Alakamisy faha 13 mandavan-taona
- Ankasa: Amôsy 7,10-17/Salamo 18
- Tsy ankasa: Jenezy 22,1-19/Salamo 114
- Md Matio 9,1-8
Dia niondrana tamin’ny sambokely indray i Jesoa. Ny Fiangonana no sambo iampitany amin’ny tanàna rehetra andalovany. Ireny no tanànany, fonenany satria eo anivon’izay mivory amin’ny Anarany Izy (Mt 18,20).
Asa ankininy amin’ny Mpianany ny hitory ny fibebahana sy ny famelan-keloka manomboka ao Jerosalema, toerana niakarany any amin’ny voninahitra, ka hatrany amin’ny faravazan-tany (Lk 24,48/Asa 1,8). Ny toriteny sy ny asan’i Jesoa dia nentiny nanambara ny famindram-pon’Andriamanitra tsy hita lany, araka ny lazain’i Md Paoly hoe fahasoavana mihoa-pampana ao amin’izay hiavosan’ny fahotana (Rm 5, 20). Ny fahotana moa, araka ny heviny avy amin’ny teny hebrio חַטָּאָה (ḥaṭṭā’āh), dia hoe tsy mahatratra ny tanjona nokendrena, ka mazava loatra, lehilahy iray malemy mandry amin’ny fandriany dia tsy afaka hanatanteraka araka ny tokony ho izy ny adidiny, tsy afaka hody any an-tranonyakory.
Ny Lalànan’Andriamanitra dia nomeny antsika mba ho torolalana hahafahana mizotra ho amin’ny fahasambarana, hizotra ny lalam-pahasambarana. Saingy rehefa misy zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny dia ny sazy, araka izay fariparitan’ny lalànantsika no tonga voalohany ao an-tsaina ka miteraka tahotra ho an’izay diso ary indraindray mitondra amin’ny avonavona sy ny fanjakazakana ho an’izay nahazo andraikitra “hanasoa” ny hafa. Hafa mihitsy anefa ny fihevitr’Andriamanitra. Asan-tànany isika ka izay mety ho fahalementsika dia noraisiny an-tanana, zary fijaliana ho azy, ka hitadiavany fomba mba hahafahantsika mitozo amin’ny lalam-pahasambarana sitrany ho antsika.
Tsy sasatra ny mamerina amintsika izy hoe: “Matokia anaka fa voavela ny helokao”. Saingy ho an’ny “mpanora-dalàna” kosa dia fitenenan-dratsy an’Andriamanitra izany. Tsy noho isika mibebaka no hamelan’Andriamanitra ny helotsika fa mba hahafahantsika mibebaka, hahafahantsika mizotra ny lalana mankany an-tranon-dRay. Izany no nolazain’i Izaia Mpaminany momba ny Mesia izay nibaby ny helotsika sy nitalaho noho ny fahotantsika (Iz 54,7-10). Izany no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany.
Moramora kokoa ny miteny fa voavela ny heloka satria tsy misy hanaporofoana izany ety ivelany. Ny miteny hoe: “mitsangana ka mandehàna” kosa dia hita eo noho eo ny fahamarinany. Kanefa koa, raha tamin’ny toe-tsaina tamin’izany dia noheverina ho vokatry ny fahotana ny kilema mampalemy, dia mora kokoa ny manala ny antony (fahotana) noho ny mitsabo ny vokany. Izay antony mampijaly antsika no sitrak’Andriamanitra hofongorana eo amin’ny fiainantsika.
Tsy fanalana heloka mba tsy hanasaziana anefa no ataon’Andriamanitra fa fanomezana hery hitsangana ka hanompo, ho tonga olom-baovao. Ireo no notanisain’i Matio taorian’ny Fampianarana teny an-tendrombohitra: ilay boka sitrana ka tonga olom-baovao (Mt 8,1-4), ilay ankizilahin’ny tomponjato novonjeny noho ny finoana (8,5-13), ny rafozan’i Piera nareniny mba hanompo (Mt 8,14snm), nifoha Izy mba hampitony ny ranomasina ka handresentsika ny tahotra (Mt 8,23-27), ny demony noroahiny hilentika any amin’ny rano (Mt 8,28-34) satria “ny rofintsika no nalainy, ny aretintsika no nentiny”. Ny famelan-keloka no fahagagana lehibe indrindra ataon’Andriamanitra ho antsika amin’ny alalan’ny Zanany, ka iantsoany antsika mba hitsangana (ἐγείρω – egeirô hitsangan-ko velona) ka hibata ny fandriantsika, tsy ho menatra ny fahalemena satria matoky fa notiavina ka hody any an-trano, tahaka an’ilay zaza mpandany. Ny fibebahantsika kosa no fahasoavana loharanon’ny fahasoavana rehetra, hoy ny Papa mamarana ny Taratasy Patris Corde.
Fahefana nomen’Andriamanitra ny olona ny hanafaka ny zanany rehetra amin’izay mampijaly azy, ka ilay “fitenenan-dratsy” nolazain’ny mpanora-dalàna sasany nentin’i Jesoa nanafaka ilay malemy no zary fanamelohana Azy kosa ho faty eo amin’ny hazofijaliana. Fahefana sy iraka nomen’i Jesoa ny mpianany izany (Mt 10,1), dia ny hamehy sy hamaha (Mt 16,19; 18,18) ary ny halema heloka (Jo20,23). Ho fiovan-toetra marina tokoa ho antsika anie ny famelan-keloka sy ny kônfesy, ka hanampy antsika hahatsapa ny haratsiana vokatry ny fahotana ary nandrisika antsika kosa hizotra an-kafaliana ho any an-tranon’ny Ray.