Alakamisy faha-19 mandavan-taona
- Ankasa Ezekiela 12, 1-12/Salamo 77
- Tsy ankasa Josoe 3, 7-17 /Salamo 113A
- Md Matio 18, 21 – 19, 1
Tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao tahaka ny namindrako fo taminao? Ambaran’ny Evanjely amintsika ny tokony hitondrana tena tahaka ny nitiavan’Andriamanitra antsika. Loharanom-pahasoavana ho an’ny hafa ny soa raisintsika avy amin’Andriamanitra. Misy anefa ny sasany tsy nahazo izay zavatra mba niriany ka manadino fa na dia ny aina ihany aza dia efa fanomezana hahafahana mampisy heviny ny fiainana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanavaozana ny tontolo.
Ny fiaraha-mivavaka vokatry ny firaisam-po dia mamelona ny afom-pitiavana, satria maneho ilay Andriamanitra nampanantena honina eo anivon’izay mivory amin’ny anarany (Mt 18,15-20 – Evanjely alahady 23 A). Ny fitiavana amin’ny maha-fahatanterahan’ny lalàna azy, dia tsy arakaraka izay heverintsika na izay lazain’ny manodidina antsika, fa araka izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Izany no ampitandreman’i Md Paoly antsika mba tsy hanaraka ny fihevitr’izao tontolo izao fa hiova araka ny fihavaozan’ny Fanahy (jereo Rm 12, 1-2).
Eo am-pamakiana ny toko faha-18 amin’ny Evanjelin’i Matio (Mt 18 Alahady faha-23 sy faha-24 Taona A – ny Evanjely omaly sy androany) dia hitantsika ny fihavaozam-panahy tian’i Kristy hiainan’izay te ho mpianany. Raha izay diso no tokony hangata-pamelana, dia lazain’i Jesoa fa izay manana ny rariny no hanatona mangingina ny rahalahy diso taminy ka hananatra azy… (Alahady 23 A – Evanjely omaly). Tsy sanatria hiambo ho manana ny rariny ka hilaza ny hoe : « Dia izaho indray ve no handadilady ho any!!!« … Impirifiry moa no sendra ny olana tahaka izany isika ka tsy mahatsiaro fa ny oha-piainana arahintsika dia ilay Andriamanitra maty ho antsika fony isika mbola mpanota (Rm 5,8). Izany no mandefitra manana ny rariny… saingy mandam-pahoviana!
Na ny Apôstôly aza mba te hanaraka izany fampianaran’i Jesoa izany, saingy nametra-panontaniana ihany hoe hatraiza ny fetrany. Manamafy izany ny ahiahin’i Piera : « ka raha diso impiry amiko ny namako no tokony hamela azy aho! » (Mt 18, 21-35) Tsy misy fetra, hoy i Jesoa.
Mora fo sady mpamindra fo Andriamanitra, mamela ny heloka rehetra, manasitrana ny aretina rehetra, ary manalavitra ny hadisoana amintsika tahaka ny halavitry ny atsinanana sy ny andrefana (Sal 102). Ho an’izay mahalala ny famindram-pon’Andriamanitra dia mahazo ny lazain’i Jesoa fa tsy misy lalana mitondra mankamin’ny fahasambarana raha tsy amin’ny fakana tahaka ny Ray: “aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo ianareo”. Mamindra fo mandrakariva.
Araka ny fampianaran’ireo Rabòny tamin’ny andron’i Jesoa dia tokony hamindra fo hatramin’ny fanintelony. Sao kely loatra izany angamba hoy i Piera, ka aleo atao isa masina, manambara ny hafenoana: hatramin’ny im-pito ve! Raha miverina im-pito koa mifona izy, hoy i Md Lioka, dia avelao (Lk 17,3-49). Tsy impito fa impitopolo fito (tsy tokony hisaina) anefa, hoy i Jesoa.
Mba hanazavany izany dia nandray ohatra Izy.
Nisy mpanjaka nanana trosa tamin’ny mpanompony iray, hoy izy. Ny voalohany nentina teo aminy dia olona iray nananany talenta iray alina. Ho an’i Joseph Flavio dia 600 talenta ny karaman’i Arkelao governora mandritra ny herintaona, ary 200 talenta ny an’i Herôda Antipa (Ant. Jud. 17, 318-320). Ny Talenta iray dia karaman’olon-tsotra mandritra ny 16-20 taona (6000 denie, volamena 36 kg). Izany hoe karama mandritra ny 200 taona tsy bangana izany no trosan-dranamana. Tsy ho voalohany mandrakizay izany, saingy noho izy nitaraina dia navelan’ny Mpanjaka handeha izy sady nafoiny ny trosany rehetra.
