Alakamisy faha-18 mandavan-taona
- Ankasa:Jeremia 31,31-34/Salamo 50
- Tsy ankasa: Fanisana 20,1-13 /Salamo 94
- Md Matio 16,13-23
Tany Sezarea an’i Filipo, zanak’i Herôda, eo amin’ny toerana ipoiran’ny iray amin’ireo loharano mitambatra ho Ony Jordany, noheverin’ny olona tamin’izany fa fonenan’ny andriamanitra Pan sy Nymphe, izay ninoan’ny olona fa nameno zava-tsoa an’izay niankohoka nitsaoka azy, indrindra amin’ny fanondrahana ny tanin’izy ireo mba hampahavokatra azy, teo no nanontanian’i Jesoa an’ireo mpianany, ary anontaniany antsika rehetra koa hoe: Ataon’ny olona ho iza aho? Ary Ianareo kosa, manao ahy ho iza?
Raha manome harena sy vokatra miavosa ho an’ireo manompo azy Pan sy Nymphe, inona kosa no mba antenain’ireo mpianany avy amin’i Jesoa? Inona no mba lazain’ny olona momba Azy? I Joany Batista, i Elia, i Jeremia na iray amin’ireo Mpaminany taloha? Ny fampidiran’i Matio an’i Jeremia eto amin’ny fitanisana dia efa entiny hilazana sahady ny hanjo ilay “Mpaminany vaovao”, ilay “Joany Batista nitsangan-ko velona” araka ny hevitr’i Herôda (Mt 14,2), satria amin’ny Mpaminany rehetra dia i Jeremia no nijaly indrindra tamin’ny fifanoherana sy noho ny nafitsok’ireo Lohandohan’ny Mpisorona sy ny mpanora-dalàna tao Jerosalema.
Efa nanao dingana ihany ny fahalalan’ny olona an’i Jesoa saingy mbola tsy lavorary. Tsy figagana fotsiny toy izany anefa no hahafahana miaina ny maha mpianatr’i Jesoa. Tsy afaka ny ho tonga amin’ny fahalavorariana ny finoantsika raha tsy lavovary ny finoantsika an’i Jesoa. I Piera misolo tena ny Apôstôly dia mivoatra ihany koa amin’ny fiekeny ny finoana. Ny Apôstôly rehetra no niaiky fa tena Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesoa (Mt 14,33). Eto i Piera manampy fa Izy no “Kristy”, ilay Voahosotra, mpamonjy voalazan’ny Mpaminany sy andrasan’ny vahoaka, ilay vatolampy ho enti-mizaha toetra sy hamafana ny fifanekena amin’ny fahafatesana (Iz 28,14-22), handresy araka izany ny vavahadin’ny afobe. Tian’i Jesoa ho azontsika fa ny Fiekem-pinoana dia manova ny fiainana, misy fiantraikany amin’ny fomba fiainana satria hisafidianana ny Andriamanitra marina.
Na dia any amin’ny fifanatrehan-tava hahalalana Azy araka ny tena toetrany aza vao ho lavorary izay maha izy antsika amin’ny fanahafana Azy (1Jo 3,2), dia miainga avy amin’ny finoana fa ao amin’i Jesoa hahafahana mibanjina ny endriky ny Rainy, dia ilay “Andriamanitra velona”, araka ny nolazain’i Md Piera: “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona”. Ao aminy no misy ny fahavelomana ka tsy haharesy izay miorina eo amboniny ny vavahadin’ny afobe. Ny hoe afobe moa, (ᾅδης – hadès), toeran’ny maty no andikantsika azy ao amin’ny fiekem-pinoana dia fandikàna ny shéol ka ny hades, avy amin’ny a-εἰδῶ eidô, fiainan-tsy hita, hoy ny dikanteny iombonana. Hiditra ny vavahadiny izay mpomba ny demony, hoy ny Boky Fahendrena, fa ny olona kosa, noharian’Andriamanitra ho amin’ny fahavelomana toa Azy (Fah 2,23-24).
Izany finoana an’Andriamanitra velona izany dia fanomezan’ny Fanahy fa tsy sanatria hakingan-tsaina ka hireharehana. Fahasambarana izany ho an’izay mahatsapa fa tsy asan’ny nofo aman-drà no nanambara izany. I Kristy no vato, tokana iorenan’ny Eglizy ka tsy sanatria hisy sahy hitady fototra hafa ankoatrany, hoy i Md Paoly amin’ny Kôrintianina (1Kor 3,11), Izy no vatofehizoro mampiray ny fototra dia ny Apôstôly sy ny Mpaminany (Ef 2,19-21), Izy no vatovelona, narian’ny olona fa nofidian’Andriamanitra (1P 2,4-6).
Ny anarana iantsoana an’i Piera araka izany[1] dia “Πέτρος – petros”, vato arafitra amin’ny fanorenana; ny finoana an’i Jesoa ho Kristy kosa no “πέτρα – petra” vatolampy iorenan’ny Eglizy. Izay rehetra mino ka miaina araka ny finoana nambaran’i Piera araka izany dia mirafitra ho tempolin’ny Fanahy, araka ny fandaharan’Andriamanitra, ireo no olona malina nandray sy mivelona araka ny Evanjely ka mandrafitra ny tranony eo ambonin’ny vatolampy (Mt 7,24-25).
