin’ireto alahady nifanesisesy ireto moa izany). Ny fanenjehana tao Jerosalema no nahatonga ny Eglizy niely eran’i Samaria sy ny tany manodidina ka tonga hatraty amintsika koa aza ny Evanjely. Ny fandringanana sy ny fandoroana tanàna dia mety ho azo heverina mikasika ny fandravan’ny Romanina an’i Jerosalema ny taona 70, saingy ireo iraka (Apôstôly) kosa dia nasain’ny mpanjaka nankany amin’ny fihaonan-dalana, na ny marimarina kokoa hatrany amin’ny faran’ny lalala (διέξοδος diexodos), hatrany amin’ny faravazantany (Asa 1, 8) mba hiantso ny olona hilomano (batemy) ao anatin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra (Mt 28, 19 ss), ka nangoniny (συνάγω sunago) avokoa na tsara na ratsy, tahaka ny harato natsipy any anaty rano (Mt 13, 47-48).
Rehefa feno ihany ny trano fampakarana vao miditra hizaha ny mpihinana ny Mpanjaka. Tsy afaka ny hiditra ka hamono ny omby matavy manko Izy, hoy i Md Lioka (Lk 15) raha mbola misy zanany iray tsy tafaverina eo. Tsy afaka ny hitoetra ao amin’ny fanjakany anefa izay tsy miaina ny maha-zanaka, izay tsy afaka ny hifaly amin’ny fiverenan’ny zandriny nania, ka izay tsy mitafy an’i Kristy Zanaka lahitokana, izany hoe tsy miaina araka ny sitrapon’ilay Ray maniraka mba hiasa any an-tanim-boaloboka, dia tsy afaka ny hijoro an-kafaliana eo anatrehany. Tsy afaka ny hanome tsiny Azy anefa isika satria ny akanjon’io Zanany io aza dia nafoiny ho an’ireo namono Azy (Mt 27, 35).
Ny hahavonjy ny olona rehetra no sitrapon’Andriamanitra (1 Tim 2, 4). Tsy ho sanatria anie isika no hanary ny akanjo hoentintsika mandray anjara amin’ny fanasan’ilay Ray tia ny hampiombona antsika ho “Eglizy”, voaantso toy ny ampakarina mitsena an’i Kristy ilay Mpampiakatra.