Avy aiza izany trosa izany? Taiza no nanangonantsika izany? Ny an’Andriamanitra manko, ny fahasoavany dia fanomezana, ka raha fanomezana maimaim-poana dia tsy tokony hampidi-trosa. Inona ary ny trosa voalaza eto? Raha manao kaonty marina tokoa isika, manoloana ny fiantsoany antsika ho masina sy ny fihezahantsika kosa ho masina dia handòn-tratra fa manana trosa tsy ho voaloha eo anatrehan’ilay Mpanjaka izay nanome antsika ny aina sy ny fahasoavana rehetra. Saingy be indrafo Izy ka mamela antsika isaky ny mitaraina tsy manan-kaloa isika. Fa raha sanatria kosa, izay mba manana trosa kely amintsika no tsy hahaizantsika miaina, mbola ho sahintsika ve ny hangataka ny hamoram-pon’ilay Mpanjaka?
Mpahazo ny olona matetika ny mampahatsiaro ny hafa ny hadisoany sy izay mety ho tsy fahamendrehany, ny mandray azy amin’ny tendany (κρατέω krateo, mihevitra ho ambony noho izy) ary manambany sy manao izay tsy hahavelon’aina azy, ka hanasazy azy mandrapahalohany ny trosa. Ataon’ny olona ahoana anefa ny handoa ny trosa any an-tranomaizina? Izay sazy tsy manampy ho sambatra sy masina dia tsy mifanaraka amin’ny fitiavana. Kanefa raha oharina amin’ny elanelan’ny fahamasinantsika sy Andriamanitra ny fahadisoan’ny hafa manoloana antsika dia zava-poana ihany. Hamela azy ve isika? Indraindray manko ny sazy omena azy, tsy nomena am-pitiavana fa nomena am-pahatezerana ka tsy hanampy ny hafa hihatsara fa vao mainka koa aza mandetika azy hankamin’ny ratsiratsy kokoa. Indraindray aza ny tenantsika ihany no omentsika sazy tsy mifanaraka amin’ny fitiavana sy tsy avelantsika heloka.
Raha tsy mamela ny rahalahitsika amin’ny fontsika tokoa isika, hoy i Jesoa, dia ny Ray no hanolotra antsika ny mpampijaly, ambara-pandohantsika ny trosa rehetra. Ny famelana ny hafa no hahafahantsika mifaly amin’ny famindram-pon’Andriamanitra asehony antsika isan’andro, sady hanahafantsika ihany koa ny fahamasinany. Izay no letsin-trosa angatahiny amintsika. Izay mety ho tsy famelàna (lolom-po) dia fandavahana hantsana manelanelana antsika sy ny fahamasinan’Andriamanitra, ka hampitombo ihany ny trosantsika. Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrany fa hialany amin’ny ratsy ka ho velona. Izay mihevitra hanasazy araka izany dia hampiasa izay fomba hanalana ny hafa amin’ny ratsy. Tsy sanatria famelana ny hafa hanao izay tiany hatao ny famindram-po.
Ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, izany hoe ny fiainana araka ny Evanjeliny no hidirana amin’ny fahasambarana. Izay tsy mino kosa dia hitoeran’ny fahatezeran’Andriamanitra. Mila alalinina ihany anefa izay hoe “fahatezeran’Andriamanitra” izay sao afangarontsika amin’ny fahatezeran’ny olombelona, amin’ny fahatezeran-dry Moizy, nolazaintsika teny aloha. Ny olona manko rehefa mahatezitra azy ny hafa dia famaizana (sazy sy kapoka) no tonga voalohany ao an-tsainy. Andriamanitra kosa, rehefa misy mahatezitra Azy, Izy izay “mahari-po”, tsy malaky tezitra (Eks 34, 6) ary “fahatezerana tsy maharitra hatramin’ny farany”, hoy ny Boky Fahendrena (Fah 16, 5; 18,20), rehefa misy zanany tsy mifanaraka amin’ny lalàny, misy ondry nania lavitra ny vala, dia tsy mandry andro tsy mandry alina Izy mitady ny fomba hitondrana izay nania ho amin’ny fahasambarana, ary ilay ondry very, hoy ny Evanjely, rehefa hitany dia ataony an-tsangory hiverina ao am -bala; rehefa tafaverina ny zanany mpandany dia anaovany fety tsy manam-paharoa (Lk 15). Asakasak’ilay zokiny anefa raha hino fa fitiavana Rainy ka hiditra hiaraka hifety na hijanona any ivelany, tsy hino (tsy hiaiky) ka hanandrana ny hamamin’ny Fitiavany.
