Alakamisy faha-17 mandavantaona
Ankasa Jeremia 18, 1-6/Salamo 145
Tsy ankasa Eksaody 40, 16-38 /Salamo 83
Md Matio 13, 47-53
Na ny fanoharana momba ny ahi-dratsy sy ny taom-pijinjana tamin’ny talata na ny fanoharana mikasika ny harato dia samy manambara ny fahataperan’izao tontolo izao, saingy samy manana ny antony, mazava loatra, nanoratan’i Md Matio azy. Ny voalohany dia mamaly ny fanontaniana mikasika ny faharetan’Andraimanitra, ka tsy hanafainganany ny fanalàna ny ahi-dratsy ao anatin’ny tanimboly; ny fanoharana momba ny harato kosa mamaly ny fanontaniana hoe: oviana ary no handraisan’ny olo-marina ny valisoany any amin’ny voninahitry ny lanitra.
Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina ka nanangona izao karazana hazandrano rehetra izao (ἐκ παντὸς γένους συναγαγούσῃ BYZ)[1]. Ao amin’ny teny grika moa tsy misy trondro fa milaza nyγένος (genos, ilazana ny karazam-poko, ny taranaka mifandimby, ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka). Raha ny tena marina ny trondro alàna ao anaty rano dia maty fa tsy velona, ny mpanaraton’i Jesoa anefa manala ny “olona” avy amin’ny haizin’ny fahafatesana sy ny fahotana mba ho amin’ny fiainana (Mt 4, 19, mpanarato olona), ary tsy ny tsara ihany fa ny olon-drehetra tsy an-kanavaka (genos). Ny Fiangonana koa dia tandindon’ilay πανδοχεῖον (pandocheion), ilay tranom-bahiny handraisana ny olon-drehetra tsy an-kanavaka, nitondran’ilay Samaritana ilay sisam-paty navelan’ny jiolahy (Lk 10, 34). Izany no mahatonga an’i Md Lioka hampiasa ny teny ζωγρέω (zogreo = misambo-belona, na ny marimarina kokoa misambotra mba ho velona) rehefa mitantara ny fiantsoana an’i Simona ho mpanarato olona (Lk 5, 10).
Ho an’i Md Matio dia tsy ho tonga araka izany ny fisarihana ny harato raha tsy efa miangona ao avokoa ny olombelona rehetra. Ao amin’ny toko faha-24 moa izy dia milaza mazava fa “hotoriana amin’izao tontolo izao ny Evanjelin’ny fanjakan’ny Lanitra, mba ho vavolombelona amin’ny olona rehetra, izay vao ho tonga ny farany” (Mt 24, 14).
Mbola sarotra ny mahita Fiangonana toy ny harato manangona ny olona tsy an-kanavaka. Mila mibebaka isika ary mila mivavaka mba ho taratry ny Fanjakan’Andriamanitra ny Egliziny, ka ho afaka hanangona ny olona ary handio azy ireo mba ho tonga zanaky ny Fanjakana, hizotra amin’ny fahazavana ka ho voadion’ny ran’i Kristy (1 Jn 1, 7). Tsy sanatria isika no hanilika ny hafa tsy ho zanak’Andriamanitra. Raha tsy mandray ny hafa ho mpiray aina (tam-po) amiko aho dia manilika ny tenako tsy ho zanak’Andriamanitra. Adidintsika ny mitarika ny “trondro” rehetra ao amin’ny haraton’i Kristy ka hahafahany manolotra azy rehetra amin’ny Ray (1 Kor 15, 24.28).
Na dia amin’ny farandro aza anefa ny fanavahana sy ny fitsarana, dia ny fiainako “anio”, tsy misy hatak’andro no mila ampifanarahako amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ny famindram-po no hahafahako mandray koa ny famindram-po (Jakoba 2, 12ss). Ny fanahafantsika an’Andriamanitra sy ny fahalavorariany satria “mpamindra fo sy mihantra” izy no maha-lehibe antsika ao amin’ny Fanjakany. Izay “trondro” mahasoa ihany no hangonina ho any an-trano (Levitika 11, 10-11).
“Efa azonareo ve izany?” Antsoin’i Jesoa isika hahazo ny hevitr’izany fanoharana izany satria raha sanatrian’izany tsy mazava ny fifandraisan’ny fahasoavana sy ny fahafahana, ny fanomezan’Andriamanitra sy ny andraikitry ny olombelona dia mety ho zava-doza ny vokany: na hivarina amin’ny fahasiahana ka hiheverana fa miankina amin’ny ezaka atao no hahafahana manova ny fianana sy ny zava-misy, na sanatria hanasa tanana tsy handray andraikitra ka hihevitra fa hain’Andriamanitra ny zava-drehetra ka tsy mila mivaky loha, ka hahatonga ny fiainana ho fakofako ihany. Ny iray moa mety hitondra amin’ny fahakiviana hiheverana fa tsy hisy andro mihiratra intsony, ny iray kosa mety hitondra amin’ny fiheverana fa efa tafita ka hanadino fa manoro antsika fa tsy sanatria misolo antsika amin’ny lalana tokony hodiavina Andriamanitra.
Izay tonga mpianatr’i Kristy dia tsy afaka ny hikatona amin’izay mahazatra (zavatra tranainy) fa kosa hisokatra mandrakariva amin’ny fahazavana entin’i Kristy, fitoeran’ny hafenoan’Andriamanitra (Kol 2, 3-9) mitondra fanavaozana ho antsika. Tsy azo adinoina koa anefa fa ao amin’ny zavatra tranainy dia efa naneno ny fitiavany Andriamanitra, tsy handrava fa hanatanteraka ireny no nahatongavan’i Kristy ka anirahany ny mpianany koa, ka anjarantsika izany ny mibanjina ny voninahiny amin’ny zavatra tanterahiny isan’andro vaky, amin’ny alalan’ireo izay manaiky ho taratry ny fahalavorariany.
Ho sanatriavintsika anie ny hitsipa-doha laka-nitàna ka hizotra ny lalana mitondra any amin’ny fitomaniana sy ny fikotroha-nify.
[1] γένος genos moa dia ilazana ny karazam-poko, ny taranaka mifandimby, ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka. Tsy misy trondro ao amin’ny teny grika.