Nandray ny Fanalahidy hamatotra sy hamaha koa i Piera sy ny Apôstôly (Mt 18,18). Manome “lakile” moa dia milaza ny fitokisana apetraka amin’izay hitantana ny fananana. Izay tompon’ny lakile no mandidy sy manapaka, “lakile” nalàna tamin’ny Mpanora-dalàna sy ny Farisianina ary nomena ny Eglizy kosa, tahaka ny nanalàna azy tamin’i Sobnà ka nanomezana azy an’i Eliasima. Ampahatsiahivin’i Matio ihany anefa fa “adidy” ny fanarahana izay mipetraka eo amin’ny fiketrahan’i Môizy, tsy amin’ny toetra ratsiny fa amin’ny fampianarany ny Lalànan’Andriamanitra (Mt 23,2-3).
An’i Jesoa irery ihany, ilay Zanak’ondry voavono ho faty ny fahefana hamoha sy hanidy, hoy i Joany (Ap 3,7), ka izay te hiditra ao amin’ny fanjakan’ny Lanitra nosantariny dia tsy maintsy mandalo amin’ny fiekem-pinoan’i Piera sy ny Apôstôly. Atao ahoana ny hiditra ao an-trano raha tsy fantatra akory aza hoe aiza ny varavarana!
Tsy mpiandry varavarana, araka ny “blagues” marobe momba azy anefa i Md Piera. Ny hanampy ny olona hiditra ao amin’ny fiainana no ifandrimbonany miaraka amin’izay rehetra te ho mpianatr’i Kristy. Izany no ankalazantsika ny fetiny miaraka amin’i Md Paoly. Andraikitra nankinin’i Jesoa aminy sy amin’izay dimbiny kosa anefa ny “mamatotra” (δέω – deô), mandrara amin’izay zavatra tsy mifanaraka amin’ny Evanjely, sy “mamaha” (λύω – luô), manome alalana amin’izay azo atao. Tsy tery fa safidy no maha kristianina ka asan’i Piera ny mamondrona sy mitahiry ny firaisan’ny Mpino, mamahana ny andian’ondry sy mankahery ny rahalahiny ao amin’ny finoana, izy no lohalaharana amin’ny fiainana ny fitiavana.
Mampalahelo fa ny tsy fahavitana ireo andraikitra nankinina tamin’i Piera sy ny mpiara-dia aminy ireo matetika no nahatonga fikomiana sy adilahy teo amin’ny tantara. Io no nahatonga an’i Md Irenée nilaza fa ny Evekan’i Rôma dia “ilay mpitari-dalana amin’ny lalan’ny fitiavana”, teny naverin’i Papa Fransoà tamin’ny andro naha-voafidy azy ho Papa. Ny hampianatra antsika ny Lalànan’i Kristy sy ny Evanjeliny no laharam-pahamehana ho an’ny Apôstôly sy ny Dimbiny mbamin’izay rehetra maniry hiara-miasa amin’izy ireo, ka mialoha ny hitenenana fa “tsy d’accord”, tsy mifanaraka amin’izay eritreretinao ny fampianarany na ny fanapahan-keviny, dia hamafiso mandrakariva aloha ny faniriana marina tokoa hiaina araka ny Evanjely, sao ny hambom-po sy ny avonavona no hanilihan-tena tsy hiombonana amin’ny Eglizy.
Na i Piera aza, araka ny and. 21-23 amin’ity toko faha-16 ity, dia antsoina mba hanitsy ny fomba fisainany mandrakariva mba hisaina araka an’Andriamanitra. Tsy ilay “Piera” sambatra satria nanambaran’ny Ray ny misterin’ny Fanjakany intsony (Mt 11,25), fa ilay “satàna” hihevitra ny handahatra ny fizotry ny tantara araka ny hambom-pony. Fanafintohinana ho azy manko ny endrik’Andriamanitra hiakatra any Jerosalema ka hampijalian’ny loholona sy ny Mpanora-dalàna, tahaka ny nahazo an’i Jeremia sy ny Mpaminany (Mt 23,37), kanefa kosa, izany no lalana mitondra amin’ny havelomana mandrakizay.
Mazava ny tenin’i Jesoa amin’i Piera sy izay mbola misalasala noho ny fiheverana fa fandresena (araka ny olombelona) mandrakariva no ho an’izay manara-dia an’i Kristy: hanaraka Azy avy ao aoriana (ὕπαγε ὀπίσω μου – hupage opisô mou, nadikan’ny baibolintsika hoe mialà amiko) tsy sanatria hanamongo ny Rômanina fa “tsy maintsy ho any Jerosalema”, hanolotra ny tenany ho Sorona, hilazana fa tsy ny herisetra (Mt 26,52) no valin-tenin’Andriamanitra manoloana ny fahotan’olombelona fa ny fitiavana.
Mivavaha isika mba hiainan’ny Mpitondra ny vahoakan’Andriamanitra ny fiantsoana niantsoana azy, fa indrindra indrindra koa mivavaha ho an’ny andian’ondrin’Izy Tompo mba hahay hihaino ny feon’ilay Mpiandry tokana, nametraka ny fitokisany amin’ny Eglizy, sitrany ho “Reny sy Mpampianatra”.
[1] Tsy dia fanomezana anarana loatra satria i Marka sy Joany dia efa mampiasa ny hoe Piera, hatramin’ny fiantsoana ny Apôstôly.