Ny salamo 32 dia mampahatsiaro fa tsy afaka ny hanararaotra ny fitiavan’Andriamanitra izay mahatsiaro fa namindrana fo marina tokoa. Ampahatsiahiviko vetivety ny lazain’io salamo io (Sal 32, 1-2): Sambatra izay voaesotra ny helony, sy voavela ny fahotany, sambatra ny olona tsy tanan’ny Tompo heloka, izay tsy misy fitaka ny fanahiny. Izay moa ny dikan-teny ananantsika (CEM 2011). Ampiasain’ny Salamo eto anefa ireo teny telo entin’ny Jody hilazana ny fahotana ka iezahantsika adika ara-bakiteny fa izay no heveriko hahazoana ny tena hevitry ny hoe famelan-keloka:
Sambatra (אֶשֶׁר ‘esher), izany hoe afaka mizotra amin’ny lala-mahitsy ireo izay “nozakaina” (נָשָׂא nasa’, supporter) ny fikomiany (פֶּשַׁע pêsha`, transgression), [nadika hoe voahesotra ny helony] sy izay “nafenina” (כָּסָה kaçah, cacher, dissimuler) ny fahotany (חֲטָאָה), izany hoe nototofany ny tsy fahatratrarany ny tanjona nokendreny (חֲטָאָה Hata’ah, חטא, manquer le but) [nadika hoe voavela ny fahotany]; sambatra ny olona izay hodian’ny Tompo tsy ( לֹ֤א) hita (חָשַׁב Hashab, penser, tenir compte) ny fahamelohany (עָוֹן `avon) [tsy tanan’ny Tompo heloka], ary ao amin’ny fanahiny, tsy misy fiheverana ny hiverin-dalana na hiraviravy tanana (רְמִיָּה remiyah, laxisme, relâchement, fraude).
Ny famelana araka izany tsy hoe sanatria tsy fanadinoana fa fizakàna ny tsy rariny ataon’ny hafa, ny fanafenana ny tsy fahatratrarany ny tanjona, ny fanapena-maso manoalona ny lalan-diso narahiny, mba hahafahany manohy ny lalany mahitsy (אֶשֶׁר ‘esher). Sambatra kosa izay voavela heloka raha manararaotra izany mba hanitsiana ny fiainana ho amin’ny lalana tokony ho izy. Tsy ho sambatra na oviana na oviana izay hihevitra fa mpamindra fo Andriamanitra ka azony hofitahina hanaovany izay danin’ny kibony, dia avy eo izy hihevitra ny hikonfesy.
Tsy misy fetra, hoy i Jesoa ny tokony hamindràna fo toy izany. Mifanohitra amin’ny valifatin’i Lameka im-pitopolo fito, voalaza teny ampiandohana izany (Jenezy 4, 23-24). Dia eo no mety hampametra-panontaniana antsika ny fahendren-drazana hoe «Ny tanana efa zatra nitsotra tsy afaka hivonkona intsony». Hatraiza ny finoantsika ny herin’ilay Fanahy manavao ny fon’ny olona?
Miainga avy amin’ny Bokin’i Siràka (Ekleziastika 28, 1-8 ) milaza fa tsy havela isika raha tsy mahay mamela ihany koa, dia ambaran’i Kristy mazàva fa fanomezana efa noraisintsika ny famelàna, ka izay mahatsiaro tena ho voavela no voaantso hamela (Evanjely). Ny Mpanao salamo manafatrafatra mafy mba tsy hanadino ireo soa nataon’Izy Tompo amintsika (Sal 102) dia ny namelany ny heloka rehetra, ny nanasitranany ny aretina (ratra) ary ny nanavotany amin’ny ady, izany hoe ny dingana telon’ny fibebahana marina hahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny indrafony.
Meteza ary isika hotarihin’ny Fanahy Masina tokoa, hahasahy hisetra ny fihevitra tsy araka ilay arahintsika, dia i Kristy, tsy hitsara tena ho mihoatra ny mety ary hizaka ireo mbola marefo amin’ny finoana, tsy hitsara na haneso azy ireo, ary tsy hihevi-tena ho mijoro (Rom 14)[1] ka hanadino ilay nanome hery sy nampanalavitra antsika tahaka ny atsinanana sy andrefana ny hadisoantsika (Salamo 103)
Aza adino fa « fanalahidin’ny lanitra » ny famelan-keloka, ary ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny famindrampony no hitsarana antsika. Tsy hamela antsika hanao izay tiantsika hatao anefa izany ka « ny lian-drà hiara-misakafo amin’ny niaran’ny herisetra » any amin’ny fanjakan’ny lanitra.[2] Raha tsy mahatsiaro ho samy namindrana fo, raha tsy faly amin’ny fibebahan’ny rahalahy (Lk 15, 25-32), ataontsika ahoana ny hiara-tsambatra aminy any amin’ny mandrakizay?
Tsy sanatria fampitahorana no hilazan’i Md Matio izany fampianarana izany fa hampahatsiahivana antsika ka Andriamanitra be famindram-po no efa namindra fo antsika ary miantso antsika koa ho “mpamindra fo” tahaka azy.
[1] tsara ny hamakiana manontolo ny tapany voalohany amin’ny Romana toko 14
[2] Jereo ny n. 44 amin’ny lettre encyclique Spe Salvi momba ny frères Karamàzov.