Alakamisy faha-16 mandavantaona
- Ankasa Jeremia 2, 1-13/Salamo 35
- Tsy ankasa Eksaody 19, 1-20/Daniela 3, 52-56
- Md Matio 13, 10-17
“Nahoana no fanoharana no hitenenanao aminy?”
Ny vahoaka dia eny amoron-dranomasina no nitenenan’i Jesoa amin’ny fanoharana. Ny Mpianatra kosa, izany hoe ireo tapa-kevitra ka nanatona Azy, vonona ny hiakatra eo an-tsambokely miaraka Aminy, vonona ny hihaino ny hevitra mihafina ambaran’ny fanoharana, vonoha hanaraka Azy amin’izay alehany, izy ireo no hanehoana ny tsiambaratelon’ny fanjakan’ny lanitra, tsy hitan’ny mpaminany sy ny olomarina maro.
Nahoana anefa no tsy maintsy hiharitra ny tsy fankatohavana sy ny hamafisam-pon’ny vahoaka ny Marina? Tsy afaka ny manova ny fon’izy ireo ve Andriamanitra ka amin’izay dia tsy hisy marina hovonoina na hohenjehina intsony? Mistery mihoatra ny saintsika izany. Izaho manokana aloha tsy mahalala ny antony, saingy kosa afaka mandray ny valin-tenin’Andriamanitra manoloana ny fijalian’ny marina. Ireo fanoharana ambarany araka izany dia manambara izany mistery izany, manome saina sy hery antsika izay te hanara-dia ilay hany Marina hahatozoantsika hatramin’ny farany, indrindra raha sendra tsy mahatsiaro ho mioty vokatra amin’izay nisasarana.
Tsy sanatria Andriamanitra no manafina ny mistery amin’ny sasany. Mpanavakavaka Izy raha izany. Sitrany ho tonga amin’ny fahalalana ny marina avokoa ny olona rehetra, hoy Md Paoly (1 Tim 2, 4). Izay tsy manaiky ka manamafy ny fony, tsy hoe tsy hanambarana ny Teny, fa kosa hitoriana azy amin’ny fomba faran’izay tsotra indrindra aza: apetraka eo anatrehany ny Teny mitondra amin’ny fiainana. Izany no lazain’ny Salamo 72, 2 hoe: “Hiloa-bava hilaza oha-teny sy hamoaka ny zava-miafina hatry ny ela”.
παραβάλλω (paraballo) moa dia midika hoe mametraka eo anilany na eo alohany ka avy amin’io ny hoe παραβολή, parabolè izay nadika hoe fanoharana. Izany no hanehoan’Andriamanitra ny fitiavany hamafy ny Teniny ka ho ren’ireo miseho ho be marenina sy ho hitany miharihary avokoa ny fanambarana, ka safidiny ny hanidy sofina sy hanakimpy maso na tsia.
Tahaka ny tolotra nofonosina koa anefa ny fanoharana ka na ho ela na ho haingana, dia hosokafan’izay handray azy, hizahany ny hevitra ambarany. Tahaka ny lahinjiro mirehitra izy, ka na mitsilopilopy aza, rehefa ao anatin’ny haizina hahafahana manilo ny lalan-kombana ihany. Izany no mahatonga ny fanazavana ny hoe “fanoharana” nataon’i Matio mialoha ny hanazavany ny hevitry ny “voa nafafy”, hilazany fa fahasambarana no azon’izay manatona an’i Jesoa ka manaiky hanokatra ny fony mba handray ny fampianarany.
Hitombo ao amintsika anie ny faniriana hahazo ny fampianaran’i Jesoa.